Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lafaoro Fandoroana Biriky

Lafaoro Fandoroana Biriky

Fitaovana fahiny fandoroana biriky, sokay ary zavatra vita amin’ny tanimanga. Kivshan izy io amin’ny teny hebreo, ary tsy mitovy amin’ny lafaoro fahita ankehitriny.​—Jereo LAFAORO.

Efa nahay nanefy fitaovana varahina sy vy ny olona talohan’ny Safodrano (Ge 4:22), ary azo inoana fa nampiasa lafaoro fandoroana biriky koa. Nampiasa lafaoro toy izany koa ny olona tamin’ny andron’i Nimroda, taorian’ny Safodrano. Hoy mantsy izy ireo rehefa hanorina ny tanànan’i Babela sy ny tilikambony tao amin’ny tany Sinara: “Andao isika hanao biriky ka handoro izany ao anaty lafaoro.” (Ge 11:3) Ahitana lafaoro toy izany koa ny tanàna fahiny efa ravarava any Babylona. Nateza ny biriky nodorana ka nandravahana rindrina sy nalahatra toy ny rarivato. Natao tamin’ny biriky nodorana ny trano sasany nisy rihana nofongarina tany Ora (nonenan’i Abrahama taloha). Ny rihana ambony kosa natao tamin’ny biriky nohamainina tamin’ny masoandro, izay mora natao, tsy lafo, ary nety tamin’ny toetany maina, na dia tsy nateza hoatran’ny biriky nodorana aza.​—Jereo BIRIKY.

Niendrika fivoahan-tsetroka lavalava ny lafaoro ejipsianina fandoroana zavatra vita amin’ny tanimanga. Teritery ny tampon’ilay izy. Fitoeran’afo ny ambany, teo afovoany nisy toy ny karakaram-patana, ary teo ambony ny toerana fandoroana. Ny Ejipsianina mpanefy tanimanga ihany no nahay ny hafanan’ny afo nety tsara mba hahavitana zavatra tsara tarehy. Nisy rivotra niakatra avy teo amin’ny fitoeran’afo, ka nampiakatra ny lelafo hitsofoka teo amin’ny karakaram-patana sy hihodidina an’ireo zavatra nodorana. Farany, nivoaka teny ambony ny setroka.

Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona, rehefa handefa ny loza fahenina hamely an’i Ejipta sy ny mpanjakany nirehareha Izy: “Samia maka molaly eran’ny tanan-droa avy, ao amin’ny lafaoro fandoroana biriky, ary aoka i Mosesy hanipy izany ho eny amin’ny lanitra, eo imason’i Farao.” “Naka molaly tao amin’ny lafaoro fandoroana biriky [àry] izy roa lahy ary nitsangana teo anatrehan’i Farao. Dia natsipin’i Mosesy ho eny amin’ny lanitra ny molaly, ka niova ho vay mamoro-nana nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby.”​—Ek 9:8-10.

Mirefy 2,5 m x 3 m eo ho eo ny lafaoro palestinianina hita tao Megido, ary miendrika U. Teo amin’ny kihony ny fitoeran’afo, ary niditra teo ambanin’ny varavaran’izy io ny rivotra ka nanosika ny lelafo ho ao amin’ireo toerana fandoroana roa. Nivoaka teo amin’ny fivoahan-tsetroka roa teo andamosina ny setroka.

Lafaoro fandoroana vatosokay. Nisy an’ireny tany Palestina fahiny satria be vatosokay tany. Nisy lafaoro natao teny amin’ny tehezan-kavoana tato ho ato, ka ilay havoana no natao rindrina teo andamosina. Vato tsy voapaika nasiana rihitra tanimanga no nanaovana ilay lafaoro. Nisy fivoahan-tsetroka lehibe teny an-tampony. Nofenoina vatosokay nopotipotehina tao anatiny, ary narehitra ny afon-kitay teo ambany. Niakatra ny lelafo vokatry ny rivotra nitsoka mafy tao amin’ny tionelina teo am-pototr’ilay lafaoro, ka nandoro ny vatosokay nandritra ny andro maromaro. Lasa sokay ny vatosokay tamin’ny farany.​—Jereo SOKAY.

Ny Genesisy 19:28 no voalohany miresaka lafaoro fandoroana biriky. Nahita “setroka be” maintimainty “niakatra avy teo amin’ilay tany, toy ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky” i Abrahama rehefa nitazana an’ireo tanànan’i Sodoma sy Gomora ary ilay faritra manontolo nirehitra.

Nivory teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny Israelita mba ‘hihaona tamin’Andriamanitra.’ Anisan’ny zava-nampahatahotra hitan’izy ireo ilay tendrombohitra manontolo nidona-tsetroka, “satria i Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo. Tsy nitsaha-niakatra ny setroka, toy ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky. Ary nihovotrovotra mafy ilay tendrombohitra manontolo.”​—Ek 19:17, 18.

Milaza ny 2 Samoela 12:31 (Prot.) fa ‘nataon’i Davida tao anatin’ny fandoroam-biriky’ ny Amonita babony. Toa “nampiasainy hanao biriky” anefa izy ireo, araka ny fanitsiana litera iray amin’ny teny hebreo.​—TV; Kat.; DIEM.