Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lahimatoa, Voalohan-teraka

Lahimatoa, Voalohan-teraka

Ny zokiny indrindra amin’ireo zanakalahin’ny lehilahy iray (fa tsy izay zokiny indrindra nateraky ny vehivavy iray), izany hoe ny porofo voalohany fa afaka manan-janaka ilay lehilahy. (De 21:17) Natao hoe “voalohan-teraka”, indraindray, ny lahy voalohany nateraky ny biby.​—Ge 4:4.

Efa hatry ny ela no nohajaina ny zanaka lahimatoa teo anivon’ny fianakaviana, ary izy no nandimby an-drainy ka lasa lohan’ilay fianakaviana. Nahazo anjaran’olon-droa izy rehefa nandova an-drainy. (De 21:17) Napetrak’i Josefa teo amin’ny toeran’ny lahimatoa i Robena rehefa nipetraka hisakafo izy ireo, satria izy no nanana ny zon’ny lahimatoa. (Ge 43:33) Tsy arakara-jokiny foana anefa ny lisitra ao amin’ny Baiboly. Matetika no izay zanakalahy niavaka indrindra na izay tena tsy nivadika no notononina voalohany fa tsy ny lahimatoa.​—Ge 6:10; 1Ta 1:28; ampit. Ge 11:26, 32; 12:4; jereo LOVA; ZON’NY LAHIMATOA.

Tena nisongadina ny lahimatoa, tamin’i Jehovah nanafaka ny olony andevo tany Ejipta. Noheverin’ny Ejipsianina ho masina ny lahimatoa tany Ejipta, ka natokany ho an’i Amona-Ra, andriamanitra masoandro, izay ninoany hoe mpiaro ny lahimatoa rehetra. Nanala baraka an’io andriamanitra io i Jehovah rehefa nandefa ny loza fahafolo. Nasehony fa tsy nahavita niaro ny lahimatoa ilay andriamanitra. Tsy nisy maty kosa ny lahimatoan’ny Israelita satria nankatò ny tenin’Andriamanitra izy ireo, ka namono zanak’ondry ary nanosotra ny rany teo amin’ny tolàna sy teo amin’ny tataom-baravaran’ny tranony. Maty daholo kosa ny lahimatoan’ny Ejipsianina, na olona na biby. (Ek 12:21-23, 28, 29) Azo inoana fa ny zanaka lahimatoan’ny ankohonana tsirairay no tiana holazaina amin’izany, fa tsy ny lohan’ny fianakaviana na dia mety ho lahimatoa koa aza izy io. Azo inoana fa lahimatoa i Farao, nefa tsy novonoina izy. Mety tsy ho ny tokantrano rehetra tao Ejipta anefa no nisy zanaka lahimatoa, satria tsy niteraka angamba ny mpivady sasany na efa maty ny zanany lahimatoa. Voalaza anefa fa “tsy nisy trano tsy nisy maty.” (Ek 12:30) Midika izany fa mety ho naringana koa izay olona noheverina ho toy ny lahimatoa tao an-tokantrano.

Mety ho lasa lohan’ireo fianakaviambe ny lahimatoan’ny Israelita. Izy ireny àry no solontenan’ilay firenena manontolo, izay nantsoin’i Jehovah hoe ‘lahimatoany.’ Toy ny hoe lahimatoa tokoa ilay firenena noho ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. (Ek 4:22) Nitsimbina ny ain’ny lahimatoa i Jehovah, ka izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Hamasino ho ahy ny lahimatoa rehetra, izay voalohan-teraka eo amin’ny zanak’Israely, na olona na biby.” (Ek 13:2) Natokana ho an’Andriamanitra àry ny zanaka lahimatoa.

Tatỳ aoriana, dia nalain’i Jehovah ny lehilahy levita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra teo amin’ny zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra, ankoatra an’ireo lahimatoan’ny Levita niisa 300. (Ampitahao ny No 3:21, 22, 27, 28, 33, 34 sy ny No 3:39.) Nihoatra 273 anefa ireo lahimatoa ireo, ka nisy vidim-panavotana sekely dimy (11 dolara) tsy maintsy naloa tamin’i Arona sy ny zanany lahy ho an’ny tsirairay tamin’ireo lahimatoa ireo. Nalain’i Jehovah koa ny biby fiompin’ny Levita ho solon’ny voalohan-teraka tamin’ny biby fiompin’ny foko hafa. (No 3:40-48) Nanomboka tamin’izay, dia tsy maintsy natolotra ho an’i Jehovah tany amin’ny tranolay masina na tempoly ny zanaka lahimatoa rehefa tapitra ny fotoana nidiovan’ny reniny. Tsy maintsy navotana tamin’ny “sekely volafotsy dimy, araka ny sekelin’ny toerana masina” izy ireo. Izany mantsy no vidiny nanombanana an’ireo lahy hatramin’ny iray volana no ho miakatra.​—Le 12:1-3; 27:6; No 18:15, 16.

Tsy azo navotana ny lahy voalohan-teraky ny biby madio, toy ny omby, ondry, na osy. Tsy azo nampiasaina izany omby izany, ary tsy azo nohetezana ny volon’izany ondry izany. Tokony hatolotra ho sorona ho an’i Jehovah kosa izy ireo, eo amin’ny tranolay masina na tempoly, valo andro taorian’ny nahaterahany. (Ek 22:30; No 18:17; De 15:19, 20) Tsy tokony hatao sorona ho an’i Jehovah anefa ilay biby raha nanan-takaitra, fa tokony hohanina ao an-tanàna.​—De 15:21-23.

Tsy azo natao sorona ny voalohan-teraky ny ampondra satria biby maloto, ka ondry no natao solony mba hanavotana azy. Raha tsy izany, dia tokony hovelezina ny hatony mba hahafaty azy, satria an’i Jehovah ilay izy ka tsy azon’ny olona nampiasaina. (Ek 13:12, 13; 34:19, 20) Hoy anefa ny Levitikosy 27:27: “Raha biby maloto no hamasininy, ka mila manavotra azy araka ny vidiny anombanana azy ilay olona, dia hanome ny vidiny izy sady mbola hampiany ampahadiminy. Fa hamidy araka izay vidiny anombanana azy kosa ilay izy, raha tsy avotana.” Misy mpivaofy teny milaza fa fanitsiana an’ilay didy momba ny fanavotana ampondra io andininy io. Toa zavatra hafa mihitsy anefa no resahin’izy io. Mariho ilay hoe “raha biby maloto.” Mety ho biby lazaina hoe maloto satria nisy tsininy ka tsy azo natao sorona no tiana holazaina eo, fa tsy biby maloto toy ny ampondra mihitsy.

Nahoana i Jehovah no nilaza hoe lahimatoa i “Davida mpanompoko”, nefa tsy lahimatoa akory izy?

Miresaka momba ny hoe “Davida mpanompoko” i Jehovah ao amin’ny Salamo 89, ary nanamafy an’ilay fifanekena nataony taminy, dia ilay fifanekena momba ilay fanjakana. Hoy izy: “Izaho hanao azy ho lahimatoa, sy ho ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.” (Sl 89:20, 27) Tsy lahimatoa anefa i Davida. (1Ta 2:13-15) Toa naminany momba ilay Zanak’Andriamanitra “lahimatoa” any an-danitra àry i Jehovah eo. Izy io mantsy no nifanitsy tamin’i Davida, ary nomen’i Jehovah fanjakana sy nasandrany ho ambony noho ny mpitondra olombelona rehetra.​—Ampit. Ezk 34:24: Ny Mesia no nolazaina hoe “Davida mpanompoko” ao.

“Lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” sy “lahimatoa amin’ny maty” i Jesosy Kristy. Nahoana? Marina fa izy no niavaka indrindra raha oharina amin’ny zavaboary hafa na ireo natsangana tamin’ny maty. Ny tena antony anefa dia satria izy no noforonina voalohany sady voalohany natsangana tamin’ny maty mba tsy ho faty intsony. (Kl 1:15, 18; Ap 1:5; 3:14) Lahimatoan’i Maria izy tetỳ an-tany, ary natolotra tao amin’ny tempoly araka ny notakin’ny lalàn’i Jehovah. (Lk 2:7, 22, 23) Nolazain’ny apostoly Paoly hoe “fiangonan’ny lahimatoa” ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voasoratra any an-danitra. Izy ireo mantsy no voalohany neken’Andriamanitra ho zanaka satria nino ny soron’i Jesosy. Izy ireo koa no mpianatra voalohany natsangana tamin’ny maty mba tsy ho faty intsony.​—He 12:23.

Ny aretina mahafaty indrindra no lazain’ny Joba 18:13 hoe “ny lahimatoan’ny fahafatesana.”