Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lahitokana, Vavitokana

Lahitokana, Vavitokana

Avy amin’ny teny grika hoe mônôgenes, ary midika hoe “tsy misy toa azy, tokana”, na “tsy manan-tsahala.”​—Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy nataon’i Thayer, 1889, p. 417; Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, Oxford, 1968, p. 1144.

Resahin’ny Baiboly ny amin’ny ‘zanaka lahitokan’ilay’ mpitondratena tao Naina, sy ny ‘zanaka vavitokan’i’ Jairo, ary ny ‘zanaka lahitokan’ny’ lehilahy iray niangavy an’i Jesosy hanala ny demonia tao amin’io zanany io. (Lk 7:11, 12; 8:41, 42; 9:38) Mônôgenes no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny zanakavavin’i Jefta. “Zanany vavitokana io, fa tsy nanan-janakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.”​—Mpts 11:34.

Imbetsaka ny apostoly Jaona no nilaza fa Zanaka Lahitokan’Andriamanitra i Jesosy Kristy Tompo. (Jn 1:14; 3:16, 18; 1Jn 4:9) Tsy tamin’izy naterak’olombelona na tamin’izy olombelona teto an-tany no tiana horesahina eo. Izy mantsy no Lôgôs na Teny, ka efa “niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana”, fony “mbola tsy nisy izao tontolo izao.” (Jn 1:1, 2; 17:5, 24) Tamin’izany izy no nantsoina hoe ‘Zanaka lahitokana’ izay nirahin’ny Rainy “ho amin’izao tontolo izao.”​—1Jn 4:9.

Manana “voninahitra tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny ray” ilay “eo an-tratran’ny Ray.” (Jn 1:14, 18) Midika izany fa mifandray akaiky sy tena mifankatia izy sy ny Rainy.​—Jereo TRATRA.

Samy “zanak’Andriamanitra” na ny anjely any an-danitra na i Adama. (Ge 6:2; Jb 1:6; 38:7; Lk 3:38) Ny Lôgôs, izay lasa nantsoina hoe Jesosy, ihany anefa no “Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.” (Jn 3:18) Izy irery ihany mantsy no noforonin’Andriamanitra mivantana. Tsy nisy mpanelanelana na zavaboary hafa niara-niasa tamin’Andriamanitra tamin’izay. Izy irery koa no nampiasain’Andriamanitra Rainy tamin’ny famoronana ny zavaboary hafa rehetra. Izy no lahimatoa sy filohan’ny anjely rehetra (Kl 1:15, 16; He 1:5, 6), izay antsoin’ny Baiboly koa hoe “andriamanitra.” (Sl 8:4, 5) Mety àry ny iantsoana an’i Jesosy Kristy Tompo hoe “ilay hany andriamanitra nateraka [gr.: mônôgenes teôs]”, araka ny hita ao amin’ny sora-tanana sasany tranainy indrindra sy azo antoka indrindra.​—Jn 1:18.

Te hanohana an’ilay fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray anefa ny mpandika teny sasany, ka novany ilay hoe mônôgenes teôs ary nadikany hoe “ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra.”​—DIEM.

Nantsoin’i Paoly hoe ‘zanaka lahitokan’i’ Abrahama i Isaka (He 11:17), na dia efa niteraka an’i Ismaela aza i Abrahama sy Hagara. Nanan-janaka maromaro koa izy sy Ketora. (Ge 16:15; 25:1, 2; 1Ta 1:28, 32) Tamin’i Isaka ihany anefa, izay hany zanaka nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama sy hany zanak’i Saraha, no nampitain’Andriamanitra ilay fifanekena. (Ge 17:16-19) I Isaka irery koa no zanaka notezain’i Abrahama, tamin’izy nanolotra azy ho sorona. Mbola tsy nanan-janaka mantsy i Ketora, ary efa 20 taona teo ho eo talohan’izay no nialan’i Ismaela tao an-tranon’i Abrahama. Azo antoka fa efa nanambady izy ary efa loham-pianakaviana.​—Ge 22:2.

Zanaka lahitokan’i Abrahama tokoa i Isaka, raha dinihina ilay fifanekena sy fampanantenana noresahin’i Paoly tamin’ny Hebreo. Nampifandraisin’i Paoly tamin’ilay hoe “fampanantenana” sy ‘zanaka lahitokana’ àry ilay hoe ‘amin’ny alalan’i Isaka no hiavian’ilay “taranakao.”’ (He 11:17, 18) Noho ireo antony ireo koa angamba no nahatonga an’i Josèphe hilaza fa ‘zanaka lahitokan’i’ Abrahama i Isaka.​—Rakitry ny Ela Jiosy, I, 222 (xiii, 1).