Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lainga

Lainga

Ny mifanohitra amin’ny marina. Mandainga izay milaza zavatra diso amin’ny olona tokony hahalala ny marina, ka manao izany mba hamitahana na hitondrana loza ho an’ilay olona na ho an’olon-kafa. Tsy am-bava ihany ny lainga, fa mety ho amin’ny atao koa, ohatra hoe manafin-toetra. Kazav no matoanteny hebreo midika hoe milaza zavatra tsy marina. (Oh 14:5) Matoanteny hafa koa ny hoe shakar, ary midika hoe “manambaka” (Le 19:11) na “mivadika.” (Sl 44:17) Nadika hoe “lainga” ny anarana avy amin’izy io. (Le 19:12; Is 57:4) Teny hebreo hafa koa ny hoe shavʼ izay nadika indraindray hoe “mandainga”, ary matetika no midika hoe zava-poana, very maina, tsy misy dikany. (Sl 12:2; De 5:20; Sl 60:11; 89:47; Za 10:2) Mandiso fanantenana no tena dikan’ny matoanteny hebreo hoe kahash (mamitaka). (Le 19:11) Misy ifandraisany amin’ny lainga sy fitaka ny teny grika hoe pseodôs sy ny teny iray tarika aminy.

I Satana Devoly no rain’ny lainga na niavian’ny lainga. (Jn 8:44) Nampiasa bibilava izy mba handaingana tamin’i Eva, ary fahafatesana no vokany ho an’i Eva sy Adama vadiny. (Ge 3:1-5, 16-19) Io no lainga voalohany, ary fitiavan-tena sy fanirian-dratsy no nahatonga azy io. Tian’ny Devoly ho tia sy hankatò azy ilay mpivady voalohany, ka nandainga izy ary niseho ho toy ny anjelin’ny mazava na mpanao soa. (Ampit. 2Ko 11:14.) Vokatry ny fitiavan-tena sy ny fanirian-dratsy koa ny lainga hafa rehetra nanomboka teo. Mandainga ny olona mba tsy ho voasazy, sy mba hanararaotana ny hafa, ary mba hahazoana tombony na valisoa na fiderana avy amin’olona.

Tena ratsy ny lainga ampianarin’ny fivavahana satria mamitaka olona sady mety tsy hahazoany fiainana. Hoy i Jesosy Kristy: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa mitety ranomasina sy mitety tany ianareo mba hampiova finoana olona iray, ary rehefa miova finoana izy, dia ataonareo mendrika ny Gehena avo roa heny noho ianareo.” (Mt 23:15) Mety ho lasa mpanao zava-dratsy maharikoriko ny olona raha ny fahamarinan’Andriamanitra no atakalony “lainga”, izany hoe atakalony fanompoan-tsampy mamitaka.​—Ro 1:24-32.

Mahavita inona ny olona rehefa miala amin’ny marina? Ahitana izany izay nataon’ny mpitondra fivavahana jiosy nandritra ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany. Nitetika ny hamono an’i Jesosy izy ireo, ary rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nomen’izy ireo kolikoly ny miaramila niambina ny fasana mba hamoron-dainga momba ny nanjavonan’ny fatin’i Jesosy sy mba hampiely izany lainga izany.​—Mt 12:14; 27:1, 2, 62-65; 28:11-15; Mr 14:1; Lk 20:19.

Tsy mahay mandainga kosa i Jehovah Andriamanitra (No 23:19; He 6:13-18), ary halany “ny lela fandainga.” (Oh 6:16-19) Voalazan’ny lalàna nomeny ho an’ny Israelita fa tokony hanome onitra izay olona namitaka na nandainga ka nitondra fahavoazana ho an’ny hafa. (Le 6:2-7; 19:11, 12) Raha nisy vavolombelona nandainga ka nitetika hanisy ratsy olona, dia hatao aminy izay ratsy saika hataony tamin’ilay olona. (De 19:15-21) Mbola halan’Andriamanitra foana ny lainga. Tsy tokony ho zatra mandainga àry izay te hahazo sitraka aminy. (Sl 5:6; Oh 20:19; Kl 3:9, 10; 1Ti 3:11; Ap 21:8, 27; 22:15) Mandainga izay milaza hoe tia an’Andriamanitra nefa mankahala ny rahalahiny. (1Jn 4:20, 21) Namoy ny ainy i Ananiasy sy ny vadiny noho izy ireo nandainga sady namitaka ny fanahy masina.​—As 5:1-11.

Tsy hoe nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka anefa ny olona raha sendra resin’ny fakam-panahy handainga. Nanda an’i Jesosy intelo, ohatra, i Petera. Tena nibebaka anefa izy ary voavela heloka. Hita amin’izany fa mamela an’izay tena mibebaka Andriamanitra.​—Mt 26:69-75.

Misy olona minia mandainga mba hahavoa ny hafa. Voarara mazava ao amin’ny Baiboly izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy milaza ny marina amin’izay olona tsy tokony hahalala izany isika. Hoy i Jesosy Kristy: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo sao hohitsakitsahiny, dia hifotitra aminareo izy ka hamiravira anareo.” (Mt 7:6) Izany no nahatonga an’i Jesosy tsy hilaza ny zava-drehetra na tsy hamaly mivantana fanontaniana sasany indraindray, raha nety ho nisy voka-dratsiny izany. (Mt 15:1-6; 21:23-27; Jn 7:3-10) Nanao toy izany tamin’ny olona tsy nanompo an’i Jehovah koa i Abrahama, Isaka, Rahaba, ary Elisa. Nataon’izy ireo mantsy izay hahadiso hevitra an’ireny olona ireny, na tsy nolazainy tamin’izy ireny ny marina rehetra.​—Ge 12:10-19; toko 20; 26:1-10; Js 2:1-6; Jk 2:25; 2Mp 6:11-23.

Navelan’i Jehovah Andriamanitra ho voafitaky ny “fahadisoana” ny olona tia lainga, “mba hinoany lainga” fa tsy inoany ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy. (2Te 2:9-12) Mampiseho tsara izany izay nanjo an’i Ahaba mpanjaka israelita, taonjato maro talohan’izay. Nandainga ny mpaminaniny ka nanome toky azy fa handresy an’i Ramota-gileada izy. Nanambara loza kosa i Mikaia mpaminanin’i Jehovah, ary nasehon’i Jehovah azy tao amin’ny fahitana fa navelany ho tonga “fanahy mamitaka” hampiteny an’ireo mpaminanin’i Ahaba ny anjely iray. Io anjely io no nitarika an’ireo mpaminany hilaza izay tian’izy ireo holazaina sy izay tian’i Ahaba ho re, fa tsy hilaza ny marina. Efa nampitandremana i Ahaba nefa naleony voafitaky ny laingan’ireo mpaminaniny, ary ny ainy no nanefa.​—1Mp 22:1-38; 2Ta 18.