Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lakile

Lakile

Fitaovana fanokafana na fanidiana varavarana na vavahady. Miresaka momba ny “lakile” ara-bakiteny sy an’ohatra ny Baiboly.

Matetika ny lakile taloha no hazo fisaka nisy kinifinifiny izay nifanitsy tamin’ny lavaky ny hidim-baravarana. Tsy nahodina toy ny lakile ankehitriny anefa ilay izy. Natosiny kosa ilay hidiny na barany tao anaty varavarana. Natao tao anaty fehikibo ilay lakile matetika, na nafatotra tamin-javatra ary natao teny an-tsoroka.​—Is 22:22.

Halimo na vy ny lakile ejipsianina hitan’ny mpikaroka. Nirefy 13 sm teo ho eo ny tahony, ary nisy kinifinifiny telo na mihoatra ny tendrony. Nampiasa lakile vy koa ny Romanina, ary nisy tamin’ireny nahodina rehefa namoha na nanidy. Nahitana lakile halimo tany Palestina.

Nohidin’i Eglona mpanjakan’i Moaba tamin’ny lakile ny efitranony tany an-tampon-trano. (Mpts 3:15-17, 20-25) Nisy Levita nasaina niambina ny tempoly taorian’ny sesitany. ‘Andraikitr’izy ireny ny lakile, mba hanokafany ny vavahady isa-maraina.’​—1Ta 9:26, 27.

Heviny an’ohatra. Ilazana fahefana, fitondrana, na hery ny hoe “lakile” ao amin’ny Baiboly. Natao teo an-tsorok’i Eliakima ny “lakilen’ny ankohonan’i Davida”, rehefa nomena toerana ambony sy voninahitra izy. (Is 22:20-22) Olona ambony ireo nitondra lakile ngezabe teo an-tsorony tany Israely sy ny firenena manodidina azy, tatỳ aoriana. Izay mpanolo-tsain’ny mpanjaka fahiny nanankinana lakile no mety ho niandraikitra an’ireo efitra tao an-dapa, sy nifidy an’izay horaisina ho mpiasan’ny mpanjaka. Manana “ny lakilen’i Davida” i Jesosy Kristy nomem-boninahitra. Izy ilay ‘manokatra ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy misy manokatra’, araka ny nolazaina tamin’ny fiangonan’i Filadelfia. (Ap 3:7, 8) Mpandova ny fifanekena momba ilay Fanjakana natao tamin’i Davida tokoa i Jesosy Kristy, ka izy no lohan’ny fiangonana kristianina sy mpitarika ny Israely ara-panahy. (Lk 1:32, 33) Oharina amin’ny “lakilen’i Davida” àry ny fahefany hanokatra na hanidy varavarana an’ohatra, izany hoe hanome andraikitra.​—Ampit. 1Ko 16:9; 2Ko 2:12, 13.

Oviana i Petera no nampiasa an’ireo “lakilen’ny fanjakan’ny lanitra” nomena azy?

Hoy i Jesosy tamin’i Petera: “Homeko anao ny lakilen’ny fanjakan’ny lanitra. Koa na inona na inona hofatoranao eto an-tany, dia ho efa voafatotra any an-danitra, ary na inona na inona hovahanao eto an-tany, dia ho efa voavaha any an-danitra.” (Mt 16:19) Ny tenin’i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana nahay Lalàna no manampy antsika hahalala hoe inona ireo lakile ireo. Hoy izy: “Nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ary ianareo tsy niditra nefa izay handeha hiditra nosakananareo!” (Lk 11:52) Ny ‘fidirana’ ao amin’ny “fanjakan’ny lanitra” no resahina eo, rehefa jerena ny Matio 23:13. Nomen’i Jesosy ‘lakile’ àry i Petera amin’ny heviny hoe izy no voalohany hampita fahalalana amin’ny olona mba hahazoan’izy ireo fitahiana manokana, dia ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tsy toy ny mpitondra fivavahana nihatsaravelatsihy tamin’ny androny i Petera, fa nampita ny fahalalana nomen’Andriamanitra azy mba ‘hidiran’ny olona ao amin’ilay fanjakana.’ Intelo izy no nanao izany. Voalohany, tamin’izy nitory tamin’ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nilaza i Petera fa efa natsangan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny maty sy nasandrany ho eo an-tanany ankavanany i Jesosy, ka izy no nandatsaka ny fanahy masina teo amin’ny mpianany tafavory teo. Nony nahalala izany ny 3000 teo ho eo tamin’ireo Jiosy, dia nanao dingana mba ho lasa mpitondra ao amin’ny “fanjakan’ny lanitra” rehefa nampirisihin’i Petera hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.” Nanao toy izany koa ny Jiosy hafa tatỳ aoriana.​—As 2:1-41.

Faharoa, nirahina ho any Samaria i Petera sy Jaona satria mbola tsy nahazo ny fanahy masina ny Samaritanina nefa efa vita batisa. “Nivavaka” ho azy ireo sady ‘nametra-tanana taminy’ àry izy roa lahy, ka nandray ny fanahy masina izy ireo.​—As 8:14-17.

Fahatelo, nirahina ho any an-tranon’i Kornelio manamboninahitra italianina i Petera. Nahazo fahitana izy talohan’izay ka niaiky hoe tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa ankasitrahany izay rehetra matahotra Azy sy manao ny marina, na Jiosy na hafa firenena. Rehefa nampahafantatra izany tamin’ireo hafa firenena nihaino azy tao amin-dry Kornelio izy, dia nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina. Niteny tamin’ny fiteny samihafa àry izy ireo, ary natao batisa. Izy ireo no hafa firenena voalohany afaka ny ho lasa mpandova sy mpitondra ao amin’ny “fanjakan’ny lanitra.” Toy ny hoe navela hidanadana ny varavarana taorian’izay, mba hidiran’ireo hafa firenena ho eo anivon’ny fiangonana kristianina.​—As 10:1-48; 15:7-9.

Toy izao no nandikan’ny Baibolin’i Charles Williams ny Matio 16:19, izay voaresaka etsy aloha: “Na inona na inona raranao eto an-tany, dia tsy maintsy ho efa voarara koa any an-danitra, ary na inona na inona avelanao hitranga eto an-tany, dia tsy maintsy ho efa navela hitranga koa any an-danitra.” Hoy kosa ny dikan-teny ara-bakiteny nataon’i Robert Young, manam-pahaizana momba ny teny grika: “Na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ny tany dia ho efa nofehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ny tany dia ho efa novahana any an-danitra.” Mbola i Jesosy natsangana tamin’ny maty foana no Lohan’ny fiangonana kristianina. Tsy te hilaza àry izy eo fa i Petera no hibaiko ny any an-danitra hoe inona no tokony hovahana na tsia. Nampiasain’ny tany an-danitra kosa i Petera mba hamoha na hamaha zavatra sasany efa tapak’izy ireo mialoha.​—1Ko 11:3; Ef 4:15, 16; 5:23; Kl 2:8-10.

“Lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.” Nomena an’io lakile io ny “kintana” iray avy any an-danitra. Nosokafany ilay lavaka ka valala maro be no nivoaka avy tao. “Ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka” no mpanjakan’izy ireo. (Ap 9:1-11) Toa anisan’ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka” “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana” nomena an’i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty. (Ap 1:18) Antsoina koa hoe lavaka mangitsokitsoka mantsy ny Fasana (na dia tsy io fotsiny aza), araka ny Romanina 10:6, 7. Tsy inona àry ireo ‘lakile’ ireo fa ny fahefan’i Jesosy hanafaka an’izay olona voagejan’ny fatorana tsy voavahan’iza na iza, afa-tsy Andriamanitra sy ny solontenany. Anisan’izany ny fahefana hanangana na hanafaka an’ireo maty ao am-pasana, sy ireo maty ara-panahy. (Jn 5:24-29; ampit. Ap 11:3-12; jereo FAHAFATESANA [Fiovana].) Miresaka farany momba “ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka” ny Apokalypsy 20:1-7. Hanipy an’i Satana ao amin’ilay lavaka ny anjely manana an’io lakile io, ary hanidy sy hanisy tombo-kase an’ilay lavaka. Hampiasa ny fahefany na ilay ‘lakile’ hamoahana an’i Satana avy ao amin’ilay “fonja” izy, rehefa tapitra ny arivo taona.​—Jereo LAVAKA MANGITSOKITSOKA.