Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalàna

Lalàna

“Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin’ny olon-drehetra, avoakan’ny mpitondra fanjakana, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatry ny fahagolan-tany, na ataon’ny solombavambahoaka.” (Rakibolana malagasy, nataon’i Rajemisa-Raolison) ‘Fitsipika na amboaram-pitsipika manan-kery rehefa avy novolavolaina sy nodinihina ary nolanina ka avoakan’ny andry manana fahefana hanao an’izany mba hifehy ny olona rehetra monina na mandalo amina tanim-pirenena iray.’ (Rakibolana Rakipahalalana, nataon’ny Akademia Malagasy) Antsoin’ny Baiboly hoe lalàna ny didin’Andriamanitra na ny sitrapony. Lazainy hoe lalàna koa ny fitsipika momba ny fomba fiaina na fitondran-tena tsara, indrindra raha heverina fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izany na amin’ny feon’ny fieritreretana na amin’ny fitondran-tena tsara na amin’ny rariny.

Ny teny hebreo tôhrah no tena nadika hoe “lalàna”, ao amin’ny Soratra Hebreo. Misy ifandraisany amin’ny matoanteny yarah, midika hoe “manome toromarika, mampianatra”, izy io. Ny teny aramianina dat no nadika hoe “lalàna”, indraindray. (Da 6:5, 8, 15) Ny teny hebreo mishpat (didim-pitsarana, fitsarana) sy mitsvah (didy) koa no nadikan’ny Fandikan-teny Protestanta hoe “lalàna.” Ny teny grika nômôs, avy amin’ny matoanteny nemô (mizara), kosa no nadika hoe “lalàna”, ao amin’ny Soratra Grika.

I Jehovah Andriamanitra no Mpanome Lalàna Fara Tampony (Is 33:22), sy Mpanjaka manome fahefana. (Sl 73:28; Je 50:25; Lk 2:29; As 4:24; Ap 6:10) Alalana avy aminy ihany àry no ahafahana mampihatra fahefana. (Ro 13:1; Da 4:35; As 17:24-31) Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany. (Sl 97:1, 2) Lalàna ho an’ny zavaboariny àry ny sitrapony.​—Jereo ADY ANY AMIN’NY FITSARANA.

Lalàna ho an’ny anjely. Ambony noho ny olombelona ny anjely, nefa mankatò ny lalàna sy didin’Andriamanitra. (He 1:7, 14; Sl 104:4) Na i Satana aza tsy maintsy nanaiky ny tenin’i Jehovah. (Jb 1:12; 2:6) Niaiky i Mikaela arkanjely fa i Jehovah no Mpitsara Fara Tampony. Nanaja ny fahefan’i Jehovah koa izy, matoa nilaza toy izao tamin’ny Devoly nifanditra taminy: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah!” (Jd 9; ampit. Za 3:2.) Nataon’i Jehovah Andriamanitra ho eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra ny anjely rehetra. (He 1:6; 1Pe 3:22; Mt 13:41; 25:31; Fi 2:9-11) Nankatò ny baikon’i Jesosy àry ilay anjely nirahiny nankany amin’i Jaona. (Ap 1:1) Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa voatendry hitsara anjely ireo Kristianina voahosotra. (1Ko 6:3) Anisan’ny hampihatra didim-pitsarana amin’ireo fanahy ratsy mantsy izy ireo.

Lalàna mifehy ny zavaboary. Milaza ny diksionera iray fa midika koa hoe “ny tsy fiovaovan’ny natiora” ny hoe “lalàna.” Nanao lalàna mifehy ny zavaboary i Jehovah, satria izy no Mpamorona ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. (As 4:24; Ap 4:11) Nanao ‘fitsipika’ momba ny ranomasina, ohatra, izy. (Jb 38:10) ‘Mibaiko ny maraina’ koa izy. (Jb 38:12) Nanao ny antokon-kintana sy ny “lalàn’ny lanitra” izy. (Jb 38:31-33) Mibaiko ny hazavana, lanezy, havandra, rahona, orana, ando, ary tselatra koa izy. (Jb 38) Mikarakara ny biby Andriamanitra, ary ny fitsipika napetrany no mifehy ny fahaterahan’ny biby sy ny tsingerim-piainany ary ny fahazarany. (Jb 39-41) Tsy mitombina àry ny filazan’ny mpino ny evolisiona hoe miova miandalana arakaraka ny toerana misy azy ny biby. Raha vao namorona Andriamanitra, dia efa nanisy lalàna hoe miteraka “araka ny karazany avy” ny zavaboary, fa tsy hoe mivoatra miandalana. (Ge 1:11, 12, 21, 24, 25) Ny olona koa niteraka zanaka “nisy itovizana taminy, araka ny endriny.” (Ge 5:3) Voasoratra ‘ao amin’ny bokin’i Jehovah’ mantsy ny faritra rehetra amin’izay ho vatan’ny zaza mitombo ao an-kibo. (Sl 139:13-16) Milaza ny Joba 26:7 fa ‘manantona ny tany eo amin’ny tsy misy’ i Jehovah. Manazava ny mpahay siansa fa misy lalàna fizika roa mihazona ny tany, dia ny hery misintona sy ny hery mifanohitra amin’io.

Lalàna ho an’i Adama. Nodidian’Andriamanitra i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena mba 1) hameno ny tany, 2) hanjaka amin’ny tany, ary 3) hampanaiky ny zavamananaina rehetra eto an-tany sy any an-dranomasina ary eny amin’ny rivotra. (Ge 1:28) Nomeny lalàna koa izy ireo hoe azo hanina ny zavamaniry misy voany sy ny voankazo. (Ge 1:29; 2:16) Tsy navelany hihinana amin’ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy anefa i Adama (Ge 2:17), ary nolazaina tamin’i Eva koa izany. (Ge 3:2, 3) Nandika lalàna anefa i Adama, ka nolazaina hoe nanota sy nanao heloka.​—Ro 5:14, 17; 4:15.

Lalàna ho an’i Noa sy ireo loham-pianakaviana fahiny. Nasaina nanamboatra sambofiara hiarovana ny fianakaviany i Noa. (Ge 6:22) Nomena lalàna koa izy taorian’ny Safodrano hoe azo atao ny mihinan-kena, tsy azo atao ny mihinan-dra sy mamono olona, ary hovonoina ho faty izay mamono olona. Nilazana koa izy fa masina ny aina ka masina ny ra satria misy aina.​—Ge 9:3-6.

Mpitondra koa ny loham-pianakaviana fahiny. I Jehovah no Loham-pianakaviana ambony indrindra, “ny Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.” (Ef 3:14, 15) Loham-pianakaviana niavaka i Noa, Abrahama, Isaka, ary Jakoba, ary niavaka koa ny fifandraisan’i Jehovah taminy. Nasaina noforan’i Abrahama ny lahy rehetra tao amin’ny ankohonany, ho famantarana fa nanao fifanekena taminy Andriamanitra. (Ge 17:11, 12) Nankatò ny ‘didin’i Jehovah sy ny fitsipiny ary ny lalàny’ izy. Fantany hoe inona no marina sy mahitsy amin’i Jehovah, ka nasainy nanao izany koa ny ankohonany.​—Ge 26:4, 5; 18:19.

Nisy itovizana tamin’ny lalàna nifehy an’ireo loham-pianakaviana ny lalàn’ireo firenena tamin’izany. Avy tamin’izy telo lahy zanak’i Noa mantsy ireo firenena ireo. Fantatr’i Farao mpanjakan’i Ejipta sy ireo mpanjakan’ny Filistinina, ohatra, fa ratsy ny maka vadin’olona. Naveriny tamin’ny vadiny avy àry i Saraha sy Rebeka.​—Ge 12:14-20; 20:2-6; 26:7-11.

Nankany Ejipta an-tsitrapo ny Israelita, tamin’ny andron’i Jakoba. Lasa andevo tany anefa izy ireo tamin’ny andron’i Mosesy, rehefa maty i Josefa praiminisitra zanak’i Jakoba. Azo navotana ny andevo, ary nanana zo manokana ny lahimatoa, araka ny lalàna ho an’ny loham-pianakaviana. Hoy àry i Jehovah tamin’i Farao: “Zanako ny Israely, zanako lahimatoa. Koa hoy aho aminao: Alefaso ny zanako hanompo ahy. Fa raha mandà tsy handefa azy ianao, dia hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa.” (Ek 4:22, 23) Tsy nila nandoa vidim-panavotana Andriamanitra, ary tsy nandoa izany tamin’i Ejipta izy. “Nataon’i Jehovah nahazo sitraka tamin’ny Ejipsianina” kosa ny Israelita rehefa nandao an’ireo nanandevo azy, “ka nomen’ireo azy izay nangatahiny. Koa nataon’ny vahoaka fongana ny fananan’ny Ejipsianina.” (Ek 3:21; 12:36) Nahazo alalana tamin’i Farao mantsy izy ireo rehefa niditra voalohany tany Ejipta, satria tsy babo an’ady izy ireo na namidy fa olona afaka. Tsy ara-drariny àry ny nanandevozana azy ireo, ka nataon’i Jehovah izay hahazoany karama noho ny asa mafy nataony.

Raha nandika lalàna ny olona iray, dia ny fianakaviany manontolo no tompon’andraikitra. Ny loham-pianakaviana àry no nahazo tsiny, satria izy no solontenan’ilay fianakaviana. Izy koa no tokony hanasazy an’ilay nanao ratsy.​—Ge 31:30-32.

Fanambadiana sy zon’ny lahimatoa. Ny ray aman-dreny no nitady vady ho an’ny zanany. (Ge 24:1-4) Fanao ny nanome vodiondry. (Ge 34:11, 12) Izay nanambady mpanompo sampy dia tsy nankatò an’i Jehovah sady nitondra fahavoazana ho an’ny fianakaviany.​—Ge 26:34, 35; 27:46; 28:1, 6-9.

Ny lahy teraka voalohany no nahazo ny zon’ny lahimatoa, ka avo roa heny ny anjara lovany. Azon’ny raim-pianakaviana nomena ny zanany hafa anefa io zo io. (Ge 48:22; 1Ta 5:1) Rehefa maty ny loham-pianakaviana fahiny, dia ny lahimatoany no nisolo azy. Mety ho loham-pianakaviana koa anefa ny zanakalahy hafa, raha nanambady ka nitokan-trano.

Fitondran-tena. Afa-baraka izay nijangajanga, indrindra raha efa fofombadin’olona izy na manambady. Nosazina koa izy. (Ge 38:24-26; 34:7) Raha maty tsy nitera-dahy ny lehilahy iray, dia tokony hampakatra ny vady navelany ny rahalahiny ka hitondra loloha azy. Ny lahimatoan’izy ireo no handova ny maty sy hitondra ny anarany.​—De 25:5, 6; Ge 38:6-26.

Fananana. Toa tsy nisy olona nanana fananana manokana, afa-tsy zavatra vitsivitsy monja, fa an’ny fianakaviana manontolo ny biby fiompy rehetra sy ny fanaka ary ny fitaovana tao an-trano.​—Ge 31:14-16.

Nilaza ny manam-pahaizana sasany nandinika porofo ara-tantara fa rehefa hividy tany ny olona iray, dia nasaina nojereny aloha ilay izy, ary naseho azy ny fetra namaritra azy io. Araka ny lalàna, dia nanaiky hividy izy rehefa niteny hoe “hitako.” Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa homeny azy ny tany Kanana. Nasainy nitazana azy io aloha izy, ka nijery nianavaratra sy nianatsimo sy niantsinanana ary niankandrefana. Tsy nilaza anefa i Abrahama hoe “hitako”, angamba satria efa nilazana izy fa ny taranany no homena an’ilay Tany Nampanantenaina. (Ge 13:14, 15) I Mosesy no solontenan’ny firenen’Israely, ka nasaina ‘nijery’ an’ilay tany izy. Lasan’ny Israely tamin’ny fomba ara-dalàna àry ilay izy rehefa ‘hitan’i Mosesy’, raha marina ilay fanazavana teo aloha. Haka an’ilay tany tokoa izy ireo, ary i Josoa no hitarika azy. (De 3:27, 28; 34:4; diniho koa ny zavatra natolotr’i Satana an’i Jesosy; Mt 4:8.) Lasan’ny olona iray tamin’ny fomba ara-dalàna koa ny tany iray, rehefa nitety azy io izy na niditra teo mba haka azy io. (Ge 13:17; 28:13) Fanao koa indraindray ny nanoratra ny isan’ny hazo rehetra teo amin’ilay tany namidy.​—Ampit. Ge 23:17, 18.

Zavatra napetraka tamin’olona. Tompon’andraikitra teo anatrehan’ny lalàna ny olona nampanantena fa “hiambina” olona na biby na zavatra. (Ge 30:31) I Robena lahimatoan’i Jakoba, ohatra, no tompon’andraikitra, rehefa tsy hita i Josefa. (Ge 37:21, 22, 29, 30) Tokony hikarakara an’izay napetraka taminy ilay olona. Izay biby nangalarina tao aminy no honerany, fa tsy izay maty ho azy na norobain’ny mpangalatra nitam-piadiana. Raha novonoin’ny bibidia kosa ilay biby, dia tokony hoentiny ny fatin’ilay izy mba ho porofo.​—Ge 37:12-30, 32, 33; Ek 22:10-13.

Mpanompo. Olona novidina na zanaka mpanompo no lasa mpanompo. (Ge 17:12, 27) Nety ho nanana toerana ambony tao amin’ny fianakaviana iray ny mpanompo. Toy izany, ohatra, i Eliezera mpanompon’i Abrahama.​—Ge 15:2; 24:1-4.

Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely: Ny Lalàn’i Mosesy. Nomen’i Jehovah ny Israely ny Lalàna, tamin’ny 1513 T.K., ary i Mosesy no mpanelanelana. Nampiseho ny heriny tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny Tendrombohitra Horeba, tany an-tany efitr’i Sinay, i Jehovah tamin’izay. (Ek 19:16-19; 20:18-21; He 12:18-21, 25, 26) Nampanan-kery an’ilay fifanekena ny ran’ombilahy sy ran’osy. Nanolotra fanatitra iombonana ny vahoaka. Novakina taminy ny bokin’ny fifanekena avy eo, ary nilaza izy ireo fa hankatò an’izay rehetra nolazain’i Jehovah. Maro tamin’ny lalàna ho an’ireo loham-pianakaviana fahiny no nampidirina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy.​—Ek 24:3-8; He 9:15-21; jereo FIFANEKENA.

Matetika no antsoina hoe ny Lalàna ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly (Genesisy–Deoteronomia). Indraindray koa ny Soratra Hebreo manontolo no antsoina hoe ny Lalàna. Matetika anefa no nozarain’ny Jiosy ho telo ny Soratra Hebreo: Ny “lalàn’i Mosesy” sy ny “Mpaminany” ary ny “Salamo.” (Lk 24:44) Tsy maintsy nankatoavin’ny Israely ny didy nampitain’ny mpaminany.

I Jehovah no Mpanjaka Fara Tampony, raha ny Lalàna no jerena. Andriamanitra sady Mpanjakan’ny Israely izy. Nanota tamin’Andriamanitra sy nahavita heloka tamin’ny Mpanjaka àry ireo tsy nankatò ny Lalàna. Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” i Davida sy Solomona ary ireo mpanjakan’ny Joda nandimby azy. (1Ta 29:23) Tsy maintsy nankatò ny Lalàna anefa ireo mpanjaka sy mpitondra teo amin’ny Israely. Nandika lalàna àry izy ireo ka nampamoahin’Andriamanitra, rehefa nanao fitondrana jadona. (1Sa 15:22, 23) Tsy afaka ny ho mpisorona ny mpanjaka, sao ho lasany daholo ny fahefana rehetra ka hanjary ho mpitondra tsy refesi-mandidy izy. Nampahatsiahy ny Israelita koa izany fa i Jehovah no Andriamaniny sy tena Mpanjakany. Nofaritan’ny Lalàna ny fomba tokony hifandraisan’ny Israelita tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olon-kafa. Afaka nanatona an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpisorona ny Israelita tsirairay.

Afaka ny ho tonga ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina’ ny Israelita, noho ny Lalàna. (Ek 19:5, 6) “Rindrina” nampisaraka tanteraka ny Israely tamin’ny firenen-kafa mantsy ny Lalàna, izay nitaky ny hanompoan’izy ireo an’i Jehovah irery ihany, sy hifadiany ny firaisam-pinoana, sy hanarahany ny fivavahana madio, ary hifadiany sakafo sasany. (Ef 2:14) Lasa naloto ny Jiosy iray, raha niditra tao amin’ny trano na tranolain’ny hafa firenena na koa niara-nihinana taminy. Noheverin’ny Jiosy ho nandoto azy na dia ny fidirana tao amin’ny tranon’ny hafa firenena fotsiny aza, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Jn 18:28; As 10:28) Notakin’ny Lalàna ny hanajana ny fahamasinan’ny aina, ny hitandrovana ny hasin’ny fianakaviana sy ny fanambadiana, ary ny hanajana ny maha olona ny olona. Nahasalama ny Israelita sy niaro azy tsy ho voan’ireo aretina mpahazo ny firenena nanodidina azy koa ny fanarahana ny Lalàna. Tena nahasoa azy àry ny lalàna momba ny sakafo sy ny fitondran-tena ary ny fahadiovan’ny vatana.

Inona anefa no tena anton’ny Lalàna? Ny “hampiharihariana ny fandikan-dalàna, mandra-pahatongan’ilay taranaka”, hoy ny apostoly Paoly. ‘Mpitaiza nitarika ho amin’i Kristy’ izy io, ka nanampy an’ireo Jiosy hino an’i Kristy (“Kristy no faran’ny Lalàna”). Nasehon’izy io fa mpanota ny olona rehetra, anisan’izany ny Jiosy, ka tsy hahazo fiainana raha noho ny “asan’ny lalàna” fotsiny. (Ga 3:19-24; Ro 3:20; 10:4) “Avy amin’Andriamanitra” ny Lalàna, ary “masina.” (Ro 7:12, 14) “Lalàna misy didy maro” koa izy io. (Ef 2:15) Azo lazaina hoe lavorary ka mendrika ny hahazo fiainana izay mahatandrina azy io. (Le 18:5; Ga 3:12) Tsy nahatandrina azy io anefa ny olona tsy lavorary. Hita àry fa “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Ro 3:23) I Jesosy Kristy ihany no nahatandrina azy io tanteraka.​—Jn 8:46; He 7:26.

“Aloky ny zavatra tsara ho avy” koa ny Lalàna, ary ‘tandindona’ ireo zavatra sasany notakin’izy io. Tsy mahagaga raha niresaka matetika momba ny Lalàna i Jesosy sy ireo apostoly, mba hanazavana momba ny zavatra any an-danitra sy momba ny foto-pinoan’ny Kristianina sy ny fitondran-tenany. Tena ilain’ny Kristianina àry ny mianatra momba ny Lalàna.​—He 10:1; 9:23.

Nilaza i Jesosy fa didy roa no fototry ny Lalàna manontolo, dia ny ho tia an’Andriamanitra sy ny ho tia namana. (Mt 22:35-40) Mahaliana fa miverina in-20 mahery ny teny hebreo nadika hoe ‘tia’, ao amin’ny Deoteronomia. Novana kely ny Lalàna ao, mba hifanaraka amin’ny fiainan’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina.

Ny Teny Folo (Ek 34:28) na Didy Folo no votoatin’ny Lalàna, nefa nisy lalàna hafa 600 teo ho eo koa. Samy navesa-danja izy rehetra ka tokony hankatoavin’ny Israelita. (Jk 2:10) Ireto avy ny Didy Folo: Ny efatra voalohany momba ny fomba tokony hifandraisana amin’Andriamanitra, ny fahadimy momba ny fifandraisana aminy sy amin’ny ray aman-dreny, ary ny dimy farany momba ny fifandraisana amin’olon-kafa satria mandrara ny vonoan’olona, fanitsakitsaham-bady, halatra, fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary fitsiriritana na faniriana feno fitiavan-tena. Toa milahatra manomboka amin’izay mitondra fahavoazana lehibe indrindra izy ireo. Mandrara ny faniriana feno fitiavan-tena ny didy fahafolo. Tsy misy lalàn’olombelona afaka mitaha amin’izy io. Andriamanitra ihany mantsy no afaka mahita hoe iza no mandika azy io. Asehon’izy io koa fa izany faniriana izany no mahatonga ny olona handika ny lalàna hafa rehetra.​—Ek 20:2-17; De 5:6-21; ampit. Ef 5:5; Kl 3:5; Jk 1:14, 15; 1Jn 2:15-17.

Misy toro lalana maro ao amin’ny Lalàna. Afaka namotopototra ireo mpitsara hoe nahoana ny olona iray no nandika lalàna, ary inona no toe-javatra nitranga tamin’izay. Nofantarin’izy ireo koa ny toe-tsain’ilay olona. Novonoina ho faty izay ninia nandika lalàna sy tsy nanaja an’i Jehovah ary tsy nibebaka. (No 15:30, 31) Nisy sazy maivana kokoa anefa. Namindrana fo, ohatra, izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy maintsy novonoina ho faty kosa ny mpamono olona. (No 35:15, 16) Mety ho novonoina ho faty ny tompon’ny omby zatra nanoto sy nahafaty olona, nefa mety ho nitakiana vidim-panavotana fotsiny koa. (Ek 21:29-32) Samy hafa ny sazy resahin’ny Eksodosy 22:7 sy Levitikosy 6:1-7, satria ny iray momba ny olona ninia nangalatra, fa ny iray kosa momba ny olona nanao ratsy nefa niaiky an-tsitrapo ny helony.

Lalàn’ny feon’ny fieritreretana. Resahin’ny Baiboly fa ilay ‘lalàna voasoratra ao am-pon’ny olona’ no lalàn’ny feon’ny fieritreretana. Misy olona tsy manana lalàna avy amin’Andriamanitra toy ny Lalàn’i Mosesy, nefa “efa lalàna ho an’ny tenany” izy, satria ny feon’ny fieritreretany no “miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Ro 2:14, 15) Ara-drariny ny lalàna maro noforonin’ny firenena mpanompo sampy, satria manaja ny feon’ny fieritreretana, izay nolovana tamin’i Adama ary avy eo tamin’i Noa.​—Jereo FEON’NY FIERITRERETANA.

Nilaza ny apostoly Paoly fa halemy ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray, raha tsy ampy fahalalana marina tsara izy. (1Ko 8:7) Mety hiasa tsara na tsia ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray, arakaraka ny fampiasany azy sy ny fahalalana ananany. (1Ti 1:5; He 5:14) Mety ho voaloto koa anefa ny feon’ny fieritreretana ka hamitaka. (Tit 1:15) Lasa donto kosa izy io ka tsy azo itokisana intsony, rehefa toherina foana.​—1Ti 4:1, 2.

“Lalàn’i Kristy.” Hoy i Paoly: “Mifampitondrà foana izay mavesatra, ary tanteraho amin’izany ny lalàn’i Kristy.” (Ga 6:2) Lasa “eo ambanin’ny lalàn’i Kristy” (1Ko 9:21) ny Kristianina, rehefa nifarana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Pentekosta taona 33 (“satria ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna”; Heb 7:12). Antsoina hoe “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana” sy “lalàn’ny olona afaka” ary “lalàn’ny finoana” ny lalàn’i Kristy. (Jk 1:25; 2:12; Ro 3:27) Efa nolazain’i Jeremia mpaminany fa hanome an’io lalàna vaovao io Andriamanitra ary hanoratra izany ao am-pon’ny olony, rehefa manao fifanekena vaovao izy.​—Je 31:31-34; He 8:6-13.

I Jesosy Kristy no Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao, toa an’i Mosesy izay mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. Nanoratra ny Lalàna i Mosesy, fa i Jesosy kosa tsy nanoratra lalàna na iray aza. Nataony tao an-tsaina sy tao am-pon’ny mpianany mantsy ny lalàny, tamin’izy nampianatra. Tsy nanoratra lalàna nisy sokajy sy fizarana samy hafa koa ny mpianany. Na izany aza, dia feno lalàna sy didy tokony hotandreman’ny Kristianina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Ap 14:12; 1Jn 5:2, 3; 4:21; 3:22-24; 2Jn 4-6; Jn 13:34, 35; 14:15; 15:14.

Nodidian’i Jesosy hitory ny vaovao tsaran’ny fanjakana ny mpianany. (Mt 10:1-42; Lk 9:1-6; 10:1-12) Nomen’i Jesosy didy vaovao kosa izy ireo ao amin’ny Matio 28:18-20, mba ho any amin’ny firenena rehetra, fa tsy ho any amin’ny Jiosy fotsiny, ka hanao mpianatra sy hanao batisa azy ‘amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina, ary hampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiany.’ Nahazo alalana tamin’Andriamanitra i Jesosy matoa nampianatra sy nanome didy, tamin’izy teto an-tany (As 1:1, 2) sy rehefa lasa any an-danitra. (As 9:5, 6; Ap 1:1-3) Misy faminaniana sy didy sy fananarana ary toromarika nomeny ho an’ny fiangonana kristianina, ohatra, ao amin’ny Apokalypsy.

Mahakasika ny Kristianina sy ny fiainany manontolo ary izay rehetra ataony ny “lalàn’i Kristy.” Afaka manaraka azy io ny Kristianina rehefa ampian’ny fanahin’Andriamanitra. Tsy homelohin’io lalàna io izy amin’izay, satria ‘ny lalàn’io fanahy io dia manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy.’​—Ro 8:2, 4.

“Lalàn’Andriamanitra.” Nohazavain’i Paoly fa misy ady ataon’ny Kristianina, satria misy lalàna roa mandrirotra azy: Ny “lalàn’Andriamanitra” (ny ‘lalàn’ny fanahy manome fiainana’), sy ny “lalàn’ny ota” (ny “lalàn’ny ota sy ny fahafatesana”). Andevozin’ny “lalàn’ny ota” mantsy ny nofo mpanota. “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana.” “Nanameloka ny ota ao amin’ny nofo” anefa “Andriamanitra ka naniraka ny Zanany izay nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota, mba hanesorana ny ota.” Afaka ny handresy àry ny Kristianina noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, raha mino an’i Kristy izy, mamono ny fanaon’ny nofo, ary manaraka ny fitarihan’ny fanahy. Hahazo fiainana koa izy amin’ny hoavy.​—Ro 7:21–8:13.

Lalàn’ny ota sy ny fahafatesana. Nilaza i Paoly fa “nanjaka” hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy (rehefa nomena ny Lalàna) “ny fahafatesana”, noho ny fahotan’i Adama razambentsika. Nampiharihary ny fandikan-dalàna koa ny Lalàna ka nampiseho fa meloka ny olombelona. (Ro 5:12-14; Ga 3:19) Manan-kery amin’ny olona tsy lavorary ny lalàn’ny ota, ka mahatonga azy handika ny lalàn’Andriamanitra. (Ro 7:23; Ge 8:21) Ny ota kosa mahatonga fahafatesana. (Ro 6:23; 1Ko 15:56) Tsy nahafoana ny fanjakan’ny ota sy ny fahafatesana anefa ny lalàn’i Mosesy. Ho afaka amin’ny ota sy handresy kosa ny Kristianina, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.​—Ro 5:20, 21; 6:14; 7:8, 9, 24, 25.

“Lalàn’ny finoana.” Ampifanoherina amin’ny “asan’ny lalàna” ny “lalàn’ny finoana.” Tsy izay ataon’ny olona na ny fanarahany ny Lalàn’i Mosesy no hahatonga azy ho olo-marina, satria tsy toy ny karama izany. Izay mino an’i Jesosy Kristy kosa no ambara hoe olo-marina. (Ro 3:27, 28; 4:4, 5; 9:30-32) Nilaza anefa i Jakoba fa amin’izay ataony no anehoan’ny olo-marina ny finoany, ary mifanaraka amin’ny finoany ny zavatra ataony.​—Jk 2:17-26.

Lalàn’ny vady. Eo ambanin’ny “lalàn’ny vadiny” ny vehivavy manambady. (Ro 7:2; 1Ko 7:39) Ny lahy foana no lohan’ny vavy, eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra manontolo. Manaja izany ny mpanompon’Andriamanitra sy ny firenena maro. Andriamanitra no vadin’i “Jerosalema any ambony”, ilay “vehivavy” any an-danitra. (Ga 4:26, 31; Ap 12:1, 4-6, 13-17) Toy ny hoe vadin’i Jehovah koa ny firenena jiosy fahiny, izay fandaminany teto an-tany.​—Is 54:5, 6; Je 31:32.

Ny lehilahy no loham-pianakaviana teo amin’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, ka nanaiky azy ny vadiny na dia afaka nanao soso-kevitra ihany aza. (Ge 21:8-14) Nantsoin’i Saraha hoe ‘tompony’ i Abrahama. (Ge 18:12; 1Pe 3:5, 6) Nanao saron-doha ny vehivavy, ho mariky ny fanekeny ny vadiny.​—Ge 24:65; 1Ko 11:5.

Teo ambany fahefan’ny vadiny ny vehivavy, araka ny Lalàn’i Mosesy. Afaka nanafoana na nampanan-kery ny voady nataony, ohatra, ny vadiny. (No 30:6-16) Tsy nahazo tany ho lova ny vehivavy. Raha nisy havana mpanavotra nividy an’ilay lova anefa, dia lasa vadiny koa ilay vehivavy. (Rt 4:5, 9-11) Tsy nahazo nisaraka tamin’ny vadiny ny vehivavy, fa ny lehilahy kosa nanan-jo hisaraka taminy.​—De 24:1-4.

Tokony hanaja ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy kristianina, fa tsy hifaninana aminy. Nilaza i Paoly fa eo ambanin’ny lalàn’ny vadiny ny vehivavy, raha mbola velona koa ny vadiny. Afaka amin’ilay lalàna anefa izy raha maty ny vadiny, ka tsy manitsakitsa-bady raha manambady indray.​—Ro 7:2, 3; 1Ko 7:39.

“Mpanjakan’ny lalàna.” Izao izy io: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Jk 2:8) Mitana toerana ambony ny mpanjaka. Tena ambony koa ny “mpanjakan’ny lalàna”, raha oharina amin’ny lalàna hafa momba ny fifandraisana amin’ny olona. Ny fitiavana mantsy no votoatin’ny Lalàna. Didy roa no fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany, ka mitovy amin’ny mpanjakan’ny lalàna ihany ilay faharoa. (Mt 22:37-40) Tsy eo ambanin’ny Lalàna ny Kristianina, kanefa manaiky ny lalàn’i Jehovah Mpanjaka sy Jesosy Kristy Mpanjaka.

[Efajoro, pejy 222-223]

LAFINY MISONGADINA AMIN’NY LALÀNA

FITONDRAN’ANDRIAMANITRA

I Jehovah Andriamanitra no Mpanjaka Fara Tampony (Ek 19:5; 1Sa 12:12; Is 33:22)

Nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” ny mpanjaka, ka nisolo tena azy (1Ta 29:23; De 17:14, 15)

Olona natahotra an’Andriamanitra sy azo nitokisana ary tsy tia kolikoly no nofidina ho mpiadidy teo amin’ny foko, lehiben’ny 1000, lehiben’ny 100, lehiben’ny 50, ary lehiben’ny 10 (Ek 18:21, 25; No 1:44)

Tokony hohajaina izay rehetra nomen’Andriamanitra fahefana: Mpiadidy, mpisorona, mpitsara, ray aman-dreny (Ek 20:12; 22:28; De 17:8-13)

ADIDY ARA-PIVAVAHANA

(Voafintina amin’izao didy lehibe indrindra izao izany: Tiavo i Jehovah amin’ny fo sy saina sy tena ary hery manontolo; De 6:5; 10:12; Mr 12:30)

I Jehovah ihany no tokony hotompoina (Ek 20:3; 22:20; De 5:7)

Tokony hatosiky ny fitiavana izay te hifandray aminy (De 6:5, 6; 10:12; 30:16)

Tokony hatahotra azy ny rehetra ka hankatò azy (Ek 20:20; De 5:29)

Tsy tokony hatao tsinontsinona ny anarany (Ek 20:7; De 5:11)

Araka izay fomba tiany ihany no azo nanatonana azy (No 3:10; Le 10:1-3; 16:1)

Tsy maintsy nitandrina ny Sabata ny rehetra (Ek 20:8-11; 31:12-17)

Fivoriana (De 31:10-13)

Tsy maintsy nivory intelo isan-taona ny lehilahy rehetra: Paska sy Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, Fetin’ireo Herinandro, ary Fetin’ny Trano Rantsankazo (De 16:16; Le 23:1-43)

‘Naringana’ izay ninia tsy nitandrina ny Paska (No 9:13)

Fanohanana ny mpisorona

Nomen’ny foko hafa ho an’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny tany (No 18:21-24)

Nalain’ny Levita ny tsara indrindra tamin’izay azony na ny ampahafolony ka nomeny ny mpisorona (No 18:25-29)

Fanaovana sorona (He 8:3-5; 10:5-10)

Fanatitra notakin’ny Lalàna: Fanatitra dorana tsy tapaka (Le 1; No 28), fanatitra iombonana (Le 3; 19:5), fanatitra noho ny ota (Le 4; No 15:22-29), fanatitra noho ny heloka (Le 5:1–6:7), fanatitra varimbazaha (Le 2), fanatitra zava-pisotro (No 15:5, 10), fanatitra ahetsiketsika (Le 23:10, 11, 15-17)

Voarara ny nanaraka fivavahan-diso

Nanompo sampy (Ek 20:4-6; De 5:8-10)

Nandidididy vatana rehefa nisy maty na nanisy tombokavatsa tamin’ny vatana (Le 19:28)

Namboly hazo hatao tsato-kazo masina (De 16:21)

Nitondra tao an-trano zava-maharikoriko voatokana haringana (De 7:26)

Nitaona olona hikomy tamin’i Jehovah (De 13:5)

Nitaona olona hanompo andriamani-kafa (De 13:6-10; 17:2-7)

Nanompo andriamani-kafa (De 13:12-16)

Nanokana ny zanany ho an’ny sampy (Le 18:21, 29)

Nampiasa herin’ny maizina, nilalao ody (Ek 22:18; Le 20:27; De 18:9-14)

ANDRAIKITRY NY MPISORONA

(Nampian’ny Levita hiantsoroka ny andraikiny ny mpisorona; No 3:5-10)

Nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra (De 33:8, 10; Ml 2:7)

Nitsara, nampihatra ny Lalàn’Andriamanitra (De 17:8, 9; 19:16, 17)

Nanao sorona noho ny fahotan’ny vahoaka (Le 1-7)

Nampiasa ny Orima sy Tomima, rehefa nanontany an’Andriamanitra (Ek 28:30; No 27:18-21)

FIANGONAN’ISRAELY

Tsy ny Israelita ihany no afaka ny ho anisan’ny fiangonan’Israely

Afaka nanompo an’Andriamanitra koa ny hafa firenena rehefa noforana

Tsy maintsy nankatò ny Lalàna ireny vahiny ireny (Le 24:22)

Tsy nahazo niditra ho anisan’ny fiangonan’Israely

Lehilahy torotoro vihy na nesorina ny filahiany (De 23:1)

Zazasary hatramin’ny “taranany fahafolo” (De 23:2)

Amonita na Moabita (azo inoana fa ny lehilahy) nandritra ny fotoana tsy voafetra, satria tsy noraisiny tsara ny Israelita fa notoheriny rehefa nafahana avy tany Ejipta (De 23:3-6)

Nahazo niditra kosa ny ‘zafiafin’ny’ Ejipsianina (De 23:7, 8)

FITSARANA

(Nasongadin’ireo lalàna momba ny fitsarana fa tia rariny sy mamindra fo i Jehovah. Afaka namindra fo koa ny mpitsara, arakaraka ny toe-javatra. Nadio ny fitondran-tenan’ilay firenena sy ny fivavahany, noho ireny lalàna ireny. Voaro koa ny zon’ny tsirairay)

Mpitsara

Mpisorona, mpanjaka, ary lehilahy hafa voatendry ho mpitsara (Ek 18:25, 26; De 16:18; 17:8, 9; 1Mp 3:6, 9-12; 2Ta 19:5)

Toy ny hoe nijoro teo anatrehan’i Jehovah ireo nijoro teo anatrehan’ny mpitsara (De 1:17; 19:16, 17)

Raharaha ara-pitsarana

Notsarain’ny mpitsara ny raharaha madinika (Ek 18:21, 22; De 25:1, 2; 2Ta 19:8-10)

Nampiakarina tany amin’ny fitsarana ambony ny raharaha tsy voalamin’ny mpitsara (Ek 18:25, 26; 1Mp 3:16, 28)

Raharaha lehibe na sarotra nentina tany amin’ny mpisorona:

Lehilahy saro-piaro tamin’ny vadiny, na nanitsakitsaka azy ravehivavy (No 5:12-15)

Vavolombelona niampanga olona ho nikomy (De 19:16, 17)

Nisy nahery setra na nandatsa-dra, na sarotra ny namoaka didy iray na tsy nekena ilay didy (De 17:8, 9; 21:5)

Fatin’olona hita tany an-tsaha, nefa tsy fantatra izay namono azy (De 21:1-9)

Vavolombelona

Tsy maintsy roa, fara fahakeliny (De 17:6; 19:15; ampit. Jn 8:17; 1Ti 5:19)

Ny tanan’ireo vavolombelona no voalohany hamely an’ilay nomelohina ho faty, mba tsy hisy ho maimaika hijoro ho vavolombelona mandainga (De 17:7)

Vavolombelona mandainga

Voarara ny nijoro ho vavolombelona mandainga (Ek 20:16; 23:1; De 5:20)

Ny sazy notetehiny hampiharina tamin’ilay nampangainy ihany no natao taminy (De 19:16-19)

Kolikoly, fitsarana miangatra

Voarara ny fanaovana kolikoly (Ek 23:8; De 27:25)

Voarara ny mamadika ny rariny (Ek 23:1, 2, 6, 7; Le 19:15, 35; De 16:19)

Rehefa nentina teo anatrehan’i Jehovah ny raharaha sarotra iray vao notanana ny voampanga (Le 24:11-16, 23; No 15:32-36)

Sazy

Kapoka, izay noferana ho 40 mba tsy ho lasa tsy misy vidiny ilay voasazy (De 25:1-3; ampit. 2Ko 11:24)

Notoraham-bato mba ho faty, avy eo nahantona ny fatiny satria voaozona izy (De 13:10; 21:22, 23)

Araka izay nataony ihany no natao taminy (Le 24:19, 20)

Nandoa onitra izay namela ny bibiny hanimba fananan’olona (Ek 22:5; 21:35, 36); nandrehitra afo nanimba fananan’olona (Ek 22:6); namono biby fiompin’ny olona (Le 24:18, 21; Ek 21:33, 34); sendra naka zavatra “masina”, toy ny ampahafolon-karena na sorona (Le 5:15, 16); namitaka olona momba ny zavatra nampiandraiketina azy na napetraka tany aminy na nangalariny na nahita zavatra very, ary nianiana lainga momba ireo zavatra ireo (Le 6:2-7; No 5:6-8)

Tanàna fialokalofana

Nahazo nandositra tany amin’izay akaiky indrindra ireo nahafaty olona tsy nahy (No 35:12-15; De 19:4, 5; Js 20:2-4)

Avy eo natao tao amin’ilay faritra nitrangan’ilay vonoan’olona ny fitsarana

Tsy maintsy nijanona tao amin’ny tanàna fialokalofana izay nahafaty olona tsy nahy, mandra-pahafatin’ny mpisoronabe (No 35:22-25; Js 20:5, 6)

Novonoina ho faty izay ninia namono olona (No 35:30, 31)

FANAMBADIANA, FIANAKAVIANA, FITONDRAN-TENA

(Nitandro ny hasin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny Lalàna)

I Jehovah no nanorina ny fanambadiana (Ge 2:18, 21-24)

Ny lehilahy no loham-pianakaviana nefa hataon’Andriamanitra ampamoaka izy ny amin’ny fomba itondrany ny vadiny (No 30:12; Ml 2:13-16)

Azo natao ny nanambady maro, nefa nisy fitsipika niaro ny zon’ny vehivavy sy ny zanany (De 21:15-17; Ek 21:10)

Tsy maintsy nalain’ny lehilahy ho vady ny zazavavy nadalainy (raha tsy noraran’ny rain-drazazavavy) (Ek 22:16, 17; De 22:28, 29)

Tsy maintsy nitondra loloha ny vady navelan’ny rahalahiny ny lehilahy, raha maty tsy nitera-dahy ny rahalahiny; nomen-tsiny izay lehilahy tsy nety nanao izany (De 25:5-10)

Voarara ny nanambady hafa firenena (Ek 34:12-16; De 7:1-4), nefa azo natao ny nanambady vehivavy azo babo (De 21:10-14)

Tsy nahazo nanambady lehilahy tsy anisan’ny fokony ny vehivavy nandova tany (No 36:6-9)

Fisaraham-panambadiana

Ny lehilahy ihany no nahazo nisaraka tamin’ny vadiny (izay nahitany zavatra manafintohina); tokony homeny taratasy fisaraham-panambadiana ravehivavy (De 24:1-4)

Tsy azon’ny lehilahy nisarahana ny vehivavy efa nadalainy sy lasa vadiny (De 22:28, 29)

Tsy azon’ny lehilahy natao ny nanambady indray ny vadiny taloha efa nisarahany sy efa nanambady fanindroany, raha maty na nisaraka tamin-dravehivavy ilay vadiny faharoa (De 24:1-4)

Novonoina ho faty ny lehilahy nanitsakitsa-bady sy ilay vehivavy nanaovany firaisana (Ek 20:14; De 22:22)

Firaisana amin’olom-pady

Tsy azon’ny lehilahy israelita nalaina ho vady ny: Reniny, renikeliny na vadin-drainy (Le 18:7, 8; 20:11; De 22:30; 27:20); anabaviny na zanakavavin-drainy na zanakavavin-dreniny (Le 18:9, 11; 20:17; De 27:22); zafikeliny (Le 18:10); rahavavin-dreniny na anabavin-drainy (Le 18:12, 13; 20:19); vadin’ny dadatoany (na avy amin’ny rainy na avy amin’ny reniny) (Le 18:14; 20:20); vinantovaviny (Le 18:15; 20:12); zanany vavy, zana-badiny, zanakavavin’ny zana-badiny, rafozambaviny (Le 18:17; 20:14; De 27:23); vadin-drahalahiny (Le 18:16; 20:21) afa-tsy rehefa nitondra loloha azy izy (De 25:5, 6); rahavavim-badiny raha mbola velona koa ny vadiny (Le 18:18)

Tsy azon’ny vehivavy israelita nekena ho vady ny: Zanany lahy na zanakalahin’ny vadiny (Le 18:7, 8; 20:11; De 22:30; 27:20); anadahiny na zanakalahin-drainy na zanakalahin-dreniny (Le 18:9, 11; 20:17; De 27:22); dadabeny (Le 18:10); zanakalahin’ny anadahiny na rahavaviny (Le 18:12, 13; 20:19); zanakalahin’ny zaodahiny na zaobaviny (Le 18:14; 20:20); rafozandahiny (Le 18:15; 20:12); rainy, raikeliny, raikelin’ny reniny, raikelin’ny rainy, vinantolahiny (Le 18:7, 17; 20:14; De 27:23); rahalahim-badiny (Le 18:16; 20:21), afa-tsy rehefa hitondra loloha azy (De 25:5, 6); vadin’ny rahavaviny raha mbola velona koa ny rahavaviny (Le 18:18)

Sazy: Novonoina ho faty (Le 18:29; 20:11, 12, 14, 17, 20, 21)

Fanaovana firaisana rehefa tonga fotoana

Novonoina ho faty izay lehilahy sy vehivavy ninia nanao firaisana nefa tonga fotoana ilay vehivavy (Le 18:19; 20:18)

Naloto fito andro ny lehilahy sendra nanao firaisana tamin’ny vadiny naloto toy izany (angamba ny andro voalohan’ny fadimbolany) (Le 15:19-24)

Fifandraisan’ny ray aman-dreny sy zanaka

Tokony hampianatra ny zanany ny Lalàn’Andriamanitra ny ray aman-dreny (indrindra fa ny ray) (De 6:6-9, 20-25; 11:18-21; Is 38:19)

Tokony hanaja ray aman-dreny ny ankizy (Ek 20:12; 21:15, 17; Le 19:3; De 5:16; 21:18-21; 27:16)

Tsy nahazo nanao akanjon-dehilahy ny vehivavy, ary tsy nahazo nanao akanjom-behivavy ny lehilahy (sao nikendry hanao fitondran-tena maloto) (De 22:5)

Nomelohina ho faty ny lehilahy nanao firaisana tamin-dehilahy (Le 18:22; 20:13)

Novonoina ho faty izay nanao firaisana tamin’ny biby, ary novonoina koa ilay biby (Ek 22:19; Le 18:23, 29; 20:15, 16; De 27:21)

Notapahina ny tanan’ny vehivavy nandray ny filahian’ny lehilahy niady tamin’ny vadiny, fa tsy nampiharina ny Deoteronomia 19:21 ka tsy nosimbana ny taovam-pananahan-dravehivavy satria nanan-jo hiteraka aminy ny vadiny (De 25:11, 12)

RAHARAHAM-BAROTRA

(Tokony hanao ny marina ireo nanao raharaham-barotra, ary tokony hohajaina ny fananan’ny hafa)

Fananan-tany

Nozaraina araka ny fianakaviana ny tany (No 33:54; 36:2)

Tsy natao varo-maty ny tany, fa niverina tamin’ny tompony rehefa Jobily; arakaraka ny isan’ny fiakaran’ny vokatra mandra-pahatongan’ny Jobily no nanombanana ny vidiny (Le 25:15, 16, 23-28)

Ny havana akaiky indrindra no nanan-jo hividy ny tany namidy (Je 32:7-12)

Tsy nanan-jo haka sy hampiasa ny anjara lovan’ny olona iray ny fanjakana, na dia hovidiny aza ilay izy (1Mp 21:2-4)

Tanàna sy kijana no anjaran’ny Levita

Tanàna 48 no nomena azy ireo, ka an’ny mpisorona ny 13 (No 35:2-5; Js 21:3-42)

Tsy azo namidy ny kijana nanodidina ny tanànan’ny Levita; an’ilay tanàna izy io fa tsy an’ny Levita (Le 25:34)

Tombam-bidin’ny ampahana lova nohamasinin’ny (natokan’ny) olona iray ho an’i Jehovah (ho an’ny toerana masina na hampiasain’ny mpisorona): Sekely volafotsy 50 ny tany ampy hamafazana vary orza eran’ny homera; nihena ny vidiny arakaraka ny taona tavela mandra-pahatongan’ny taon-jobily nanaraka (Le 27:16-18)

Raha tiany havotana ilay tany, dia hanome ny vidiny nanombanana azy izy, sady hampiany 20 isan-jato izany (Le 27:19)

Raha tsy navotany ilay izy fa namidiny, dia lasa fananan’ny mpisorona rehefa tonga ny Jobily satria masina teo anatrehan’i Jehovah (Le 27:20, 21)

Niverina tamin’ny tompony ny ampahana tany novidin’ny olona iray sy nohamasininy ho an’i Jehovah, rehefa tonga ny Jobily (Le 27:22-24)

Raha ‘natokan’ny’ olona iray ny fananany (nampiasaina tanteraka ho an’ny toerana masina na natokana haringana ny zavatra “voatokana”; Js 6:17; 7:1, 15; Ezk 44:29), dia tsy azony namidy na navotana intsony fa an’i Jehovah (Le 27:21, 28, 29)

Fanavotana fananana

Niverina tamin’ny tompony ny taniny rehefa tonga ny Jobily (afa-tsy izay voaresaka tetsy aloha) (Le 25:8-10, 15, 16, 24-28)

Nahazo nanavotra ny tranony tao an-tanànany foana ny Levita (Le 25:32, 33)

Taon-jobily: Nanomboka tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, tamin’ny taona faha-50-n’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ilay tany (Le 25:2, 8-19)

Lova

Nahazo anjaran’olon-droa ny lahimatoa (De 21:15-17)

Ny zanakavavy no nandova, raha tsy nitera-dahy ny lehilahy iray. (No 27:6-8) Ny lovan’izay tsy niteraka mihitsy dia lasan’ny rahalahiny, na ny rahalahin-drainy, na ny havany akaiky indrindra (No 27:9-11)

Refy, lanja

Notakin’i Jehovah ny fanaovana ny marina (Le 19:35, 36; De 25:13-15)

Naharikoriko azy ny fitaka (Oh 11:1)

Trosa

Nafoy ny trosan’ny Hebreo rehetra, isaky ny fito taona (De 15:1, 2)

Azo noterena handoa trosa ny hafa firenena (De 15:3)

Zavatra natao antoka

Tsy tokony hotazonina nandritra ny alina ny akanjon’ny olona iray nalaina ho antoka (Iny matetika no nentin’ny mahantra natory satria tsy nanana lambam-pandriana izy) (Ek 22:26, 27; De 24:12, 13)

Tsy azo natao ny niditra tao an-tranon’ilay olona mba haka ilay antoka, fa nandrasana teny ivelany izy hamoaka an’ilay izy (Tsy azo nidikidirana ny tranon’olona) (De 24:10, 11)

Tsy azo nalaina ho antoka ny vato fikosoham-bary, na ny vato amboniny fotsiny aza (sao tsy ho afaka hitoto koba hanaovana sakafo ho azy mianakavy ilay olona) (De 24:6)

LALÀNA MOMBA NY MIARAMILA

(Lalàna nifehy an’ireo Israelita nirahin’Andriamanitra hiady tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy nahazo nanao izay tiany fotsiny àry izy ireo, rehefa nanafika)

Ady

Adin’i Jehovah ihany no nataony (No 21:14; 2Ta 20:15)

Nohamasinina ny miaramila handeha hiady (1Sa 21:1-6; ampit. Le 15:16, 18)

Taonan’ny miaramila

Roapolo taona no ho miakatra (No 1:2, 3; 26:1-4)

Nilaza i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 288 [xii, 4]) fa tsy nanao miaramila intsony izay feno 50 taona

Ireo tsy nanao miaramila:

Levita (No 1:47-49; 2:33)

Lehilahy mbola tsy nitokana ny tranony, na mbola tsy nisantatra ny vokatra avy tamin’ny tanimboalobony (De 20:5, 6; ampit. Mpto 2:24; 3:12, 13)

Lehilahy mbola tsy nampakatra ny fofombadiny. Tsy nandeha niady herintaona izay lehilahy vao nampaka-bady (Nanan-jo hanana sy hahita ny mpandova azy izy) (De 20:7; 24:5)

Lehilahy kanosa (sao hanakivy ny miaramila hafa izy) (De 20:8; Mpts 7:3)

Tsy maintsy nadio ny toby (satria nohamasinina ireo miaramila hiady) (De 23:9-14)

Tsy nahazo nanaraka an’ireo miaramila ny vehivavy mba hanaovany firaisana; tsy nahazo nanao firaisana tamim-behivavy ny lehilahy nandritra ny ady. Nadio teo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pivavahana àry izy ireo (Le 15:16; 1Sa 21:5; 2Sa 11:6-11)

Voarara ny nametaveta vehivavy anisan’ny firenena fahavalo, satria fijangajangana izany; tsy azo natao ny nanambady vehivavy azo babo, raha tsy rehefa vita ny ady. Nadio teo amin’ny lafiny ara-pivavahana àry ny Israelita. Fampirisihana ny fahavalo hilavo lefona koa izany, satria azony antoka fa tsy hovetavetaina ny vehivavy tao an-tanànany (De 21:10-13)

Fanafihana tanànan’ny fahavalo

Tsy maintsy naringana daholo ny mponina tao amin’ny tanànan’ireo firenena fito (De 7:1) tany Kanana (De 20:15-17; Js 11:11-14; De 2:32-34; 3:1-7), sao hanimba ny fifandraisan’ny Israely tamin’i Jehovah Andriamanitra. Efa nahatratra ny fara tampony mantsy ny faharatsian’izy ireny (Ge 15:13-21)

Raha tsy an’ireo firenena fito ireo kosa ny tanàna iray, dia nolazaina taminy aloha izay fepetra tsy hisian’ny ady. (De 20:10, 15) Noterena hanao fanompoana ny mponina tao, raha nitolo-batana. Novonoina kosa ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy tsy virjiny rehetra raha tsy nitolo-batana ilay tanàna, ary nentina ho babo ny hafa. (De 20:11-14; ampit. No 31:7, 17, 18.) Rehefa maty ny lahy rehetra, dia tsy natahorana hikomy na hanambady vehivavy israelita. Tsy ho voatarika hivavaka tamin’ny sarin’ny filahiana koa ny Israelita na ho voan’ny aretina

Tsy azo nokapaina hampiasaina hanaovana fahirano ny hazo fihinam-boa (De 20:19, 20)

Nodorana ny kalesin’ady; notapahina ny hoza-tongotry ny soavaly ka tsy azo nentina niady intsony ireo soavaly, ary novonoina avy eo (Js 11:6)

LALÀNA MOMBA NY SAKAFO SY FAHADIOVANA

(Nampiavaka ny Israelita tamin’ny firenena mpanompo sampy izany, nitandro ny fahadiovany sy ny fahasalamany, ary nampahatsiahy azy fa tokony ho masina eo imason’Andriamanitra izy ireo; Le 19:2)

Fampiasana ra

Voarara ny fihinanan-dra. (Ge 9:4; Le 7:26; 17:12; De 12:23-25) Novonoina ho faty izay nihinan-dra (Le 7:27; 17:10)

Ao amin’ny ra ny aina (Le 17:11, 14)

Tsy maintsy nararaka tamin’ny tany sy nototofana vovoka ny ran’ny biby novonoina (Le 17:13; De 12:16)

Tsy azo nohanina ny henan’ny biby maty ho azy na efa maty (satria naloto sady tsy nalatsa-dra) (De 14:21)

Teo amin’ny alitara ihany no azo nampiasana ny ra mba handrakofam-pahotana; nampiasaina koa tamin’ny fombafomba fidiovana (Le 17:11, 12; De 12:27; No 19:1-9)

Fampiasana tavin-kena

Tsy azo nohanina ny tavin-kena, fa an’i Jehovah (Le 3:16, 17; 7:23, 24)

Novonoina ho faty izay nihinana tavin’ny biby natao fanatitra (Le 7:25)

Biby novonoina

Tsy maintsy nentina tao amin’ny tranolay masina ny biby fiompy tiana hovonoina tany an-tany efitra, avy eo natao sorona iombonana ary nohanina (Le 17:3-6)

Novonoina ho faty izay tsy nanao izany (Le 17:4, 8, 9)

Azo novonoina teo no ho eo ny bibidia madio nohazaina; nararaka tamin’ny tany ny rany (Le 17:13, 14)

Azon’ny olona tany amin’ny Tany Nampanantenaina novonoina tany amin’izay nisy azy ny biby madio tiany hohanina, raha lavitra ny toerana masina, nefa tsy maintsy nararaka tamin’ny tany ny ran’ilay biby (De 12:20-25)

Biby, trondro, bibikely azo nohanina:

Biby mandinika mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony (Le 11:2, 3; De 14:6)

Hazandrano misy vombony sy kirany (Le 11:9-12; De 14:9, 10)

Bibikely manana elatra sady mifanaretsaka, izay mandeha amin’ny tongotra efatra ary manana fe itsambikinana: Valala mpifindra monina, valala fihinana, angelinkary, ary valala hafa (Le 11:21, 22)

Biby, trondro, vorona, bibikely mifanaretsaka tsy azo nohanina:

Rameva, bitrom-bato, bitrodia, kisoa (Le 11:4-8; De 14:7, 8)

Trondro sy hazandrano tsy misy vombony sy kirany (Le 11:10)

Vorona sy biby manidina: Voromahery, hitsikitsika mpihinan-trondro, vaotoro mainty, papango mena, papango mainty, papango, goaika, aotirisy, vorondolo, varevaka, hitsikitsika lehibe, vorondolo kely, vorondolo lava sofina, gisa mpanidina, gisandrano, vaotoro, sakaizamboay, vanobe, vano, takodara, ramanavy, bibikely manana elatra sady mifanaretsaka ary mandeha amin’ny tongotra efatra. Tsy resahin’ny Baiboly hoe nahoana no “maloto” ny biby manidina sasany. Vorona mpihaza na mpihinana fatim-biby ny ankamaroany, nefa misy koa tsy toy izany (De 14:12-19; Le 11:13-20; jereo VORONA sy ny lahatsoratra momba ny vorona tsirairay)

Biby mifanaretsaka an-tanety: Voalavo mpihady tany, voalavo mpitsambikina, androngo, katsatsaka, androngobe, androngon-drano, androngom-pasika, tanalahy, biby mikisaka amin’ny kibony sy mandeha amin’ny tongotra efatra na amin’ny tongotra maro be (Le 11:29, 30, 42)

Biby maty ho azy na efa maty na noviravirain’ny bibidia (Le 17:15, 16; De 14:21; Ek 22:31)

Azo nohanina ny androtr’iny sy ny ampitson’iny ny biby natao fanatitra fanefana voady sy fanatitra an-tsitrapo ary sorona iombonana. Novonoina ho faty izay nihinana izany ny afakampitso. Nohanina androtr’iny ny sorona fisaorana fa tsy namelana mandra-maraina (ny ampitso). Nodorana izay sisa tsy lany tamin’ny sorona tamin’ny Paska (Le 7:16-18; 19:5-8; 22:29, 30; Ek 12:10)

Zavatra nandoto:

Fivoahan’ny tsirinaina

Tsy maintsy nandro ilay olona, ary naloto mandra-paharivan’ny andro (Le 15:16; De 23:10, 11)

Nosasana ny akanjo nilatsahan’ny tsirinaina, ary naloto mandra-paharivan’ny andro (Le 15:17)

Tsy maintsy nandro ny mpivady avy nanao firaisana, ary naloto mandra-paharivan’ny andro (Le 15:18)

Fiterahana

Naloto 7 andro niampy 33 andro ny vehivavy tera-dahy (naloto 7 andro aloha, toy ny rehefa tonga fotoana; naloto 33 andro avy eo satria tsy nahazo nikasika zava-masina toy ny fanatitra iombonana ary tsy nahazo niditra tao amin’ny toerana masina) (Le 12:2-4)

Raha tera-bavy kosa ilay vehivavy, dia naloto 14 andro niampy 66 andro (Le 12:5)

Fadimbolana (Le 12:2)

Naloto fito andro ny vehivavy tonga fotoana ara-dalàna; naloto koa izy nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny rany mihoatra noho ny mahazatra, niampy fito andro (Le 15:19, 25, 28)

Naloto izay rehetra nipetrahany na natoriany (Le 15:20)

Tsy maintsy nanasa akanjo sy nandro ny olona nikasika an-dravehivavy na ny fandrianany na izay nipetrahany, ary naloto mandra-paharivan’ny andro (Le 15:21-23)

Raha nankamin’ny lehilahy iray ny fahalotoany, dia naloto fito andro ilay lehilahy, ary naloto koa izay fandriana natoriany (Le 15:24)

Naloto ravehivavy isaky ny nandeha ra (Le 15:25)

Fiarovana tamin’ny aretina

Habokana sy aretina hafa

Ny mpisorona no nijery raha habokana ilay izy na tsia (Le 13:2)

Natokan-toerana fito andro ilay olona, ary nojerena indray; raha tsy nihombo ilay aretina, dia natokana fito andro indray izy (Le 13:4, 5, 21, 26); raha tsy nitatra intsony ilay aretina, dia nambara hoe madio izy (Le 13:6); habokana kosa ilay izy raha nitatra (Le 13:7, 8)

Raha boka ny olona iray, dia tsy maintsy norovitiny ny akanjony, navelany nisavoritaka ny volony, nosaronany ny volombavany teo ambonin’ny molony, ary niantsoantso izy hoe: “Maloto e! Maloto e!” Nipetraka tany ivelan’ny toby izy mandra-pahasitrany (Le 13:45, 46; No 5:2-4)

Tsiranoka mivoaka amin’ny filahiana (noho ny aretina) (Le 15:2, 3)

Naloto ny fandrianany na ny zavatra nipetrahany na natoriany (Le 15:4)

Naloto izay nikasika an’ilay lehilahy, na ny fandrianany, na izay nipetrahany; naloto koa izay olona nororany (Le 15:5-11)

Nopotehina izay fitaovana tanimanga nokasihin’ilay lehilahy, fa nosasana tamin’ny rano kosa ny fitaovana hazo (Le 15:12)

Naloto fito andro izy, taorian’ny nijanonan’ny tsiranoka (Le 15:13)

Nadio ny tobin’ny miaramila satria tany ivelan’ny toby ny toeram-pivoahana, ary nototofana ny diky (De 23:12, 13)

Fitsipika momba ny fatin’olona

Naloto fito andro izay nikasika faty, taolam-paty, na fasana (na dia tany an-tsaha aza). (No 19:11, 16) Novonoina ho faty izay tsy nety nidio (No 19:12, 13) (Jereo ny fomba fidiovana resahin’ny No 19:17-19)

Naloto izay olona tao amin’ny tranolay nisy olona maty na izay niditra tao; naloto koa ny fitaovana nisokatra rehetra tsy nisy sarony (No 19:14, 15)

Fitsipika momba ny fatim-biby

Naloto ny olona nitondra fatin’ny biby madio maty ho azy, na nikasika na nihinana an’ilay izy; naloto izay nikasika fatin’ny biby maloto. Tsy maintsy nidio izy (Le 11:8, 11, 24-31, 36, 39, 40; 17:15, 16)

Naloto ny fitoeran-javatra, fametrahana siny, lafaoro, akanjo, hoditra, ary lamba gony nokasihin’ny fatin’ny biby maloto (Le 11:32-35)

Zavatra azo babo tao amin’ny tanàna iray

Natao tao anaty afo izay rehetra nahatanty afo (metaly), ary nodiovina tamin’ny rano; nosasana kosa ny zavatra hafa (No 31:20, 22, 23)

ADIDY TAMIN’NY OLONA SY BIBY

(Hoy ny Lalàna: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”; Le 19:18. Nilaza i Jesosy fa io no didy lehibe indrindra faharoa ao amin’ny Lalàna; Mt 22:37-40)

Tamin’ny Israelita

Tokony hanehoana fitiavana; voarara ny mamono olona (Ek 20:13; Ro 13:9, 10)

Tsy tokony hamaly faty na hanao an-dolompo (Le 19:18)

Fiahiana ny mahantra (Ek 23:6; Le 25:35, 39-43)

Fiahiana ny mpitondratena sy kamboty (Ek 22:22-24; De 24:17-21; 27:19)

Fanajana fananan’olona

Voarara ny halatra; nanome onitra izay nangalatra (Ek 20:15; 22:1-4, 7)

Voarara ny nitsiriritra fananan’olona (Ek 20:17)

Fiahiana ny sembana

Tsy tokony haneso na hanozona marenina; tsy reny mantsy ilay izy ka tsy afaka miaro tena izy (Le 19:14)

Voaozona izay nanisy sakana teo anoloan’ny jamba na nahatonga azy ho diso lalana (Le 19:14; De 27:18)

Tamin’ny vahiny: Tsy tokony hampahorina izy ireo (Ek 22:21; 23:9; Le 19:33, 34; De 10:17-19; 24:14, 15, 17; 27:19)

Tamin’ny mpanompo

Nafahana ny mpanompo hebreo tamin’ny taona fahafito nanompoany na tamin’ny taon-jobily (izay iray tonga aloha). Nentina toy ny olona nokaramaina izy (Ek 21:2; De 15:12; Le 25:10)

Raha efa nanambady izy, dia niara-nafahana izy mivady (Ek 21:3)

Raha nomen’ny tompony vady (azo inoana fa hafa firenena) izy, dia izy irery no nafahana; raha niteraka taminy ravehivavy, dia nijanona ho fananan’ny tompony ravehivavy sy ny zanany (Ek 21:4)

Tokony homen’ny tompony fanomezana araka izay nananany ny mpanompo hebreo nafahany (De 15:13-15)

Azon’ny tompony nokapohina ny mpanompony. (Ek 21:20, 21) Nafahana izy raha lasa kilemaina. (Ek 21:26, 27) Raha maty kosa izy, dia azo novonoina ho faty ilay tompony; anjaran’ny mpitsara ny nifidy izay sazy tokony hampiharina (Ek 21:20; Le 24:17)

Tamin’ny biby

Tsy maintsy novonjena ny biby fiompy niharan-doza, na dia an’ny fahavalo aza (Ek 23:4, 5; De 22:4)

Tsy azo nampiasaina tafahoatra na nampijalina ny biby mpitondra entana (De 22:10; ampit. Oh 12:10)

Tsy azo nasiana fehivava ny omby niasa teny am-pamoloana, mba ho afaka hihinana tamin’izay nohitsakitsahiny (De 25:4; ampit. 1Ko 9:7-10)

Tsy azo nalaina niaraka tamin’ny atodiny ny vorona, sao lany ripaka (De 22:6, 7)

Tsy azo niara-novonoina tao anatin’ny indray andro ny omby na ondry sy ny zanany (Le 22:28)

ANTONY NANOMEZANA NY LALÀNA

Nampiharihary ny fandikan-dalàna izy io; nampiseho fa nila famelan-keloka ny Israelita, ary sorona lehibe kokoa vao tena handrakotra ny fahotany (Ga 3:19)

Mpitaiza: Niaro sy nanitsy azy ireo, nanomana azy hanaiky an’ilay Mesia mpampianatra (Ga 3:24)

Aloky ny zavatra lehibe kokoa ho avy ny lafiny sasany tamin’ny Lalàna; nanampy an’ireo Israelita tso-po hamantatra ny Mesia izy ireny, satria hitan’izy ireo fa nifanitsy tamin’ireny ny zavatra nataon’ny Mesia (He 10:1; Kl 2:17)