Lala-mitafon’i Solomona
Lala-mitafo naorin’i Solomona teo ambony tamboho rarivato teo amin’ny ilany atsinanan’ny tempoly, araka ny asa soratr’i Josèphe. Toa i Heroda anefa no nanorina an’ilay lala-mitafo tamin’ny taonjato voalohany. (Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 95-98 [iii, 9]; XX, 219-221 [ix, 7]; Ny Adin’ny Jiosy, I, 401 [xxi, 1]; V, 184-189 [v, 1]) Teo amin’ny lala-mitafon’i Solomona i Jesosy no nanontanian’ny Jiosy raha izy tokoa no Kristy, tamin’ny Fetin’ny Fitokanana taona 32, tamin’ny ririnina. (Jn 10:22-24) Mbola nankeo amin’ilay lala-mitafo ny mpianatr’i Jesosy taorian’ny niakarany tany an-danitra, mba hitory tamin’ny Jiosy.—As 3:11; 5:12; jereo SARY, Boky Faha-2, p. 745.