Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalana

Lalana

Soritra namboarina mba handehanan’ny olona sy kalesy ary fitaterana hafa ao an-tanàna. Misy lalana kely sy lehibe, ary misy mampitohy tanàna samy hafa. Ilazana fomba fanaovan-javatra sy fomba fiasa mahazatra koa ny hoe lalana.

Mampitohy tanàna. Ilazana lalana kely na lehibe mampifandray tanàna ny teny hebreo hoe mesillah (lalambe) sy derek (lalana) ary ny teny grika hoe hôdôs (lalana).

Efa hatry ny ela no nampifandray tanàna sy fanjakana tany Palestina ny lalambe sy lalana, toy ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra. (No 20:17-19; 21:21, 22; 22:5, 21-23; Js 2:22; Mpts 21:19; 1Sa 6:9, 12; 13:17, 18; jereo LALAN’NY MPANJAKA.) Niainga tany Ejipta ny lalambe nankany Gaza sy Askelona tanànan’i Filistia, nianavaratratsinanana nankany Megido, nandalo an’i Hazora teo avaratry ny Ranomasin’i Galilia, ary tonga tany Damaskosy. Io no lalana nanivaka indrindra nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsara fanahy anefa i Jehovah ka nentiny tamin’ny lalan-kafa ny Israelita, sao ho kivy izy ireo raha tafihin’ny Filistinina.​—Ek 13:17.

Nokojakojaina tsara ireo lalana tao amin’ny Tany Nampanantenaina, satria iray monja ny foiben’ny fivavahan’ny firenen’Israely manontolo. Nandeha lavitra àry ny lehilahy israelita maro nankatò ny Lalàna, rehefa nankalaza an’ireo fety telo fanao isan-taona. (De 16:16) Nentina tany amin’ny toerana nofidin’i Jehovah koa ny ampahafolon-karena, fanomezana, ary fanatitra an-tsitrapo na tsy maintsy natao. (De 12:4-7) I Jerosalema io toerana io, rehefa vitan’i Solomona ny tempoly. Afaka nampianatra ny zanany lahy ny lalàn’Andriamanitra àry ireo ray, teny an-dalana ho any Jerosalema sy rehefa nody.​—De 6:6, 7.

Nokojakojaina koa ny lalana nankany amin’ny tanàna fialokalofana enina, nasiana famantarana, ary nesorina izay mety ho nanakantsakana ny lalan’ireo nahafaty olona tsy nahy. (De 19:3) Nisy takelaka nanondro ny lalana nankany amin’ilay tanàna isaky ny sampanan-dalana, hoy ny lovantsofina jiosy.​—Talmoda babylonianina, Makkôt 10b.

Tsy milaza tsipiriany momba ny lalana fahiny ny Baiboly, nefa miresaka an-kolaka momba ny nanamboarana sy nikojakojana azy ireny. Resahiny, ohatra, fa naetry ny havoana sy ny mikitoantoana, ary nesorina ny vato rehefa namboarina ny lalana. (Is 40:3, 4; 57:14; 62:10) Vato mainty no nanaovan’i Solomona Mpanjaka rarivato an’ireo lalana nankany Jerosalema, hoy i Josèphe, mpahay tantara.​—Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 187 (vii, 4).

Tsy tena fantatra anefa hoe nanao ahoana ny lalana fahiny, afa-tsy ireo namboarin’ny Fanjakana Romanina. Nalaza ho nahay nanao lalana ny Romanina. Nampifandray faritra maro tao amin’ny fanjakany nidadasika sy nanamora ny lalan’ireo tafiny izy ireny. Nataony rarivato tamin’ny vato fisaka ny lalana, izay telo sosona matetika: Potipoti-bato (farany ambany), vato fisaka nasiana rihitra (afovoany), ary simenitra sy vato nototoina (farany ambony). Nisolampy kely ny andaniny roa tamin’ny lalana, ary teny an-tsisiny dia nasiana vato mitandahatra sy tatatra nisy sisiny avoavo. Nahitana lavadrano koa isaky ny kilaometatra vitsivitsy. Tsy dia niolakolaka ny lalana romanina, ka niakatra havoana fa tsy nanodidina azy io. Nirefy 5,5 m teo ho eo ny sakan’ilay lalambe romanina malaza atao hoe Lalana Apianina, ary vatom-bolkano lehibe no nanaovana rarivato azy io. Nandeha teo amin’izy io ny apostoly Paoly, fony izy voafonja ary nentina ho any Roma. Mbola ampiasaina ankehitriny ny ampahany amin’izy io.​—As 28:15, 16; jereo APIO, TSENAN’I.

Hisy “lalambe avy any Ejipta mankany Asyria.” (Is 19:23) Midika izany fa hihavana i Ejipta sy Asyria. Toy ny hoe nanao lalambe ho an’ny vahoakany babo kosa i Jehovah rehefa nanafaka azy ireo.​—Is 11:16; 35:8-10; 49:11-13; Je 31:21.

Ao an-tanàna. Midika hoe “ivelany” ny teny hebreo (hots) ilazana ny lalana ao an-tanàna. (Is 42:2) Toa lalan-tany ny ankamaroan’ny lalan’ireo tanàna fahiny tany Palestina. (Sl 18:42; Is 10:6; Ft 2:21) Nisy tatatra fivarinan’ny rano maloto anefa ny lalana hita tany Jeriko sy Gazera.

Tery sy niolakolaka ireo lalana, nefa nisy ihany ny ‘lalambe.’ (Lk 14:21; ampit. Ap 21:21.) Nalalaka ny lalan’i Ninive satria antonona kalesy. (Na 2:4) Nisy lalambe nandehanan’ny mpilahatra tany Babylona sy Damaskosy, ary nanana anarana ny lalana sasany. Nalalaka ilay “lalana atao hoe Imahitsy” tao Damaskosy, tamin’ny andron’ny Romanina. Nizara telo izy io, ary 26 m teo ho eo ny sakany.​—As 9:11; jereo IMAHITSY.

Mety ho teny an-tany malalaka teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna no nanaovana raharaham-barotra na nivorian’ny vahoaka rehefa nampianarina. (Ge 23:10-18; Ne 8:1-3; Je 5:1) Teny ny ankizy no nilalao. (Za 8:4, 5) Feno olona nisomebiseby ny lalana. (Jb 18:17; Je 33:10, 11; ampifan. Is 15:3; 24:11.) Nisy mpivarotra teny, ka iray toerana ireo nitovy asa. Nisy “Lalan’ny mpanao mofo”, ohatra, tao Jerosalema. (Je 37:21) Nampanantena an’i Ahaba i Beni-hadada fa hanome azy “arabe” tany Damaskosy renivohitr’i Syria. Tian’i Ahaba hasiana tsena angamba izy ireny mba hampandrosoana ny varotra nataony tany. (1Mp 20:34) Toa nisy mpitily nanao andry maso ny lalan’ny tanàna sasany, tamin’ny alina.​—To 3:1-3.

Teny an-dalana koa no nilazana vaovao. (2Sa 1:20; Je 11:6) Teny i Jesosy Kristy no nampianatra sy nanasitrana ny marary. Tsy nifanditra tamin’olona na niantso mafy teny an-dalambe anefa izy. Tsy tiany mantsy raha ny anarany indray no nalaza, fa tsy i Jehovah Andriamanitra sy ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Lk 8:1; Mt 12:13-19; Is 42:1, 2) Tsy mba hoatran’ireo mpihatsaravelatsihy nivavaka ‘teny an-joron-dalambe mba ho hitan’ny olona’ àry i Jesosy.​—Mt 6:5.

Halaviran-dalana. Ilazan’ny Baiboly ny halaviran’ny lalana aleha koa ny hoe “lalana.” (Ge 31:23; Ek 3:18; No 10:33; 33:8) Arakaraka ny fitaterana nampiasaina, ny zava-nitranga, ary ny lalana ny halavirana vitan’izay nanao dia an-tanety tao anatin’ny iray andro, ka mety ho 32 km na mahery izany tamin’ny antsalany. Tsy dia lavitra kosa ilay hoe “lalana indray sabata” (Mt 24:20; As 1:12), izay nanelanelana an’i Jerosalema sy ny Tendrombohitra Oliva. Nilaza i Josèphe hoe dimy stadio (925 m) ilay izy, nefa nilaza koa izy hoe enina stadio (1110 m). Toerana roa samy hafa angamba no niaingany tamin’izy nandrefy. Nirefy 2000 hakiho (890 m) ilay “lalana indray sabata”, hoy kosa ny raby, rehefa jerena, hono, ny Josoa 3:4.

Heviny an’ohatra. Zavatra atao sy fitondran-tena ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra na tsia no lazain’ny Baiboly matetika hoe lalana. (Mpts 2:22; 2Mp 21:22; Sl 27:11; 32:8; 86:11; Is 30:21; Je 7:23; 10:23; 21:8) Izay manaiky an’i Jesosy Kristy no afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra, sy manatona azy amin’ny alalan’ny vavaka ka hohenoiny. Hoy mantsy ny Zanak’Andriamanitra: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jn 14:6; He 10:19-22) Voalaza fa nanaraka “Ny Lalana” ireo mpianatr’i Jesosy Kristy. Midika izany fa nino an’i Jesosy Kristy izy ireo sady nanahaka ny fomba fiainany.​—As 9:2; 19:9, 23; 22:4; 24:22.