Lalan’ny Mpanjaka
Lalana iray nolazain’ny Israelita fa tsy hialany, raha navela handalo tao amin’ny faritanin’ny Edomita sy ny faritra nanjakan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izy ireo. (No 20:17; 21:21, 22; De 2:26, 27) Niainga avy tany amin’ny Hoalan’i ʽAkaba io lalana io ary, fara faharatsiny, tonga hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka, izay toa sisin-tanin’i Sihona any avaratra. Maro no mihevitra fa tonga hatrany Damaskosy any avaratra io lalana io, ary io ihany ilay lalambe romanina vita rarivato nataon’i Trajan Mpanjaka tamin’ny taonjato faharoa. Ny lalana Tarik es-Soltan(i) ankehitriny, no manaraka an’io lalambe romanina fahiny io, izay mbola misy hatramin’izao ny ampahany aminy. Mazava ho azy fa tsy anisan’izany ireo fanovana vitsivitsy natao noho ny fifamoivoizana ankehitriny.
Toa nantsoina hoe “ny lalana mankany Basana” ny ampahany tany avaratra tamin’ilay lalan’ny mpanjaka, nanomboka tany Hesbona ka hatrany Astarta.—No 21:33; De 3:1.