Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalin-tsaina

Lalin-tsaina

Lazaina hoe lalin-tsaina ny olona iray, raha mahatakatra tsara ny tena zava-misy fa tsy mijery ivelany fotsiny. Malina sy mitandrina izy rehefa manao zavatra. Hazavain’ny boky hoe Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Taloha, nataon’i Wilson, fa midika hoe “mijery; malina, mitandrina fatratra; mailo rehefa manao zavatra, mahira-tsaina” ny matoanteny hebreo hoe sakal. (1978, p. 461) Nadika toy izao àry izy io: “Manan-tsaina” (Sl 14:2), “malina” (1Sa 18:5; Oh 10:19), “mahomby” (Oh 17:8), ary “lalin-tsaina” (Oh 16:23). Anarana ny hoe sekel, ary nadika hoe “lalin-tsaina” (Sl 111:10) sy “malina” (1Sa 25:3) izy io.

Misy ifandraisany ny hoe lalin-tsaina sy ny hoe mahira-tsaina, nefa koa misy tsy itovizany. Hoy ny Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Taloha: “Midika hoe ‘manavaka’ ny bin [mahira-tsaina], fa [ny sakal] kosa misy ifandraisany amin’ny hoe kinga saina ka mahatakatra ny antony. Mamadibadika hevitra maro ao an-tsainy ny olona lalin-tsaina ka ireny no mahatonga azy hanao zavatra amim-pahendrena sy hahay hitsara zavatra, ary matetika no mahomby izay ataony.”​—Nataon’i R. Harris, 1980, Boky Faha-2, p. 877; jereo FAHIRATAN-TSAINA.

Syniemi no matoanteny grika midika hoe “lalin-tsaina”, ao amin’ny Soratra Grika. Nadika hoe “manan-tsaina” izy io ao amin’ny Romanina 3:11, izay namerenan’ny apostoly Paoly ny Salamo 14:2. Nadika koa hoe ‘mahazo hevitra’ (Mt 13:13-15; As 28:26), ‘azo’ (Mt 16:12), ary ‘mamantatra’ (Ef 5:17) ny syniemi.

I Jehovah Andriamanitra no mahatonga ny mpanompony ho lalin-tsaina sy ho malina, satria izy no manoro hevitra mba hitari-dalana azy ireo sy hahalalan’izy ireo ny tokony hatao. (Sl 32:8; ampit. Da 9:22.) Mampiasa ny Teniny izy mba hanomezana izany tari-dalana feno fahendrena izany. Raha te ho lalin-tsaina anefa ny olona iray, dia tsy ampy ny mamaky Baiboly fotsiny. Mila azony tsara izay vakiny ao mba handrisika azy hankatò an’izay rehetra lazain’Andriamanitra. (Js 1:7, 8; 1Mp 2:3) Mila ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra koa izy. (Ne 9:20; ampit. 1Ta 28:12, 19.) Mila mitandrina anefa ny olona lalin-tsaina, satria mety tsy ho lalin-tsaina intsony izy raha miala amin’ny fitsipik’Andriamanitra.​—Sl 36:1-3; Oh 21:16.

Misy lafiny maro ahitana hoe lalin-tsaina ny olona iray, ary mandray soa amin’izany ny tenany sy ny olon-kafa. Milaza ny mpanao salamo fa sambatra “izay miahy [izay lalin-tsaina ka manampy] ny mahantra.” (Sl 41:1) Voalaza fa fitahiana avy amin’i Jehovah “ny vady malina” (lalin-tsaina). (Oh 19:14) Mahavita mitandrina an’izay lazainy (Oh 10:19; 16:23) sy mahalala ny fotoana tokony hanginana ny olona lalin-tsaina, izany hoe mieritreritra an’izay ho vokatry ny teniny. (Am 5:13) Tsy mora tezitra koa ny olona lalin-tsaina, ary mamela fahadisoana. (Oh 19:11) Manaiky hahitsy ny olona lalin-tsaina. (Sl 2:10) Hoy ny Ohabolana 21:11: “Ny hendry hahazo fahalalana rehefa omena fanazavana [na ampiana ho lalin-tsaina].” Rehefa ampiana ho lalin-tsaina tokoa ny hendry, dia handinika tsara ny fanazavana rehetra nomena azy ka ho azony tsara ny zava-misy. “Hahazo fahalalana” àry izy, izany hoe hahalala ny tokony hatao, sy hahay hanatsoaka hevitra, ary hahalala ny torohevitra tokony homena.