Lalitra
[Heb.: zevov (tkn.), lalitra maro].
Bibikely anisan’ny karazana Musca, manana elatra roa, ary manatody eny amin’ny fako na zavatra lo. Ny volo bitika mandrakotra ny vatany sy tongony ary ny volo madity eo amin’ny faladiany no mitondra bakteria (an-tapitrisany no entin’ny lalitra iray fahita ao an-trano).
Hoy ny Mpitoriteny 10:1: “Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny menaky ny mpanamboatra menaka manitra.” Lasa maimbo sy simba ny menaka raha misy fatin-dalitra mihalò. Ho simba koa ny lazan’ny olona iray hendry sy be voninahitra, raha manao hadalana kely fotsiny izy.
Hisioka an’ireo lalitra avy any amin’ny faran’ireo lakandranon’i Neily any Ejipta sy ireo tantely avy any Asyria i Jehovah, mba hitoeran’ireny eny amin’ny lohasaha falehan-driaka misy hantsam-be, kirihitra feno tsilo, toerana rehetra misy rano fisotroam-biby, ary eny an-tsefatsefaky ny harambato any Joda. Teny an’ohatra ilazana ny tafik’i Ejipta ny hoe lalitra eo, ary ny tafik’i Asyria ny hoe tantely.—Is 7:18, 19.
Midika hoe “Tompon’ny Lalitra” ny hoe “Bala-zeboba”, izay anaran’ny andriamanitry ny Filistinina tao Ekrona. Misy àry milaza fa noheverin’ny mpivavaka taminy ho afaka mifehy ny lalitra i Bala-zeboba. Mpampita hafatra koa anefa izy, ka misy kosa mihevitra fa tamin’ny alalan’ny fanidin’ny lalitra na ny fanenony no nanaovany izany.—2Mp 1:2, 6; jereo BALA-ZEBOBA; FIHITRA.