Lalivay
Zavatra naotrika iray andro na mihoatra, ary afangaro amin’ny koba na ranon-javatra. Matetika izy io no ambina koba efa niotrika na renikoba, ary ampiasaina rehefa hanao mofo. Mitombo haingana ny koba vaovao asiana lalivay. Seʼôr izy io amin’ny teny hebreo (Ek 12:15), ary zyme amin’ny teny grika. (Lk 13:21) Hamets kosa ny teny hebreo ilazana ny zavatra misy lalivay.—Le 2:11.
Tsy ilana lalivay ny fanaovana divay, izay natao efa hatry ny ela tamin’ny ranom-boaloboka na ranom-boankazo hafa naotrika.
Nampiasa leviora ny Ejipsianina fahiny rehefa nanao labiera, ary nanao mofo nisy lalivay sy tsy nisy lalivay izy ireo. Azo inoana fa nisotro “labiera” ny Hebreo. (Is 1:22; Ho 4:18; Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 646) Mety ho avy tamin’ny holatra sasany ny leviora na lalivay nampiasaina tamin’ireo labiera sy mofo ireo. Nisy selan’ny leviora efa maty, ohatra, ny mofo nofongarina tany Ejipta. Nampiasa karbonatana sodioma koa, hono, ny Ejipsianina rehefa nanao mofo. Tsy hoatran’ny an’ny lalivay ny fiasan’izy io, nefa nampitombo ny koba izy io satria nampisy rivotra. Toa ampahany kely tamin’ny koba nanaovana mofo no navela hiotrika, ary nafangaro tamin’ny koba vaovao rehefa hanao mofo, tany Ejipta. Na ankehitriny aza misy olona mamela ampahany amin’ny koba efa novolavolaina. Avelany ao amin’ny toerana mafana ilay izy, ary ataony lalivay amin’ny koba vaovao rehefa afaka 36 ka hatramin’ny 48 ora.
Nasian’ny Israelita lalivay ny koba sasany nanaovany mofo. Ampahany kely tamin’ny koba teo aloha no nolevonina tao anaty rano tao anaty vilia famolavolana koba, ary avy eo nafangaro lafarinina. Nisy koa tonga dia nafangaro lafarinina. Nataon’ny Jiosy leviora koa, hono, ny faikan-divay, na dia tsy misy porofon’izany aza.
Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely. Tsy azo nanaovana fanatitra varimbazaha natao anaty afo ho an’i Jehovah ny “zavatra misy lalivay.” (Le 2:11) Azo nasiana lalivay kosa ny fanatitra iombonana izay natolotra ho fisaorana an’i Jehovah noho ny fitahiany maro be. Fotoam-pifaliana no nihinanana mofo misy lalivay, ka tokony ho faly ilay nanolotra. Nitondra mofo boribory misy lalivay izy, ankoatra ny henan’ilay biby hatao sorona sy mofo tsy misy lalivay. Tsy natao teo ambony alitara anefa ireo mofo boribory, fa nohanin’izy sy ilay mpisorona.—Le 7:11-15.
Nataon’ny mpisoronabe fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah tamin’ny Pentekosta ny voaloham-bokatry ny varimbazaha, dia mofo roa misy lalivay. (Le 23:15-21) Tamin’ny Pentekosta taona 33 koa ireo Jiosy voalohany lasa mpianatr’i Jesosy Kristy sy anisan’ny fiangonana kristianina no nohosorana ny fanahy masina. Toy ny hoe nasehon’i Jesosy Kristy Mpisoronabe teo anatrehan’i Jehovah àry ireo rahalahiny voahosotra voalohany ireo, izay nofidina teo amin’ny olombelona mpanota. (As 2:1-4, 41) Nohosorana tamin’ny fanahy masina ka toy ny hoe naseho teo anatrehan’Andriamanitra koa ny hafa firenena voalohany lasa Kristianina, dia i Kornelio sy ny ankohonany, telo taona sy efa-bolana teo ho eo taorian’izay. Nofidina teo amin’ny olombelona mpanota koa izy ireo.—As 10:24, 44-48; Ro 5:12.
Nankalazaina fito andro (15-21 Abiba na Nisana) taorian’ny Paska ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ka tsy tokony “hahitana” lalivay na zavatra misy lalivay mihitsy tao an-tranon’ny Israelita na tao amin’ny faritra nisy azy. (Ek 12:14-20; 13:6, 7; 23:15; De 16:4) “Haringana tsy ho eo amin’ny vahoakan’Israely” izay nihinana zavatra nisy lalivay tamin’izay. (Ek 12:19) Tokony hotsaroan’izy ireo mantsy fa maimaika ny nialany tany Ejipta rehefa nafahan’i Jehovah izy ireo. Tsy afaka niandry ny fitomboan’ny koba izy ireo, ka nentiny niaraka tamin’ny vilia famolavolana azy ny koba.—Ek 12:34.
Heviny an’ohatra. Matetika no ilazana ota na fahasimbana ny hoe “lalivay”, ao amin’ny Baiboly. Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny Sadoseo.” “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny.” Elaela vao azon’ny mpianany hoe nampiasa teny an’ohatra i Jesosy, mba hampitandremana azy ireo tamin’ny fampianaran-diso sy fanaon’ny mpihatsaravelatsihy, dia “ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” izay nanimba ny olona. (Mt 16:6, 11, 12; Lk 12:1) Nampitandrina momba an’i Heroda (sy ireo mpomba azy) koa izy hoe: “Aoka ho mailo hatrany ianareo, ka mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny lalivain’i Heroda.” (Mr 8:15) Sahin’i Jesosy ny nilaza fa tia sehoseho fotsiny ny Fariseo mpihatsaravelatsihy (Mt 23:25-28), diso ny zavatra ninoan’ny Sadoseo, ary mpihatsaravelatsihy sy mpamadika ny mpomba an’i Heroda.—Mt 22:15-21; Mr 3:6.
Niresaka lalivay an’ohatra koa ny apostoly Paoly, rehefa nasainy noroahin’ny fiangonan’i Korinto ny lehilahy iray ratsy fitondran-tena. Hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa lalivay kely fotsiny dia mampitombo ny koba manontolo? Esory ny lalivay efa ela, mba ho koba vaovao ianareo, satria tsy tokony hisy lalivay ianareo. Fa efa natao sorona tokoa i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.” Inona ilay “lalivay”? Hoy izy: “Koa aoka isika hankalaza ilay fety, tsy amin’ny lalivay efa ela, na amin’ny lalivain’ny faharatsiana sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny mofon’ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.” (1Ko 5:6-8) Niresaka an-kolaka momba ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay natao taorian’ny Paska i Paoly teo. Tsy azon’ny Israelita nasiana lalivay tao an-tranony nandritra io fety io. Tokony hesorina teo anivon’ny fiangonana koa àry ilay “lalivay.” Lalivay kely fotsiny mantsy dia mampitombo ny koba manontolo. Haloto eo imason’i Jehovah koa ny fiangonana manontolo, raha tsy nesoriny ilay lehilahy izay mety hitaona ny hafa hanao ratsy.
Nihevitra koa ny firenena fahiny ankoatra ny Hebreo hoe manimba ny lalivay. “Vokatry ny fahasimbana” ny lalivay, “ary manimba an’izay koba afangaro aminy”, hoy i Plutarque, Grika mpanoratra tantaram-piainana.—Moralia, IV, “Fanontanian’ny Romanina”, 109.
Nesoin’i Jehovah ny Israelita tamin’ny andron’i Amosa hoe: “Zavatra misy lalivay no anamboary sorona fisaorana, ka dory izany mba hidona-tsetroka, ary manaova antso avo fa hanao fanatitra an-tsitrapo ianareo.” (Am 4:5) Nanota tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo satria nanompo sampy tao Betela sy Gilgala. Na mofo misy lalivay na tsy misy àry no natolotr’izy ireo teo ambony alitara, dia samy tsy nankasitrahan’Andriamanitra daholo.