Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalotra

Lalotra

Feta tanimanga asiana mololo izay ahosotra ny rindrina ivelany sy anatiny. Indraindray ilay izy nampiana sokay, lavenona, potika tanimanga sy akorandriaka na vatosokay. (Le 14:42, 45; Ezk 13:10-16; Da 5:5; jereo RIHITRA.) Natao lalotra koa ny fasika sy lavenona nafangaro sokay, ary nasiana menaka indraindray. Mety ho nohosorana menaka ny rindrina voalalotra mba tsy ho mora tantera-drano. Toy izao no fanaovana ny lalotra any Ejipta hatramin’izao: Tanimanga ny antsasany, sokay ny ampahefany, ary mololo sy lavenona ny ampahefany.

Tsy nateza ny biriky tany rehefa lenan’ny orana. Nolalorina àry indraindray ny rindrina vaovao na ny rindrina efa simbasimba mba hateza kokoa. Tsy nahatanty oram-be anefa ny lalotra fotsy sy ny lalotra tsy nisy sokay firy na tsy nisy mihitsy.​—Ampit. Ezk 13:11-16.