Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lamba

Lamba

Zavatra notenomina. Nahay nanao kofehy sy nanenona ny Israelita, na dia tsy fantatra firy aza ny fomba nanaovany izany. Misy sarina vehivavy manenona sy manao kofehy ary ny fitaovana ampiasainy, ny sary hoso-doko amin’ny rindrina nofongarina tany Ejipta. Nahitana toerana nampiasana fitaovana fanenomana mandry, tany akaikin’i Girga, any Ejipta Ambony.​—Jereo FANENOMANA.

Karôkarô ny tenon’ny akanjo fotsy lava vita tamin’ny rongony tena tsara nanaovan’ny mpisoronabe taranak’i Arona. Porofo izany fa nahay nanenona lamba misy sorany ny Israelita.​—Ek 28:39.

Lasa nihanahay i Bezalila sy Oholiaba rehefa nampian’ny fanahy masin’Andriamanitra, ka vitan’izy ireo tsara araka ny modely nomen’i Jehovah ireo asa nifandray tamin’ny fanorenana ny tranolay masina. (Ek 35:30-35) Nisy vehivavy nahay nanao kofehy tamin’ny rongony sy volonondry koa tamin’izay. (Ek 35:25, 26) “Naka takela-bolamena” ireo nanao ny efodan’i Arona mpisoronabe, “ka nokapokapohiny mba hanify, ary nodidididiany ho lasa kofehy, mba hatao mifampidipiditra amin’ny kofehy manga sy ny volonondry volomparasy somary mena sy ny kofehy mena midorehitra ary ny kofehy rongony tena tsara, toy ny ataon’ny mpanao peta-kofehy.”​—Ek 39:2, 3.

Miresaka lamba volon-drameva sy lamba landy ny Soratra Grika Kristianina. (Mt 3:4; Ap 18:12) Asa raha nampiasa landihazo ny Hebreo, fa ny tao an-dapan’i Sosana tany Persa kosa nampiasa. (Es 1:6) Mety ho azon’ny Hebreo tamin’ny mpivaro-mandeha avy any Atsinanana sy Andrefana nandalo tany Israely anefa ny zavatra sasany tsy nisy tany. Toa efa tamin’ny 800 T.K. no fantatra tany Inde ny landihazo. Nampiasaina tany Ejipta izy io, hoy i Pline mpahay tantara. Ambolena any Israely izy io izao.

Fibra avy amin’ny rongony no tenomina ho lamba rongony. Lava kokoa noho ny an’ny landihazo ilay fibra, ary mora anaovana kofehy, saingy sarotra lokoana. Tena tian’ny mpanjaka sy olona ambony ny lamba rongony. Nampitafiana “lamba rongony tena tsara” i Josefa rehefa lasa mpitondra tany Ejipta. (Ge 41:42) Nanao akanjom-boninahitra vita tamin’ny lamba manga sy lamba rongony i Mordekay, rehefa niala teo anatrehan’ny mpanjakan’i Persa. (Es 8:15) Tian’ny vehivavy koa ny lamba rongony.​—Oh 31:22; jereo LAMBA RONGONY.

Nisy koa lamba vita tamin’ny hoditra sy volom-biby, tranolay vita tamin’ny hoditra na volon’osy (Ek 26:7, 14), ary lamba makarakara vita tamin’ny volon’osy. (1Sa 19:13) Nahita lamba volonondry matevina koa ny mpikaroka.

Loko. Nahay nanao lamba niloko isan-karazany ny tany Palestina. Niloko manga, mena midorehitra, ary volomparasy somary mena, ohatra, ny ridaon’ny tranolay masina sy ny akanjon’ireo nanompo tao. (Ek 26:1; 28:31, 33) Nahazoana loko maro samihafa ireo loko telo ireo rehefa nandokoana lamba efa niloko. Mitsipitsipika, ohatra, ny akanjo nomen’i Jakoba an’i Josefa. (Ge 37:3, 32) Nanao akanjo mitsipitsipika “tsy misy tanany” i Tamara zanak’i Davida, “fa izany no fanaon’ny zazavavy virjiny zanaky ny mpanjaka.” (2Sa 13:18) Samihafa ny sora-damba raha tsy nitovy ny lokon’ny kofehy atao tenany sy atao fahany.​—Jereo FANDOKOANA LAMBA.

Ny tranolay masina. Nanarona an’ireo rafitry ny tranolay masina ny “lamba” (heb.: yeriʽôt) folo vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara sy volonondry, izay noravahana kerobima natao peta-kofehy. Nahita an’ireo kerobima ireo teo anelanelan’ny rafitra àry ny mpisorona nanompo tao. (Ek 26:1, 2) Lamba volon’osy ny rakotra teo ambony (Ek 26:7, 8), izay niaro tsara an’ilay lamba rongony. Vita tamin’ny lamba rongony sy volonondry koa ny ridao sy ny lamba fanakonana ho an’ny fidirana tao amin’ny Masina sy Masina Indrindra (noravahana kerobima natao peta-kofehy ny an’ny Masina Indrindra). (Ek 26:31-37) Nirefy 4 hakiho (1,8 m) ny sakan’ny lamba rongony nanaovana an’ilay tranolay, 28 hakiho (12,5 m) ny lavany, ary 100 hakiho (44,5 m) ny lafiny avaratra sy atsimon’ny fefy lamban’ny tokotaniny.​—Ek 27:9-11.

Norakofana lamba manga, lamba mena midorehitra ary lamba volonondry volomparasy somary mena ny Vata misy ny fifanekena, latabatry ny mofo aseho, fitoeran-jiro, alitaran’ny emboka manitra, alitaran’ny fanatitra dorana, ary fitaovam-panompoana hafa rehefa nafindrafindra ny tranolay masina. (Nofaritana ny lokon’ny lamba nanaronana ny fitaovana tsirairay.)​—No 4:4-14.

Fomba hafa nampiasana ny lamba. Nofehezina lamba ny zaza vao teraka. (Lk 2:7) Nofonosin’ny Jiosy fehim-paty na lamba rongony lavalava madio niaraka tamin’ny zavamaniry mani-pofona ny faty halevina, fa tsy nokarakarainy hoatran’ny fanaon’ny Ejipsianina. (Jn 19:40; Mt 27:59) Hitan’i Jaona sy Petera nivalona nitokana tao am-pasana ny fehim-paty sy ny lamba natao tamin’i Jesosy rehefa natsangana izy. (Jn 20:5-7) Mbola nisy fehy lamba, izay toa lamba rongony lavalava, ny loha sy tarehin’i Lazarosy, tamin’izy natsangana tamin’ny maty ka nivoaka avy tao am-pasana.​—Jn 11:44.

Nofonosina lamba ny vola indraindray, toy ny nataon’ilay mpanompo ratsy fanahy resahin’ny fanoharan’i Jesosy hoe tsy nampiasa an’ilay farantsa nomena azy. (Lk 19:20) Matetika no natao tao anatin’ny tratran’akanjo nivalombalona ny vola, izay angamba nofonosina lamba.

Nodidiana ny Israelita hoe: “Aza manao akanjo vita amin’ny volonondry sy rongony niara-notenomina.” (De 22:11; jereo koa Le 19:19.) Hoy ny Rakipahalalana Judaica (Jerosalema, 1973, Boky Faha-14, tsang. 1213): “Voarara ny nanao ny [shaʽatnez] [akanjo vita amin’ny kofehy roa karazana, TV]. Tsy voakasik’izany anefa ny fitafian’ny mpisorona, izay resahin’ny Eksodosy 28:6, 815 sy 39:29 hoe vita amin’ny lamba rongony sy volonondry miloko niara-notenomina. ... Toa voarara àry ny nanao akanjo vita tamin’ny kofehy roa karazana, satria natao ho an’ireo nanao fanompoana masina ihany izany.”

Heviny an’ohatra. Madio tsy misy pentina ny lamba rongony fotsy, ka ilazan’ny Baiboly an’izay marina. Vita tamin’ny lamba rongony fotsy tena tsara ny akanjo nanolo-koditra nanaovan’ny mpisoronabe sy mpisorona, dia ny kilaoty lava, akanjo lava, ary satroka (fehiloha ny an’ny mpisorona). (Ek 28:39-42; ampit. Jb 29:14.) Manao akanjo vita amin’ny lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ny ampakarin’ny Zanak’ondry. “Tsy inona ilay lamba rongony tena tsara fa ny asa marina nataon’ny olona masina.” (Ap 19:8) Manao akanjo vita amin’ny lamba rongony fotsy sy madio ary tena tsara koa ny tafiky ny lanitra tarihin’i Jesosy Kristy. (Ap 19:14) Mody miseho ho marina i Babylona Lehibe, ka ‘manao akanjo vita amin’ny lamba rongony tena tsara.’ Mivaro-tena anefa izy, ary mampanan-karena azy ny varotra, toy ny fivarotana lamba rongony tena tsara.​—Ap 18:3, 12, 16; jereo FITAFIANA; LANDIHAZO.