Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lamboridy

Lamboridy

Tady lavalava ibaikoana soavaly, ka misy tady afatotra amin’ny lohany, vy atsofoka eo amin’ny vavany, ary zavatra hafa. Meteg (2Mp 19:28) sy resen (Jb 30:11) ny lamboridy amin’ny teny hebreo, fa kalinôs kosa amin’ny teny grika.​—Jk 3:3.

Amin’ny heviny an’ohatra na fanoharana no ampiasan’ny Baiboly ny hoe “lamboridy.” Hoy ny Salamo 32:9: “Aza manao toy ny soavaly na ny ramole tsisy saina. Lamboridy sy tady no ihazonana azy tsy hitrifana, raha tsy izany izy tsy manatona anao.” Tokony hahay hitondra tena ny olona, fa tsy ho toy ny biby tsy misaina. Mahasoa ny olona tsisy saina anefa ny tsorakazo, hoatran’ny ilan’ny biby karavasy sy lamboridy ihany.​—Oh 26:3.

Voalaza fa hatsipy ao amin’ny famiazana ny “voaloboky ny tany”, ary hohitsakitsahin’ny soavaly. Ho “tafakatra hatreo amin’ny lamboridin-tsoavaly” ny ra, ary ho “tonga hatrany amin’ny eninjato sy arivo stadio [296 km]” (Ap 14:18-20), izany hoe tena ho maro be ireo haringan’ny anjely. Tena lehibe koa ilay famiazana matoa hatsipy ao daholo ireo anisan’ny “voaloboky ny tany”, ka tsy hisy ho afa-mitsoaka izy ireo rehefa hita hoe meloka tanteraka.

Hoy i Jehovah tamin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria: “Hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin’ny vavanao, ka hotaritiko hiverina any amin’ny lalana niavianao ianao.” (2Mp 19:28; Is 37:29) Teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema tokoa i Sankeriba no noteren’i Jehovah hiverina tany Ninive. Novonoin’ny zanany roa lahy izy tatỳ aoriana. (2Mp 19:32-37; Is 37:33-38) Hasian’i Jehovah lamboridy eo amin’ny valanoranon’ny fahavalony, izany hoe hofeheziny tanteraka izy ireo toy ny biby asiana lamboridy.​—Is 30:28.

Hoy i Joba momba an’ireo nanenjika sy naneso azy, tamin’izy narary: ‘Nesorin’iretsy teo anatrehako ny lamboridiny.’ (Jb 30:11, Prot.) Nanaram-po naniratsira an’i Joba mantsy ny fahavalony, toy ny soavaly tsy nisy lamboridy ka niriotra mafy.

Nampirisihin’i Jakoba rahalahin’i Jesosy hanisy lamboridy na hahay hifehy ny lelany ny Kristianina. Raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy ka mahafehy ny lelany, dia hahafehy ny tenany manontolo koa. (Jk 3:2, 3) Mila manisy lamboridy ny lelany ny olona milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, sao ho zava-poana ny fivavahany.​—Jk 1:26.