Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lameka

Lameka

(Lamèka).

1. Zanakalahin’i Metosaela, ary taranak’i Kaina. (Ge 4:17, 18) Mbola velona i Adama tamin’ny andron’i Lameka. Roa ny vadin’i Lameka, dia i Ada sy Zila. Izy no resahin’ny Baiboly hoe olona voalohany nampirafy. (Ge 4:19) I Ada no niterahany an’i Jabala, ilay “nipoiran’ny olona mipetraka an-tranolay izay manana biby fiompy”, sy Jobala, ilay “nipoiran’ny mpitendry harpa sy mpitsoka sodina rehetra.” (Ge 4:20, 21) I Zila kosa no niterahany an’i Tobala-kaina, ilay “mpanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin’ny varahina sy vy”, sy niterahany an’i Nama, zanany vavy.​—Ge 4:22.

Hita amin’ilay tononkalo nataon’i Lameka ho an’izy roa vavy vadiny (Ge 4:23, 24) hoe tia herisetra ny olona tamin’izany. Izao ilay tononkalo: “Henoy ny feoko, ry vadin’i Lameka; henoy izao lazaiko izao: Nisy lehilahy novonoiko ho faty satria nandratra ahy izy, eny, tovolahy iray, satria namely ahy izy. Raha ampiharana valifaty avo fito heny izay mamono an’i Kaina, dia ho avo fito amby fitopolo heny kosa ny an’izay mamono an’i Lameka.” Azo inoana fa te hilaza i Lameka hoe niaro tena izy, ka nohamafisiny fa tsy ninia namono olona tahaka an’i Kaina izy. Niaro tena izy, araka ny filazany, ka matiny ilay lehilahy namely sy nandratra azy. Tsy inona àry ilay tononkalony fa fiangaviana mba hiarovana azy amin’izay mitady hamaly faty azy noho ny namonoany an’ilay namely azy.

Toa ringana tamin’ny Safodrano daholo ny taranak’i Kaina, anisan’izany ny taranak’i Lameka.

2. Taranak’i Seta, ary zanak’i Metosela sy rain’i Noa. (Ge 5:25, 28, 29; 1Ta 1:1-4) Mbola velona koa i Adama tamin’ny andron’ity Lameka ity. Nino an’Andriamanitra i Lameka. Nitera-dahy izy ary niteny toy izao rehefa nomeny anarana hoe Noa (mety hidika hoe “Fitsaharana; Fampiononana”) io zanany io: “Izy no hitondra fampiononana ho antsika. Ilaintsika mantsy izany satria miasa mafy sy misasatra isika noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.” (Ge 5:29) Tanteraka ireo teniny ireo rehefa nofoanana ilay ozona nihatra tamin’ny tany, tamin’ny andron’i Noa. (Ge 8:21) Nanan-janaka lahy sy vavy hafa koa i Lameka. Velona 777 taona izy, izany hoe maty dimy taona talohan’ny Safodrano. (Ge 5:30, 31) Hita ao amin’ilay lisitry ny razamben’i Jesosy Kristy ao amin’ny Lioka 3:36 ny anarany.