Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lamoty

Lamoty

[Heb.: tseʼelim (mr.)].

Hazo madinika na iva ny lamoty (Zizyphus lotus), matetika no 1,5 m monja ny farany avo, ary be tsilo sy sampany. Boribory lavalava sady henjana ny raviny kely, ary misy tsilo roa ny fototry ny ravina tsirairay. Tantarain’ny Joba 40:21, 22, izay hany miresaka lamoty, fa matory eo ambany alokalony ny hipopotama (Behemota). Toerana maina no aniriany any Palestina, nefa “maniry eny amin’ny tany be honahona sy mafana” any Afrika Avaratra koa izy io, hoy ny Diksionera Momba ny Fiainana Fahiny.​—Nataon’i W. Corswant, Suffolk, 1960, p. 177.