Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lamy

Lamy

(Lamỳ) [Mofoko].

Rahalahin’i Goliata Gatita. Milaza ny 1 Tantara 20:5 fa “novonoin’i Elanana zanak’i Jaira i Lamy rahalahin’i Goliata Gatita”, rehefa niady tamin’ny Filistinina ny Israelita. Izao anefa no lazain’ny 2 Samoela 21:19, izay mitantara an’io ady io koa: “Novonoin’i Elanana zanak’i Jare-oregima Betlehemita i Goliata Gatita.” Toa nandika vilana ny mpanao dika soratra ao amin’ny 2 Samoela 21:19, ka lasa hoe beht hallahmi (“Betlehemita”) ilay hoe ʼet-lahmi (“Lamy”; ilay teny hebreo hoe ʼet dia milaza fotsiny hoe famenon’ny enti-milaza ilay teny hoe Lamy). Azo inoana àry fa izao no voalazan’ny soratra tany am-boalohany, ao amin’ny 2 Samoela 21:19: ‘Novonoina i Lamy.’ Izany koa no lazain’ny 1 Tantara 20:5. Mifanaraka tsara ny voalazan’ireo andininy roa ireo amin’izay. Raha izany no izy, dia rahalahin’ilay Goliata novonoin’i Davida i Lamy. Mety ho nisy Goliata roa koa anefa.​—Jereo GOLIATA.