Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Landihazo

Landihazo

Fibra fotsifotsy avy amin’ny voan’ny hazo sasany ary akora fanaovana lamba. Mitovy amin’ny hoe karpasa (teny karàna tranainy) sy hoe karpasôs (gr.) ny hoe karpas (heb.), izay azo ilazana landihazo malefaka na lamba rongony tena tsara. Baiboly maoderina maro no manao hoe “lamba landihazo” ao amin’ny Estera 1:6. Anisan’ny nandravaka ny tokotanin’ny lapan’i Ahasoerosy Mpanjaka ilay lamba, nandritra ny fanasambe fito andro tao Sosana. Efa ela i Persa sy Inde no namboly landihazo. Teo anelanelan’ny 1000 ka hatramin’ny taona 1 T.K. koa i Ejipta sy Palestina no nanomboka nampiasa landihazo, na dia toa ny lamba rongony aza no be mpampiasa tany.

Mety ho Gossypium herbaceum ilay karazan-dandihazo resahin’ny Baiboly. Tokotokony ho 1,5 m ny haavony, ary mavo na mavokely ny voniny, izay lasa kitapokely misy voa madinika sy vohavoha rehefa maina. Vaky ilay kitapokely rehefa matoy, ka mivoaka ny vohavoha mibofabofaka. Rehefa voangona ny vohavoha, dia alefa anaty milina manasaraka azy amin’ny voany. Karakaraina farany ny vohavoha izay saratsarahina ho kofehy azo tenomina. Mety ho lamba landihazo ireo “lamba fotsy” notenomina tany Ejipta resahin’ny Isaia 19:9, hoy ny manam-pahaizana sasany.​—Jereo LAMBA.