Lanezy
Any amin’ny tany sasany dia misy potika gilasy fotsy miforona avy amin’ny eton-drano eny amin’ny rivotra, ka milatsaka toy ny orana rehefa mangatsiaka be. Izany no atao hoe lanezy. Rehefa milatsaka izy io, dia entiny miaraka aminy ny zavatra simika eny amin’ny rivotra, toy ny solifara sy azota, ka mahatonga ny tany hahavokatra sady manome hamandoana. (Is 55:10, 11) Mety hahazoana rano madio isasana ny lanezy. (Jb 9:30) Tsy misy lanezy firy na tsy misy mihitsy any amin’ny faritra sasany any Palestina. Misy lanezy kosa indraindray, eny amin’ny faritra an-tampon-kavoana toa an’i Jerosalema, amin’ny Janoary sy Febroary. (Ampit. 2Sa 23:20; 1Ta 11:22.) Saika mandavantaona no misy lanezy eny amin’ny toerana avo sy ny hantsana any amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona, ary sarona lanezy ny Tendrombohitra Hermona mijoalajoala. (Je 18:14) Nisy lanezy tany Zalmona, angamba tendron’ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz), any atsinanan’i Jordana.—Sl 68:14.
I Jehovah no Mpahary ny lanezy ka vitany koa ny mibaiko azy io. (Jb 37:6; Sl 147:16) Mitahiry lanezy sy havandra “ho amin’ny andro anafihana sy anaovana ady” izy, mba hanatanterahany ny fikasany.—Jb 38:22, 23.
Heviny an’ohatra. Atao ohatra mba hilazana zavatra tena fotsy be ny lanezy. (Ek 4:6, f.a.p.; No 12:10, f.a.p.; 2Mp 5:27, f.a.p.; Da 7:9, f.a.p.; Mt 28:3, f.a.p.; Ap 1:14, f.a.p.) Ilazana zavatra madio tsy misy pentina koa izy io indraindray. (Is 1:18, f.a.p.; Ft 4:7, f.a.p.) Niangavy an’Andriamanitra mba hanadio azy, ohatra, i Davida mba ho afaka ny fahotany ka ho voasasa izy ary ho “fotsy kokoa noho ny lanezy.”—Sl 51:7, f.a.p.
Tsy nampahery an’i Joba mihitsy ireo namany telo lahy, ka nampitovina tamin’ny riaka amin’ny andro ririnina, izay mitombo be rehefa mitsonika ny ranomandry sy lanezy avy eny an-tendrombohitra, nefa maina be rehefa mafana ny andro. (Jb 6:15-17) Voalaza fa toy ny andevonan’ny hain-tany sy ny hafanana ny rano avy amin’ny lanezy, no andevonan’ny Fasana ny mpanota. (Jb 24:19) Manimba vokatra sady hafahafa raha milatsaka amin’ny fahavaratra ny lanezy, ary “hafahafa koa raha ny adala no omem-boninahitra.” (Oh 26:1) Mitovy amin’inona ny iraka mendri-pitokisana, rehefa manao izay hahafa-po ny mpaniraka azy? Mitovy amin’ny zava-pisotro nampangatsiahina tamin’ny lanezy teny an-tendrombohitra, izay mamelombelona amin’ny andro fijinjana mahamay be.—Oh 25:13.