Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lanitra

Lanitra

LANITRA

Avy amin’ny teny hebreo hoe shamayim, izay amin’ny endriny milaza maro foana. Toa midika hoe ambony na avo io teny io. (Sl 103:11; Oh 25:3; Is 55:9) Tsy fantatra kosa ny niavian’ny teny grika hoe oranôs nadika hoe lanitra.

Lanitra ara-bakiteny. Mahalaza tsara ny lanitra ara-bakiteny ny teny tany am-boalohany, ka ny teny manodidina no ahafantarana hoe faritra aiza amin’ny lanitra no tiana horesahina.

Habakabaka. Azo antsoina hoe “lanitra” ny habakabaka. Eny no misy ando sy ranomandry miforona (Ge 27:28; Jb 38:29), vorona manidina (De 4:17; Oh 30:19; Mt 6:26), rivotra mitsoka (Sl 78:26), tselatra (Lk 17:24), ary rahona mandatsaka orana, lanezy, na havandra (Js 10:11; 1Mp 18:45; Is 55:10; As 14:17). Toy ny andohalambo manarona ny tany no fahitana ny habakabaka, na ny “lanitra.”—Mt 16:1-3; As 1:10, 11.

Noforonina tamin’ny andro faharoa ny “habakabaka [heb.: rakiaʽ].” (Ge 1:6-8) Io ilay “lanitra” resahin’ny Genesisy 2:4; Eksodosy 20:11; 31:17, amin’ilay hoe noforonina ny “lanitra sy ny tany.”—Jereo HABAKABAKA.

Nisaraka ny rano tetỳ ambonin’ny tany sy ny rano tambonin’ny habakabaka, rehefa noforonina ny habakabaka. Izany no antony nilazana hoe “vaky ny loharano rehetran’ny rano lalina midadasika, ka nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra”, tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. (Ge 7:11; ampit. Oh 8:27, 28.) Toy ny hoe nitosaka nanaraka lalana maro ny rano avy tany ambonin’ny habakabaka tamin’izay. Nisy koa nirotsaka ho orana. “Tampina” ilay “vavahadin-dranon’ny lanitra” rehefa ritra ny tao amin’ilay fitehirizan-drano lehibe.—Ge 8:2.

Ny any ambony tsy taka-maso. Mbola mihoatra ny habakabaka ny “lanitra” ara-bakiteny, hatrany ambony tsy taka-maso any, izay misy ny masoandro sy volana ary kintana, dia “izay rehetra eny amin’ny lanitra.” (De 4:19; Is 13:10; 1Ko 15:40, 41; He 11:12) Resahin’ny Genesisy 1:1 fa noforonina talohan’ny nanamboarana ny tany ho fonenan’ny olona ny lanitra feno kintana. Manome voninahitra an’Andriamanitra ny lanitra feno kintana sy ny habakabaka, satria asan’ny ‘rantsantanany.’ (Sl 8:3; 19:1-6) Mifehy ny zava-drehetra eny ambony eny ny “lalàn’ny lanitra” nataon’Andriamanitra. Mbola tsy tena fantatry ny mpikaroka ny momba azy ireny, na dia manana fitaovana tena arifomba aza izy ireo. (Jb 38:33; Je 33:25) Asehon’ny fikarohana nataon’izy ireo anefa fa tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny handrefy ny lanitra na hanisa ny kintana. (Je 31:37; 33:22; jereo KINTANA.) Hain’Andriamanitra anefa ny manisa sy manome anarana ny kintana.—Sl 147:4; Is 40:26.

“Afovoan’ny lanitra” sy “faravodilanitra.” Ny faritra amin’ny habakabaka misy vorona (toy ny voromahery) manidina no atao hoe “afovoan’ny lanitra.” (Ap 8:13; 14:6; 19:17) Azo lazaina hoe io ihany koa ilay antsoina hoe ‘eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra.’ (1Ta 21:16; 2Sa 18:9) Avy tany amin’ny “faravodilanitra” ireo nanafika an’i Babylona, izany hoe avy tany amin’ilay faritra lavitra toa ihaonan’ny tany sy ny lanitra sy toa iposahan’ny masoandro sy ilentehany. (Is 13:5; ampit. Sl 19:4-6.) Mety ho ny vazan-tany efatra kosa no tiana holazaina amin’ny hoe “lafiny efatry ny lanitra.” (Je 49:36; ampit. Da 8:8; 11:4; Mt 24:31; Mr 13:27.) Mahita an’izay rehetra etỳ ambonin’ny tany i Jehovah rehefa mijery ny “eny ambany lanitra rehetra eny”, satria lanitra avokoa ny manodidina ny tany.—Jb 28:24.

Lanitra feno rahona. Nadika koa hoe “lanitra” na rahona ny teny hebreo hoe shahak. (De 33:26; Oh 3:20; Is 45:8) Io koa angamba no ilazana ilay faritra toy ny andohalambo manarona ny tany izay miloko manga rehefa antoandro, ary feno kintana rehefa alina. (Sl 89:37) Ny faritra eny ambony eny fotsiny anefa matetika no tian’ny mpanoratra holazaina amin’ny hoe “lanitra”, fa tsy voafaritra hoe aiza. (Sl 57:10; 108:4) Ilazana zavatra voatoto tsara (2Sa 22:43) toy ny “vovoka manify” (shahak) ny fototenin’io teny hebreo io. (Is 40:15) Azo ilazana tsara ny rahona io teny io rehefa jerena ny fomba iforonan’ny rahona. Miakatra eny amin’ny habakabaka ny rivotra mafana, avy eo mihamangatsiaka ka lasa rahona misy eton-drano, izay piti-drano madinika. (Ampit. Jb 36:27, 28; jereo RAHONA.) Misy piti-bovoka sy etona ary molekiolana gazy toy ny an’ny oksizenina sy azota ary gazy karbonika eny amin’ny habakabaka, ka ireny no manaparitaka ny tara-masoandro. Izany no mahatonga ny lanitra ho manga. Azo lazaina hoe ‘nively ny lanitra, toy ny fively metaly mafy narendrika izay tefena ho fitaratra’ Andriamanitra rehefa nanao ny habakabaka. Voafaritra tsara mantsy ny lanitra manga rehefa jerena avy eto an-tany, satria miendrika andohalambo.—Jb 37:18.

Iharan’ny hery misinton’ny tany ireo zavatra bitika eny amin’ny habakabaka, ka tsy afa-miala lavitra ny tany izy ireny fa toy ny hoe misy fetra tsy azony ihoarana. (Ge 1:6-8) Hoatran’ny fitaratra ireny zavatra bitika ireny, ka mamerina hazavana rehefa tarafin’ny tara-masoandro. Izany no mahatonga ny lanitra hazava. Raha tsy nisy àry ny habakabaka dia tsy ho nahita afa-tsy lanitra mainty misy zavatra mamirapiratra ny olona etỳ an-tany, tsy misy hafa amin’ny fahitany ny volana izay tsy misy habakabaka manodidina azy. Toy ny faribolana mazava manodidina ny tany ny habakabaka, rehefa tazanin’ny mpanamory sambon-danitra avy any ambony tsy taka-maso any.

“Lanitry ny lanitra.” Ny lanitra avo indrindra no tiana holazaina amin’ny hoe “lanitry ny lanitra.” Anisany koa ny lanitra ara-bakiteny midadasika satria vao miala ny tany isika na aiza na aiza dia efa lanitra.—De 10:14; Ne 9:6.

Mpamorona ny lanitra i Jehovah ka avo noho ny lanitra. “Ny anarany ihany no avo indrindra. Ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” (Sl 148:13) Toy ny irain-jehy monja ny lanitra rehefa refesin’i Jehovah, toy ny zavatra refesin’ny olona hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala. (Is 40:12) Nilaza i Solomona (izay nanorina ny tempolin’i Jerosalema) fa tsy omby an’Andriamanitra ny “lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra.” (1Mp 8:27) Tsy te hilaza izy hoe tsy manana fonenana Andriamanitra, na hoe eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra Izy. Nilaza mantsy izy avy eo fa mihaino ‘any an-danitra fonenany’ i Jehovah.—1Mp 8:30, 39.

Maromaro àry no azo antsoina hoe “lanitra”, raha amin’ny heviny ara-bakiteny. Mety ho ny farany ambony tsy taka-maso ilay izy, nefa koa mety ho zavatra ambony na avo be fotsiny. Voalaza, ohatra, fa “miakatra eny amin’ny lanitra ... ary midina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina” ireo ao anaty sambo atopatopan’ny tafio-drivotra. (Sl 107:26) Voalaza koa fa nokasain’ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela hatao “mahatakatra ny lanitra ny tampony.” (Ge 11:4; ampit. Je 51:53.) Hisy koa olona ‘hiakatra eny amin’ny lanitra’, na eny amin’ny tendrombohitra avo, mba tsy hiharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy ho afa-mandositra anefa izy ireo.—Am 9:2.

Fonenan’Andriamanitra sy ny anjely. Azo iantsoana ny lanitra fonenan’Andriamanitra sy ny anjely koa ny teny tany am-boalohany ilazana ny lanitra ara-bakiteny. Fanahy Andriamanitra ka tsy monina any amin’ny lanitra ara-bakiteny. Voalaza anefa fa mitoetra any amin’ny “avo” i Jehovah, ‘ilay Avo sy Ilay Misandratra.’ (Is 57:15) Midika koa hoe “asandratra” na “avo” mantsy ny teny hebreo nadika hoe “lanitra”, ka mety ny ilazana fa ‘any amin’ny fonenana avo izay sady masina no tsara tarehy’ Andriamanitra. (Is 63:15; Sl 33:13, 14; 115:3) An’i Jehovah ny lanitra (Sl 115:15, 16), satria izy no Mpanao ny lanitra. (Ge 14:19; Sl 33:6) Ataony any an-danitra àry izay rehetra mahafinaritra azy, anisan’izany ny fahagagana.—Sl 135:6.

Ilazana an’Andriamanitra sy ny toerana ambony tanany koa anefa ny hoe “lanitra.” Any an-danitra ny seza fiandrianany, satria any izy no manjaka. (Sl 103:19-21; 2Ta 20:6; Mt 23:22; As 7:49) Avy any amin’ny toerany avo indrindra izy no “miondrika hijery” ny lanitra sy ny tany (Sl 14:2; 102:19; 113:6), sy miteny sy mamaly vavaka ary mamoaka didim-pitsarana. (1Mp 8:49; Sl 2:4-6; 76:8; Mt 3:17) Voalaza àry fa ‘nivavaka foana sy niantso vonjy tamin’ny lanitra’ i Hezekia sy Isaia, rehefa nisy nanafika i Joda. (2Ta 32:20; ampit. 2Ta 30:27.) Andriamanitra koa no tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe ‘lanitra’, rehefa nanontany an’ireo mpitondra fivavahana izy hoe “avy any an-danitra sa avy amin’ny olona” no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa. (Mt 21:25; ampit. Jn 3:27.) Niaiky ilay zanaka adala fa nanota “tamin’ny lanitra” sy tamin-drainy izy. (Lk 15:18, 21) “Fanjakan’ny lanitra” ilay notorin’i Jesosy satria any an-danitra izy io, sady “fanjakan’Andriamanitra.”—Da 2:44; Mt 4:17; 21:43; 2Ti 4:18.

Namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra na niandrandra ny lanitra àry ny olona sy ny anjely rehefa nila vonjy tamin’Andriamanitra (Ek 9:22, 23; 10:21, 22), na nianiana (Da 12:7), na nivavaka (1Mp 8:22, 23; Ft 3:41; Mt 14:19; Jn 17:1). “Manangan-tanana ho amin’ny lanitra” koa anefa i Jehovah rehefa mianina. (De 32:40) Midika izany hoe mianiana amin’ny tenany izy.—He 6:13; ampit. Is 45:23.

“Fonenana sahaza” an’ireo anjely zanak’Andriamanitra koa ny lanitra. (Jd 6; Ge 28:12, 13; Mt 18:10; 24:36) Mety ho ny kintana na ny anjely no antsoina hoe “tafiky ny lanitra.” (1Mp 22:19; ampit. Sl 103:20, 21; Da 7:10; Lk 2:13; Ap 19:14.) Azo ilazana ny anjely na ny “fiangonan’ireo masina” koa àry ny hoe “lanitra.”—Sl 89:5-7; ampit. Lk 15:7, 10; Ap 12:12.

Mpitondra. Efa hitantsika teo fa ilazana an’i Jehovah Andriamanitra Mpanjaka ny hoe lanitra. Rehefa nilaza tamin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona àry i Daniela hoe ho ‘fantany fa ny lanitra no mitondra’, dia te hilaza izy hoe ho fantany fa “ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona.”—Da 4:25, 26.

Azo ilazana an’ireo mpitondra nasandratra ho ambony noho ny vahoaka entiny koa anefa ny hoe “lanitra.” Nantsoina hoe “ilay mamirapiratra, zanaky ny maraina”, ohatra, ny tarana-mpanjaka nipoiran’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. (Is 14:12) Nandresy an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. i Nebokadnezara, ka nanandratra ny seza fiandrianany ho “ambonin’ny kintan’Andriamanitra.” Tsy iza ireo ‘kintana’ fa ny mpanjakan’ny Joda taranak’i Davida (antsoina koa hoe “ilay kintan’ny maraina mamirapiratra” i Kristy Jesosy Mpandova an’i Davida ao amin’ny Ap 22:16; ampit. No 24:17). Toy ny hoe nanandra-tena ho any an-danitra àry ny tarana-mpanjaka tao Babylona, rehefa resiny ny taranak’i Davida voatendrin’Andriamanitra. (Is 14:13, 14) Io fanjakana babylonianina nahery sy nidadasika io ilay hazo izay lasa avo “nanakatra ny lanitra” hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofiny.—Da 4:20-22.

Lanitra vaovao sy tany vaovao. Azontsika àry ny tiana holazaina amin’ny hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” ao amin’ny Isaia 65:17; 66:22, sy 2 Petera 3:13. Hitantsika teo aloha mantsy fa ilazana mpitondra ny hoe “lanitra.” Hoy koa ny rakipahalalana iray: “Midika hoe fitondrana vaovao, fanjakana vaovao, firenena vaovao, ny hoe lanitra vaovao sy tany vaovao ao amin’ny Isa. 65:17.”—Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong, 1891, Boky Faha-4, p. 122.

Ny vahoaka entina no antsoina hoe “tany” (Ge 11:1; jereo TANY), ary ny mpitondra mifehy an’ilay “tany” no antsoina hoe “lanitra.” Tanteraka voalohany tamin’ny Israelita avy tany an-tsesitany tany Babylona ilay faminanian’i Isaia momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao.” I Kyrosy Lehibe no nampiasain’Andriamanitra hampody azy ireo. Niova ny fitondrana rehefa nody tany an-tanindrazany izy ireo. I Zerobabela (taranak’i Davida) mantsy no governora, ary i Josoa no mpisoronabe tao Jerosalema. Izy ireo no “lanitra vaovao”, na fitondrana vaovao nifehy sy nitondra ny vahoaka, araka ny fikasan’i Jehovah. (2Ta 36:23; Hg 1:1, 14) Lasa “antom-pifaliana” àry i Jerosalema, ary lasa ‘antom-piravoana ny vahoakany.’—Is 65:18.

Mbola niresaka momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” anefa i Petera. Midika izany fa ho tanteraka amin’ny hoavy koa ny faminanian’i Isaia, araka ny fampanantenan’Andriamanitra. (2Pe 3:13) Misy ifandraisany amin’ny fanatrehan’i Kristy Jesosy ilay fampanantenana. (2Pe 3:4) Tsy maintsy ho ny Fanjakan’ny Mesia sy ny olom-peheziny àry ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao.” Nanjary “avo noho ny lanitra” (He 7:26) i Kristy Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty ka nankeo ankavanan’Andriamanitra. Lasa “ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana” izy, “tsy eto amin’ity tontolo ity ihany, fa any amin’ilay ho avy koa.”—Ef 1:19-21; Mt 28:18.

“Nahazo fiantsoana ho any an-danitra” ny mpanara-dia an’i Jesosy (He 3:1), ka nataon’Andriamanitra ho ‘mpiara-mandova’ amin’i Kristy. Amin’ny alalan’i Kristy no ‘hanangonana indray ny zava-drehetra.’ “Ny zavatra any an-danitra”, izany hoe ireo voantso ho any an-danitra no voalohany nangonina mba ho tafaray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. (Ef 1:8-11) “Voatahiry any an-danitra” ny lovan’izy ireo. (1Pe 1:3, 4; Kl 1:5; ampit. Jn 14:2, 3.) “Voasoratra” any an-danitra izy ireo, ary “olom-pirenen’ny” lanitra. (He 12:20-23; Fi 3:20) Izy ireo no anisan’ilay “Jerosalema Vaovao” hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana fa “nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra.” (Ap 21:2, 9, 10; ampit. Ef 5:24-27.) Miresaka momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” anefa ilay fahitana. (Ap 21:1) I Kristy sy ny ‘ampakariny’ na “Jerosalema Vaovao” àry ilay “lanitra vaovao”, ary ny “olombelona” hofeheziny izay handray soa amin’ny fitondran’izy ireo no “tany vaovao.”—Ap 21:3, 4.

Lanitra fahatelo. Nilaza i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 12:2-4 fa nisy olona “nentina ho any amin’ny lanitra fahatelo” sy “nentina tany amin’ny paradisa.” Azo inoana fa ny tenany ihany no noresahin’i Paoly eo satria tsy milaza ny Baiboly hoe nisy olon-kafa nentina tany. Misy mihevitra fa iray amin’ireo “lanitra fito” ninoan’ny raby fahiny ilay lanitra fahatelo noresahin’i Paoly. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe misy ambaratonga na rihana samy hafa ny lanitra. Mila jerena kosa ny teny manodidina mba hahafantarana raha ny habakabaka, na ny any ambony tsy taka-maso, na ny lanitra fonenan’Andriamanitra, na zavatra hafa ny “lanitra” resahin’ilay andininy. Azo inoana àry fa ilay fitondrana faran’izay tsara, dia ny Fanjakan’ny Mesia, no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe “lanitra fahatelo.” Mariho koa fa misy teny averina intelo ao amin’ny Isaia 6:3; Ezekiela 21:27; Jaona 21:15-17; ary Apokalypsy 4:8, mba hanamafisana hevitra.

Lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha. Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana fa lasa “ny lanitra taloha sy ny tany taloha.” (Ap 21:1; ampit. 20:11.) Resahin’ny Soratra Grika Kristianina fa fehezin’i Satana ireo mpitondra sy firenena eto an-tany. (Mt 4:8, 9; Jn 12:31; 2Ko 4:3, 4; Ap 12:9; 16:13, 14) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa manana fanjakana sy fahefana ary mifehy an’ireo mpanjakan’izao tontolo izao ny “fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Ef 6:12) Lasa àry “ny lanitra taloha”, rehefa mifarana ny fitondrana ara-politika fehezin’i Satana sy ny demoniany. Manamafy izany ny voalazan’ny 2 Petera 3:7-12 hoe holevonina amin’ny afo ‘ny lanitra ankehitriny.’ Milaza koa ny Apokalypsy 19:17-21 fa ‘hatsipy ao amin’ny farihy afo arehitry ny solifara’ ilay bibidia an’ohatra. Midika izany fa hofoanana tanteraka ny fitondrana ara-politika sy ny mpanohana azy. (Ampit. Ap 13:1, 2.) Ny Devoly kosa hatsipy ‘ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka’ ka hohidiana ao mandritra ny arivo taona, ary avy eo “hovahana vetivety.”—Ap 20:1-3.

Fampietrena an’izay nasandratra. Ilazana zavatra avo na ambony ny hoe lanitra. Raha milaza àry ny Baiboly hoe ‘mihovotrovotra’ na ‘mihorohoro’ ny lanitra, dia midika izany hoe aetry izay nasandratra. ‘Nazeran’i Jehovah avy any an-danitra ho amin’ny tany ny hatsaran-tarehin’ny Israely’, rehefa lasa aolo i Joda. Anisan’ilay hatsaran-tarehy ny fanjakan’ny Joda mbamin’ireo andriana sy mpitondra tao. Levon’ny afo anefa ilay hatsaran-tarehy. (Ft 2:1-3) Nihorohoro koa ny ‘lanitr’i Babylona’ ary nihovotrovotra ny ‘taniny’, rehefa resin’ny Medianina sy Persianina izy. Hita fa sandoka ireo sampy nasandrany ho andriamanitra satria tsy nahasakana azy tsy ho resy.—Is 13:1, 10-13.

Nilaza koa ny faminaniana fa ho ringana ihany i Edoma na dia nanana toerana ambony aza. Ho feno ny ran’ireo voavono eny amin’ny “lanitra” ny sabatr’i Jehovah, ary tsy hisy ho afaka hanampy an’i Edoma ireo nandrandrainy. (Is 34:4-7; ampit. Ob 1-4, 8.) Misy mieboebo erỳ ka “ataony manakatra ny lanitra mihitsy ny vavany.” Ho ringana anefa izy ireo. (Sl 73:8, 9, 18; ampit. Ap 13:5, 6.) Toy ny hoe nasandratra ny tanànan’i Kapernaomy rehefa tonga nitory sy nampianatra ary nanao fahagagana tao i Jesosy. Tsy nino azy anefa ny mponina tao, ka hoy izy: ‘Hasandratra ho any an-danitra ve ianao? Any amin’ny Fasana no hidinanao.’—Mt 11:23.

Hihamaizina ny lanitra. Raha nanan-karena na niadana ny olona iray nefa lasa mahantra na mijaly, dia matetika no lazaina fa maizina ny tany aman-danitra aminy, toy ny rehefa rakotry ny rahona mainty be ny habakabaka ka tsy hita intsony ny hazavana na andro na alina. (Ampit. Is 50:2, 3, 10.) Nisy fotoana koa Andriamanitra nanao fahagagana teny amin’ny lanitra na nanamaizina ny lanitra, mba hanehoana ny fahatezerany.—Ek 10:21-23; Js 10:12-14; Lk 23:44, 45.

Andro maizina ho an’i Joda ny nanafihan’i Babylona azy, ho fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany, araka ny faminanian’i Joela. Lasa aolo i Joda tamin’ny farany. (Jl 2:1, 2, 10, 30, 31; ampit. Je 4:23, 28.) Toa tsy nisy azony nantenaina hanampy azy ny tany an-danitra. Lasa ‘nihorohoro andro aman’alina’ izy, ka nitebiteby sy namoy fo na maraina na hariva. (De 28:65-67) Nampitandrina ny fahavalon’i Joda anefa i Jehovah fa ho maizina amin’izy ireo koa ny lanitra rehefa ampihariny amin’izy ireo ny didim-pitsarany. (Jl 3:12-16) Nilaza koa i Ezekiela sy Isaia fa ho maizina ny lanitra rehefa ampiharina amin’i Ejipta sy Babylona ny didim-pitsaran’Andriamanitra.—Ezk 32:7, 8, 12; Is 13:1, 10, 11.

Naverin’i Petera ny faminanian’i Joela, tamin’ny Pentekosta, tamin’izy nampirisika ny mpihaino azy hoe: “Aoka ianareo hovonjena ho afaka amin’ity taranaka tsy marina ity.” (As 2:1, 16-21, 40) Tena nanjombona ny andron’ireo tsy niraharaha ny teniny rehefa nataon’ny Romanina fahirano sy noravany i Jerosalema, 40 taona latsaka kely taorian’izay. Efa naminany koa i Jesosy talohan’ny Pentekosta fa hisy andro manjombona mandritra ny fanatrehany.—Mt 24:29-31; Lk 21:25-27; ampit. Ap 6:12-17.

Haharitra mandrakizay ny lanitra ara-bakiteny. Hoy i Elifaza Temanita momba an’Andriamanitra: “Na ny anjeliny masina aza tsy atokisany, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony.” Nilaza anefa i Jehovah tatỳ aoriana fa ‘tsy nilaza ny marina momba azy’ i Elifaza sy ny namany roa lahy, ‘tsy mba tahaka an’i Joba mpanompony.’ (Jb 15:1, 15; 42:7) Resahin’ny Eksodosy 24:10 kosa fa madio ny lanitra. Tsy misy antony àry tokony hanapotehan’Andriamanitra ny lanitra.

Ampitahaina amin’ny zavatra eny amin’ny lanitra ny zavatra haharitra mandrakizay, toy ny fiadanana sy ny fahamarinana hanjaka rehefa mitondra ny Zanak’Andriamanitra taranak’i Davida. Porofo izany fa haharitra foana ny lanitra. (Sl 72:5-7; Lk 1:32, 33) Tsy amin’ny heviny ara-bakiteny àry ilay hoe “ho levona” sy ‘hosoloana toy ny akanjo tonta’ ny lanitra resahin’ny Salamo 102:25, 26.

Hoy i Jesosy: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.” (Lk 21:33) Milaza anefa ny andininy hafa fa haharitra mandrakizay ny “lanitra sy ny tany.” (Ge 9:16; Sl 104:5; Mpto 1:4) Manana heviny an’ohatra àry ny “lanitra sy ny tany” noresahin’i Jesosy, toy ilay ‘lanitra taloha sy tany taloha’ resahin’ny Apokalypsy 21:1.—Ampit. Matio 24:35.

Asongadin’ny Salamo 102:25-27 fa velona mandrakizay Andriamanitra ary tsy ho faty mihitsy, fa ny tany sy ny lanitra noforoniny kosa mety ho levona, na ho potika, raha izay no tiany. Tsy hoatran’Andriamanitra ny zavaboariny hita maso, satria tsy maintsy miankina aminy vao afaka ny haharitra. Tsy maintsy mihavao foana koa ny zavaboary eto an-tany vao maharitra na tsy miova. Miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny heriny no aharetan’ny lanitra, araka ny Salamo faha-148. Miresaka momba ny masoandro sy ny volana sy ny kintana ary ny zavaboary hafa io salamo io, ary voalazan’ny andininy faha-6 fa ‘ataon’Andriamanitra izay haharetan’izy ireo mandrakizay, eny, mandritra ny fotoana tsy voafetra. Efa namoaka fitsipika izy, ary tsy ho foana mihitsy ireny.’

Miresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra ny Salamo 102:25, 26. Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy Kristy koa anefa ireo andininy ireo. Io Zanany lahitokana io mantsy no nampiasain’Andriamanitra tamin’ny famoronana an’izao rehetra izao hita maso. Nasongadin’i Paoly àry fa ho velona mandrakizay ny Zanaka, fa ny zavaboary kosa azon’Andriamanitra ‘avalona toy ny akanjo’ tsy ilaina intsony, raha tiany.—He 1:1, 2, 8, 10-12.

Heviny an’ohatra. Antsoina hoe ‘fitehirizam-bokatra tsaran’i’ Jehovah ny lanitra, satria ny tara-masoandro, orana, ando, rivotra mamelombelona, ary ny zavatra hafa eny amin’ny habakabaka no anisan’ny mampisy sy mampaharitra ny fiainana eto an-tany. (De 28:11, 12; 33:13, 14) Nosokafan’i Jehovah, ohatra, ny ‘varavaran’ilay’ fitehirizam-bokatra rehefa nalatsany tetỳ an-tany ny mana, na ilay “sakafo avy any an-danitra.” (Sl 78:23, 24; Jn 6:31) Toy ny hoe “sinin-dranon’ny lanitra” any amin’ny efitra ambony amin’ilay fitehirizam-bokatra ny rahona, ary toy ny hoe mivoaka amin’ny “vavahadin-drano” ny orana. Ny eton-drano no lasa orana rehefa midona amin’ny tendrombohitra, ohatra, na rehefa alatsak’Andriamanitra amin’ny faritra sasany. (Jb 38:37; Je 10:12, 13; 1Mp 18:41-45) Azo lazaina hoe ‘nihidy’ kosa ny lanitra rehefa tsy notahin’Andriamanitra ny Israelita tany Kanana. Lasa mafy toy ny vy ny lanitra satria tsy nandatsaka orana mihitsy, ary lasa toy ny an’ny varahina ny lokony satria feno vovoka ny habakabaka. Mena toy ny varahina tokoa ny lanitra tsy misy rahona rehefa “mihidy” na tsy misy orana. Misongadina kokoa mantsy ny onjam-pahazavana mena, satria miparitaka kokoa ny tara-pahazavana manga rehefa mihabetsaka ny piti-bovoka eny amin’ny habakabaka. Izany no mahatonga ny lanitra ho somary mena rehefa hilentika ny masoandro, satria mandeha lavitra kokoa ny tara-masoandro vao tonga etỳ amintsika.—Le 26:19; De 11:16, 17; 28:23, 24; 1Mp 8:35, 36.

Mora kokoa amintsika àry ny mahazo ny hevitry ny sarin-teny nolazain’i Jehovah ao amin’ny Hosea 2:21-23, momba ny fitahiana ho azon’ny Israelita tafaverina any amin’ny taniny, rehefa avy nahita faisana izy ireo noho ny fivadihany. Hoy i Jehovah: “Hamaly ny fangatahan’ny lanitra [aho], ary ny lanitra kosa hamaly ny fangatahan’ny tany. Ary ny tany hamaly ny fangatahan’ny varimbazaha sy ny divay mamy ary ny menaka. Ireo kosa hamaly ny fangatahan’i Jezirela.” Midika izany fa hiangavy an’i Jehovah handrotsaka fitahiana amin’ny alalan’ireo zavaboariny ireo ny Israelita. Oharina amin’ny olona koa àry ireo zavaboary ireo satria toy ny hoe afaka mangata-javatra. Hangataka varimbazaha sy divay ary menaka ny Israelita. Ny zavamaniry mamokatra an’ireo kosa mila sakafo sy rano avy amin’ny tany. Ny tany indray mila masoandro sy orana ary ando avy amin’ny lanitra. Rehefa eken’Andriamanitra ilay fangatahana ary rehefa ankasitrahany ilay firenena, vao hamaly ny lanitra (izay ‘nihidy’ teo aloha satria tsy notahin’i Jehovah ny Israelita). Hahazo izay ilainy àry ny tany ka hanome vokatra ho an’ny Israelita. Azo antoka fa ho tanteraka izany, araka ilay faminaniana.

Nampiasa sarin-teny koa i Davida ao amin’ny 2 Samoela 22:8-15. Nohariny tamin’ny oram-baratra mivatravatra ny nanafahan’Andriamanitra azy teo an-tanan’ny fahavalony. Lasa toy ny hoe nihorohoro àry ny fototry ny lanitra. ‘Nitongilana’ koa ny lanitra fa feno rahona mainty.—Ampit. Ek 19:16-18; Is 64:1, 2.

Resahina matetika hoe ‘mamelatra’ na ‘manenjana ny lanitra’ toy ny manenjana tranolay (Sl 104:1, 2; Is 45:12) i Jehovah, ilay “Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra.” (Jk 1:17) Toy ny andohalambo goavana tokoa no fahitan’ny olona ny lanitra na ny habakabaka amin’ny antoandro, sy ny lanitra feno kintana amin’ny alina. Resahin’ny Isaia 40:22 kosa fa mamelatra ny lanitra toy ny “lamba manify” fa tsy toy ny lamban’ny tranolay matevina i Jehovah. Toy ny dantelina manify eo amin’ny lamba volory mainty tokoa ny fahitana an’ireo kintana an’arivony mandravaka ny lanitra, rehefa amin’ny alina tsy semban-drahona iny. Na ny Vahindanitra Mivolondronono midadasika misy ny masoandro sy ny tanintsika aza toy ny lamba manify no fahitana azy.

Tsy maintsy jerena foana àry ny andininy manodidina mba hahafantarana hoe inona no hevitr’ireny sarin-teny ireny. Niantso “ny lanitra sy ny tany” ho vavolombelon’izay nolazainy tamin’ny Israely, ohatra, i Mosesy. Tsy ireo zavaboary tsy mananaina anefa no tiany holazaina, fa ireo mipetraka any an-danitra sy eto an-tany. (De 4:25, 26; 30:19; ampit. Ef 1:9, 10; Fi 2:9, 10; Ap 13:6.) Ireo koa no lanitra sy tany nihoby rehefa resy i Babylona. (Je 51:48; ampit. Ap 18:5; 19:1-3.) Tsy lanitra ara-bakiteny koa ilay ‘nampikoriana fahamarinana.’ (Is 45:8) Indraindray anefa ny lanitra ara-bakiteny no lazaina fa miravoravo na mihorakoraka. Hifaly daholo, ohatra, ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny saha rehefa tonga hitsara ny tany i Jehovah. (Sl 96:11-13; ampit. Is 44:23.) Manome voninahitra ny Mpamorona koa ny lanitra, tsy misy hafa amin’ny asa tanana voakaly tsara manome voninahitra an’izay nanamboatra azy. Manambara ny herin’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny fahamboniany tokoa ny lanitra.—Sl 19:1-4; 69:34.

Miakatra any an-danitra. Resahin’ny 2 Mpanjaka 2:11, 12 hoe “niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra” i Elia mpaminany. Tsy ny lanitra fonenan’Andriamanitra akory ny tiana holazaina eo, fa ny habakabaka misy tafio-drivotra. Tsy maty i Elia tamin’izay satria mbola velona an-taonany maro, taorian’ny nahitan’i Elisa azy niakatra ho any amin’ny lanitra. Tsy nankany an-danitra koa izy rehefa maty, satria nilaza mazava i Jesosy tamin’izy teto an-tany hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra.” (Jn 3:13; jereo ELIA No. 1 [Nandimby azy i Elisa].) Noresahin’i Petera koa tamin’ny Pentekosta fa “tsy niakatra tany an-danitra” i Davida. (As 2:34) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nanantena ny ho any an-danitra ny mpanompon’Andriamanitra velona talohan’ny nahatongavan’i Kristy Jesosy tetỳ an-tany. I Jesosy no voalohany nampanantena izany ny mpianany. (Mt 19:21, 23-28; Lk 12:32; Jn 14:2, 3) Efa taorian’ny Pentekosta taona 33 koa izy ireo vao nahazo tsara ny dikan’ilay fampanantenana.—As 1:6-8; 2:1-4, 29-36; Ro 8:16, 17.

Milaza ny Baiboly fa i Kristy Jesosy no voalohany niakatra tany an-danitra ka niseho teo anatrehan’Andriamanitra, rehefa avy nanao sorona ny ainy. (1Ko 15:20; He 9:24) Tamin’izay izy no ‘nanokatra ny lalana’ ho an’ireo Kristianina voahosotra. (Jn 14:2, 3; He 6:19, 20; 10:19, 20) Hitondra ny “endrik’ilay avy any an-danitra” na i Kristy Jesosy izy ireo rehefa atsangana amin’ny maty, mba ho afaka hiakatra any an-danitra. Tsy mahazo mandova an’ilay Fanjakana any an-danitra mantsy ny “nofo aman-dra.”—1Ko 15:42-50.

Nahoana no lazaina fa mipetraka “any amin’ny faritry ny lanitra” ny olona mbola eto an-tany?

Nilaza i Paoly fa toy ny hoe efa any an-danitra ny Kristianina mbola eto an-tany, ka atsangana sy ‘miaraka apetraka eo amin’ny toerana tanany any amin’ny faritry ny lanitra, noho izy ireo tafaray amin’i Kristy Jesosy.’ (Ef 1:3; 2:6) Asehon’ny teny manodidina fa toy ny hoe efa any an-danitra izy ireo eo imason’Andriamanitra, satria efa ‘nataony mpiara-mandova’ amin’ny Zanany any an-danitra. ‘Manandratra’ azy ireo ilay fampanantenana, na dia mbola eto an-tany aza izy ireo. (Ef 1:11, 18-20; 2:4-7, 22) Mazava amintsika àry ny hevitry ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy 11:12. Azontsika koa ny hevitr’ilay faminaniana momba ny fanjakana iray ‘nihalehibe ka nipaka hatrany amin’ny tafiky ny lanitra’, resahin’ny Daniela 8:9-12. Nazeran’izy io tamin’ny tany mihitsy ny sasany tao amin’ilay tafika sy ny kintana sasany. Milaza kosa ny Daniela 12:3 fa hamirapiratra “toy ny kintana, mandritra ny fotoana tsy voafetra” ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany amin’ny fotoanan’ny farany. Miresaka momba ny kintana an’ohatra koa ny Apokalypsy toko 1-3. Olona velona eto an-tany miatrika fakam-panahy ireo “kintana” ireo. Mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana izy ireo, raha ny marina.—Ap 1:20; 2:1, 8, 12, 18; 3:1, 7, 14.

Fiantsoana ho any an-danitra. Tsy izay rehetra mino ny sorom-panavotan’i Kristy sy mankatò ny fampianaran’Andriamanitra dia ho any an-danitra avokoa. Asehon’ireo boky nosoratan’ny apostoly sy mpianatr’i Kristy fa Andriamanitra no miantso sy mifidy azy amin’ny alalan’ny Zanany. (2Ti 1:9, 10; Mt 22:14; 1Pe 2:9) Misy dingana maromaro ataon’ny olona iray sy zavatra maro ataon’Andriamanitra, vao mahafeno fepetra ho anisan’ireo hahazo lova any an-danitra ilay olona. Anisan’ny zavatra ataon’Andriamanitra ny manambara azy ho marina (Ro 3:23, 24, 28; 8:33, 34), miteraka azy ho zanany ara-panahy (Jn 1:12, 13; 3:3-6; Jk 1:18), manao batisa azy ho amin’ny fahafatesan’i Kristy (Ro 6:3, 4; Fi 3:8-11), manosotra azy amin’ny fanahy masina (2Ko 1:21; 1Jn 2:20, 27), ary manamasina azy (Jn 17:17). Ilay voantso kosa tsy maintsy miezaka ny tsy hivadika mandra-pahafatiny. (2Ti 2:11-13; Ap 2:10) Ho mendrika an’ilay fiantsoana sy fifidianana azy izy amin’izay (Ap 17:14), ka hatsangana ho any an-danitra.—Jn 6:39, 40; Ro 6:5; 1Ko 15:42-49; jereo FANAMASINANA; FITSANGANANA AMIN’NY MATY; MANAMBARA HO MARINA; VOAHOSOTRA, FANOSORANA.