Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lanja sy Refy

Lanja sy Refy

Ny fikarohana ny any ambanin’ny tany sy ny Baiboly ary ny asa soratra fahiny no ahalalana hoe firy eo ho eo ny lanja sy refy nampiasain’ny Hebreo.

Refy. Ny vatan’olombelona no nampiasain’ny Hebreo handrefesana. Azo ampitahaina mantsy ny halava na sakan’ny rantsambatana samy hafa, ka azo fantarina ny mifanitsy amin’ny refy tsirairay. Hitan’ny mpikaroka koa fa 44,5 sm eo ho eo ny hakiho iray, ka azo fantapantarina hoe mety ho firy ankehitriny ny refy resahin’ny Baiboly. (Jereo HAKIHO.) Asehon’ny tabilao eto ambany ny mifanitsy amin’ireo refy hebreo sy ny mety ho refin’izy ireny ankehitriny.

Refy

   

Refiny ankehitriny

1 voantondro

= 1⁄4 sakan’ny felatanana

1,85 sm

1 sakan’ny felatanana

= 4 voantondro

7,4 sm

Irain-jehy

= 3 sakan’ny felatanana

22,2 sm

1 hakiho

= roan-jehy

44,5 sm

1 hakiho lava*

= 7 sakan’ny felatanana

51,8 sm

1 hakiho fohy

 

38 sm

1 bararata

= 6 hakiho

2,67 m

1 bararata lava

= 6 hakiho lava

3,11 m

* Angamba mitovy amin’ny hakiho “taloha” ao amin’ny 2Ta 3:3.

Gômed (heb.) no ilazan’ny Mpitsara 3:16 ny halavan’ny sabatr’i Ehoda. Ao ihany no misy an’io teny io. Tsy tena fantatra ny dikany, fa Baiboly maro no mandika azy io hoe “hakiho.” (Prot., Kat., JM, TV) Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho hakiho fohy, izay miainga eo amin’ny kiho ka hatreo amin’ny tonon-taolana voalohany amin’ny totohondry avonkina, ilay hoe gômed. Mirefy 38 sm eo ho eo àry izy io.

Fandrefesana ny halalin’ny rano kosa ny hoe ôrgoia (gr.). (As 27:28) Tokotokony ho efatra hakiho (1,8 m eo ho eo) izy io, ary mitovitovy amin’ny elanelan’ny tendron’ny rantsantanana iray hatreo amin’ny tendrony ilany, rehefa atsotra miankavia ny tanana havia ary atsotra miankavanana ny ilany. Avy amin’ny fototeny midika hoe “manatsotra; manatratra” rahateo ny hoe ôrgoia.

Anisan’ny refy resahin’ny Baiboly koa ny metatra, ny kilaometatra na angamba ny maily romanina (1479,5 m), ary ny stadiôn na stadio (185 m). (Mt 5:41) Mety ho maily romanina koa ny hoe miliôn, ao amin’ny Baiboly. Tsy nisy hoe miliôn fa stadio (1 stadio romanina = 1⁄8 maily romanina; 185 m) ao amin’ny Lioka 24:13 sy Jaona 6:19; 11:18 amin’ny soratra grika. Navadika ho kilaometatra ireo stadio ireo ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. “Iraika ambin’ny folo kilaometatra teo ho eo”, ohatra, ny “enim-polo stadio.”​—Lk 24:13; ampit. Prot.

Ilazana halaviran-dalana matetika ny hoe “lalana.” (Ge 31:23; Ek 3:18; No 10:33; 33:8) Mety ho 32 km na mahery ny lalana iray andro, ary toa 1 km teo ho eo ny lalana indray sabata.​—Mt 24:20; As 1:12; jereo LALANA; STADIO.

Fatra. Tokotokony ho 22 L ny iray bata, rehefa jerena ny silaka siny misy soratra hoe “bata” amin’ny teny hebreo tranainy. Ny fatran’ny bata iray no niaingana mba hanombanana ny fatran’ny ranon-javatra sy zavatra maina eo amin’ny tabilao eo ambany. Tao amin’ny asa soratra tranainy hafa no nahafantarana ny fifanitsiana eo amin’ireo refy samihafa, rehefa tsy niresaka momba izany ny Baiboly.​—Jereo BATA; HINA; HOMERA; KABA; KORA, II; LOGA; OMERA; SEHA.

Fatran’ny zavatra maina

   

Fatrany ankehitriny

1 kaba

= 4 loga

1,22 L

1 omera

= 14⁄5 kaba

2,2 L

1 seha

= 31⁄3 omera

7,33 L

1 efaha

= 3 seha

22 L

1 homera

= 10 efaha

220 L

Fatran’ny ranon-javatra

   

Fatrany ankehitriny

1 loga

= 1⁄4 kaba

0,31 L

1 kaba

= 4 loga

1,22 L

1 hina

= 3 kaba

3,67 L

1 bata

= 6 hina

22 L

1 kora

= 10 bata

220 L

Fatra hafan’ny zavatra maina sy ranon-javatra. Ampahafolon’ny efaha matetika ny hoe ʽissarôhn (heb.; “ampahafolo”). (Ek 29:40; Le 14:10; 23:13, 17; No 15:4) Enina seha ilay “vary orza inenin’ny famarana” (a.b.t.: vary orza enina) ao amin’ny Rota 3:15, hoy ny Targoman’i Jonatana. Antsasaka homera kosa ny hoe letek (heb.), araka ny Mishnah sy ny Vulgate. (Ho 3:2, Kat.; Bava Mezia 6:5 f.a.p. sy fanazavana fanampiny II, D, nadikan’i H. Danby) Ny hoe metretes (gr.; mr. ao amin’ny Jn 2:6 ary nadika hoe “daba”) sy hoe batôs (mr. ao amin’ny Lk 16:6) indray, hoy ny sasany, no mitovy amin’ny bata hebreo. Heverin’ny manam-pahaizana kosa fa iray litatra mahery kely ilay hoe kôiniks (gr.; “kilao”). (Ap 6:5, 6) Samy lasa denaria iray ny vidin’ny varimbazaha iray kôiniks sy ny vary orza telo kôinikes, rehefa novahana “ny tombo-kase fahatelo.” Karama iray andro ny denaria iray tamin’ny andron’i Jaona. (Mt 20:1-12) Hisy mosary àry matoa lafo be toy izany ireo vary ireo.

Lanja. Milanja 11,4 g eo ho eo ny sekely iray, araka ny voka-pikarohana. Io lanja io no niaingana mba hanombanana ny mifanitsy amin’ireo lanja hebreo sy ny lanjany ankehitriny, eo amin’ny tabilao eo ambany.

Lanja

   

Lanjany ankehitriny

Gera 1

= 1⁄20 sekely

0,57 g

Beka 1 (antsasaka sekely)

= gera 10

5,7 g

Sekely 1

= beka 2

11,4 g

Mina 1 (mane)

= sekely 50

570 g

Talenta 1

= mina 60

34,2 kg

Iray livatra romanina (327 g) ny hoe litra (gr.). Drakma 100 kosa ny farantsa iray ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Jereo DRAKMA.) Nilanja 340 g àry ny farantsa grika, ary 20,4 kg ny talenta grika.​—Jereo MINA, FARANTSA; SEKELY; TALENTA; VOLA.

Vatomizana hebreo vitsivitsy misy soratra

Refin-tany. Arakaraka ny habetsahan’ny voa nila nafafy tamin’ny tany iray (Le 27:16; 1Mp 18:32), na ny velaran-tany azon’ny omby roa nasaina tao anatin’ny iray andro, no namaritan’ny Hebreo ny haben’ny tany iray. (1Sa 14:14, Rbi8, f.a.p.) Tsemed (heb.) no nadika hoe “ampahefatry ny hektara teo ho eo” ao amin’ny 1 Samoela 14:14. Midika ara-bakiteny hoe “tsiroaroa” (1Mp 19:19) izy io, ary nadika koa hoe “roa” (Mpts 19:3; 1Sa 11:7) na ‘miaraka’ (2Mp 9:25, Kat.). Ilazana faritra mirefy 0,25 ha ilay hoe iugerum izay nandikana azy io ao amin’ny Vulgate latinina.