Lantihy
[Heb.: ʽadashah].
Zavamaniry kely anisan’ny fianakaviamben’ny voamadinika. Maniry isan-taona izy io, ary efa nambolena hatry ny ela. Mbola be mpamboly azy io any Ejipta sy Israely ary ny tany hafa. (2Sa 17:27, 28; 23:11) Tany malemy nefa maina no tiany. Mirefy 15 ka hatramin’ny 46 sm ny haavon’ny lantihy (Lens esculenta), ary misy raviny kely enina lavalava mandeha tsiroaroa matetika izay miafara amin’ny sakelika miolikolika. Manify ny tahony, ary misy voninkazo kely (toy ny an’ny pitipoà) roa na efatra izay lasa voany mifono hoditra fohy (toy ny an’ny pitipoà) misy voa kely roa boribory fisapisaka matetika. Arakaraka ny karazany ny lokon’ny voa sy ny voninkazony. Volontsôkôlà somary mena na volondavenona na mainty ny voany, fa fotsy na manga tanora kosa ny voninkazony. Be proteinina sy gliosida ny lantihy, ka fanao lasopy toy ny taloha ihany. (Ge 25:34) Atao mofo izy io rehefa afangaro vary orza. (Ampit. Ezk 4:9.) Sakafon’ny biby fiompy koa ilay zavamaniry.