Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lapa

Lapa

1. Trano fonenan’ny mpanjaka; na koa trano lehibe tsara tarehy fonenan’ny andriana na mpanefohefo. (Da 4:4; Lk 11:21; jereo LAPAN’NY GOVERNORA.) Ilazana matetika ny tempoly, na ny fonenan’i Jehovah Tompo Fara Tampony, ny teny hebreo hoe hehkal (lapa). (1Sa 1:9; 1Mp 6:3; Ezr 5:14; Da 5:3) Toerana voaro mafy nisy manda sy tilikambo ary vavahady lehibe ny lapa fahiny matetika. (Ne 1:1; Es 1:2) Nalalaka ny tokotaniny ary tena kanto ireo zaridainany.​—Es 1:5.

Resahin’ny Baiboly ny lapa tany Asyria (Na 1:1; 2:6), Babylona (2Mp 20:18; 2Ta 36:7; Is 39:7; Da 1:4; 5:5), ary Persa (Ezr 4:14; Es 7:7, 8). “Lapa kanto” ireo tany Babylona. (Is 13:22) Anisan’ny lapa niavaka indrindra fahiny ilay naorin’i Solomona, matoa nahazendana ny mpanjakavavin’i Sheba ilay izy.​—1Mp 10:4, 5.

Naorina teo amin’ny Tendrombohitr’i Moria teo atsimon’ny tempoly ilay lapan’i Solomona. Anisan’ny tranom-panjakana naoriny teo tao anatin’ny 13 taona teo ho eo koa ny Trano Alan’i Libanona, ny Lala-mitafo Maro Andry, ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana, ary ny trano ho an’ny zanakavavin’i Farao (iray tamin’ireo vadiny maro) teo akaikin’ny lapan’ny mpanjaka.​—1Mp 7:1-8.

Tsy resahin’ny Baiboly firy ny momba ny lapan’i Solomona, tsy hoatran’ny momba ny tempoly. Lehibe anefa ilay izy rehefa jerena ny refin’ny vato natao fototra: Valo hakiho (3,6 m) sy folo hakiho (4,5 m) ny lavany, ary toy izany koa ny sakany sy hateviny. Nilanja taonina maro àry izy ireo. Vato lafo vidy nanara-drefy no natao rindrina, ary voatsofa tsara na ny atiny na ny ivelany.​—1Mp 7:9-11; ampit. Sl 144:12.

Niresaka momba ny “lapa ivoara mirenty” ilay nanoratra ny Salamo faha-45. Mety ho ny fanaka sy haingon-trano tao an-dapan’i Solomona no tao an-tsainy. Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’i Jesosy Kristy Mpanjaka any an-danitra io salamo io.​—Sl 45:8, 15; ampitahao Sl 45:6, 7 sy He 1:8, 9; Lk 4:18, 21.

2. Ny bokin’i Daniela, Estera, Nehemia ary ny Tantara ihany, izay samy vita teo anelanelan’ny 536 tany ho any sy taorian’ny 443 T.K. taorian’ny sesitany tany Babylona, no ahitana ny teny hebreo hoe birah, nadika hoe ‘lapa’ na “toerana voaro mafy.”​—1Ta 29:1; 2Ta 17:12; Es 1:2.

“Lapa”, hoy i Ezra (nanoratra tamin’ny fiteny fampiasa tamin’ny androny), no nilazan’i Davida ny tempoly haorin’i Solomona, tamin’izy nampirisika ny vahoaka hanohana tanteraka an’ilay tetikasa.​—1Ta 29:1, 19.

Nanorina lapa na toerana voaro mafy teo avaratrandrefan’ilay tempoly naorina indray i Nehemia, satria teo no tena mora notafihina. (Ne 2:8; 7:2) Nosoloan’ny Makabeo lapa vaovao ilay izy tatỳ aoriana. Naorin’i Heroda Lehibe indray ilay izy rehefa nisy rava, ary nantsoiny hoe Tilikambon’i (Lapa Voaro Mafin’i) Antonia. Tao ny mpitari-tafika romanina iray no naka am-bavany an’i Paoly.​—As 21:31, 32, 37; 22:24; jereo ANTONIA, TILIKAMBON’I.

Tokotokony ho 360 km tany atsinanan’i Babylona ny ‘lapan’i Sosana’, izay nipetrahan’ny mpanjakan’i Persa tsindraindray. Mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka tao i Nehemia, talohan’izy nankany Jerosalema. (Ne 1:1) Tao koa i Daniela no nahazo fahitana iray. (Da 8:2) Fantatra kokoa ho toerana nisehoan’ny tantaran’i Estera anefa ilay ‘lapa.’ (Es 1:2, 5; 3:15; 8:14) Toa tsy trano iray izy io, fa trano maromaro tao anatin’ny toerana voaro mafy. Nisy “tranom-behivavy” izay nanomanana ny virjiny hiseho teo anatrehan’i Ahasoerosy, ohatra, tao. (Es 2:3, 8) Nipetraka isan’andro “teo am-bavahadin’ny mpanjaka” “tao an-dapan’i Sosana” i Mordekay, talohan’izy lasa tao amin’ny fitondrana.​—Es 2:5, 21; 3:2-4; jereo SOSANA No. 2.