Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lapelina

Lapelina

Fitaovana lava taho fandraofana zavatra. Fanesorana lavenona teo amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana ireo lapelina varahina tao amin’ny tranolay masina (Ek 27:1-3; 38:3; No 4:14), sy ireo nataon’i Hirama lehilahy hebreo-fenisianina ho an’ny tempolin’i Solomona (1Mp 7:13, 14, 40, 45). Anisan’ireo fanaky ny tempoly nobaboin’ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. ireny.​—2Mp 25:8, 14; Je 52:18.

Nisy lapelina (angamba vita tamin’ny hazo) nikororohana varimbazaha na voa hafa. (Is 30:24) Noraofina tamin’ny lapelina lehibe fikororohana ireo voa teny am-pamoloana, ary natsipy ambony mba hotsofin’ny rovitra ny akofa. Nilatsaka teo am-pamoloana kosa ny voa. Naminany i Jaona Mpanao Batisa fa toy ny hoe misy lapelina fikororohana eny an-tanan’ny Mesia, ary iny no hanavahany ireo “vary” an’ohatra amin’ny “akofa.”​—Mt 3:1, 12; jereo FIKOROROHANA.