Lasely
Zavatra ipetrahana afatotra eo andamosin’ny biby. Andininy maromaro no miresaka ampondra nasiana lasely (Ge 22:3; No 22:21; 2Sa 17:23; 19:26; 1Mp 2:40; 13:13, 27; 2Mp 4:24), saingy tsy resahiny ny bikan’ireo lasely. Asehon’ny tsangambato fahiny fa toa lamba na hoditra matevina fotsiny ny laselin-tsoavaly taloha. Nafatotra tamin’ny biby ny lasely, matoa midika hoe “mamatotra” ny matoanteny hebreo nadika hoe “manisy lasely.” Asehon’ny sary mivohitra fahiny ny lasely iray miendrika vata, nafatotra teo amin’ny lamosin’ny rameva misy trafony iray. Tsy fantatra ny bikan’ilay atao hoe kar haggamal (heb.) (Ge 31:34), izay nadika hoe “harom-behivavy teo amin’ny laselin-drameva” (TV) na hoe “lasely hazo fitondrana entana” (TOB).
Nolazain’ny Lalàna fa naloto izay nikasika ny lasely nitaingenan’ny olona nisy tsiranoka nivoaka, hoatran’izay nikasika ny zavatra nipetrahan’ny vehivavy tonga fotoana ihany.—Le 15:9, 19-23.