Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lavadrano

Lavadrano

Ilay teny hebreo hoe beʼer no nadika hoe “lavadrano.” Matetika izy io no ilazana lavaka nohadina mba hahazoana rano any ambanin’ny tany. Misy anaran-toerana ahitana an’ilay teny hoe beʼer, anisan’izany ny hoe Bera-lahai-roy (Ge 16:14), Beri-sheba (Ge 21:14), Bera (No 21:16-18) ary Bera-elima (Is 15:8). Mety hidika koa hoe “lavaka” (Ge 14:10) io teny io. Toa fasana no dikan’izy io ao amin’ny Salamo 55:23 (“lavaka”) sy ny 69:15 (“lavadrano”). Ampiasaina an’ohatra mba hilazana vehivavy koa izy io, saingy tsy ny vehivavy rehetra fa ny vady na ny olon-tiana. (Oh 5:15; To 4:15) Oharina amin’ny lavadrano tery ny vehivavy hafa firenena, ao amin’ny Ohabolana 23:27. Sarotra mantsy matetika ny maka rano amin’ny lavadrano toy izany, satria tonga dia vaky ny siny tany raha midona amin’ny sisin’ilay lavaka. Mety ho izany no resahina an-kolaka ao amin’ilay andininy.​—Jereo LOHARANO.

Lava be ny vanim-potoanan’ny main-tany any amin’ny tany sasany, indrindra fa any an-tany efitra. Efa hatramin’ny ela àry no tena nilaina ny lavadrano tany amin’ireny faritra ireny. Nanan-tompo ny lavadrano fahiny ka noheverina fa nanitsakitsaka ny zon’ilay tompony ny olona nampiasa an’ilay izy nefa tsy niera. (No 20:17, 19; 21:22) Tsy nisy firy ny rano sady asa be ny nanao lavadrano, ka sarobidy izy ireny. Matetika ny olona no niady ho tompony. Izany no nahatonga an’i Abrahama hanao fifanekena ho vavolombelona hoe azy ilay lavadrano tao Beri-sheba. (Ge 21:25-31; 26:20, 21) Rehefa maty anefa izy, dia nolavin’ny Filistinina ny zon’i Isaka zanany sady mpandova azy, ka notampenan’izy ireo ny lavadrano nolavahan’ireo mpanompon’i Abrahama.​—Ge 26:15, 18.

Matetika ny lavadrano no nasiana tamboho iva nanodidina azy sady nosaronana vato lehibe, mba tsy ho tafiditry ny loto, ary mba tsy hisy biby na olona ho latsaka any. (Ge 29:2, 3; Ek 2:15, 16) Nisy tavin-drano teo akaikin’ny lavadrano sasany, mba hisotroan’ny biby fiompy. (Ge 24:20; Ek 2:16-19) Tany be vatosokay ireo havoanan’i Palestina. Nanao lavadrano teny ny olona, ary matetika no nasian’izy ireo tohatra (nohadina teo amin’ilay vatosokay ihany) mba hahafahany hidina teo amin’ny rano. Midina amin’ilay tohatra fotsiny ny mpantsaka, any amin’ny lavadrano sasany, ary atsobony mivantana ao anaty rano ilay fitaovana fakany rano. Raha lalina be anefa ilay lavadrano, dia matetika no siny hoditra (No 24:7) na siny tany (Ge 24:16) afatotra amin’ny tady, no isintonana ny rano.​—Jereo JAKOBA, FANTSAKAN’I.