Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lavenona

Lavenona

Ampiasain’ny Baiboly matetika mba hilazana izay sisa tavela amin’ny vaingan-javatra may, ary manana heviny an’ohatra mazàna. Teny hebreo roa no nadika hoe “lavenona”: ʼEfer (No 19:9) izay nadika koa hoe “vovoka” (Ml 4:3), ary deshen izay mety hidika koa hoe “matavy”, ankoatra ny hoe “lavenona feno menaka” (Le 1:16; Je 31:14). Ny anarana grika hoe spôdôs kosa no midika hoe ‘lavenona’ (Mt 11:21), ary ny matoanteny hoe tefrôô no nadika hoe “atao lasa lavenona.” (2Pe 2:6) Antsoina koa hoe vovoka (ʽafar) ny lavenona.​—No 5:17; 2Mp 23:4.

Nesorin’ny Levita mpisorona isan’andro ny lavenona feno menaka (deshen) avy tamin’ny fanatitra biby nodorana teo ambony alitara, ary nentiny ‘teny amin’ny toerana madio, teny ivelan’ny toby.’ (Le 6:9-11) Tany ivelan’ny toby koa no namonoana sy nandorana ny “fanatitra noho ny ota”, izay ombivavy mena tsy nisy kilema sy tsy nanan-takaitra ary mbola tsy nitondra zioga. (No 19) Napetraka tamin’ny toerana madio tany ny lavenon’izy io (No 19:9), ka azo nakana mba hafangaro amin’ny rano nafafy tamin’ny olona na tamin’ny zavatra maloto ho fanadiovana azy. (No 19:17) Raha ny ‘lavenon’ny [gr.: spôdôs] vantotr’ombivavy’ aza manadio ny nofo, hoy ny apostoly Paoly, mainka fa ny “ran’i Kristy” izay manadio ‘ny feon’ny fieritreretana ho afaka amin’ny asa maty.’​—He 9:13, 14.

Toa ampahany tamin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma ilay “lemaka iva fanariana faty sy lavenona feno menaka [vehaddeshen].” (Je 31:40) Tsy ela izay dia mbola nisy antontan-davenona teny akaikin’ny Lohasahan’i Kidrona, ka misy mihevitra fa io ilay noresahin’i Jeremia. Nirefy 150 m teo ho eo, hono, ny lavany, 60 m ny sakany, ary 18 m ny haavony. Mety ho fanariana ny lavenon’ireo biby natao fanatitra dorana tokoa (Le 4:12) ny ampahany tamin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, talohan’ny nanazimbazimban’i Josia an’i Tofeta (teo amin’ilay lohasaha) mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. (2Mp 23:10) Mety ho nariana tany koa anefa ny fatim-biby sy ny fatin’ny mpanao heloka bevava. Mety ho anisan’ilay antontan-davenona koa ny lavenon’ny olona natao sorona ho an’ny sampy.​—Je 32:35.

Fanao fahiny ny nandoro an’izay tanàna resy. Rava tanteraka àry no dikan’ny hoe ‘natao lasa lavenona’, toy ny nanjo an’i Tyro, Sodoma, ary Gomora.​—Ezk 28:18; 2Pe 2:6.

Ilazana zavatra tsy misy vidiny koa ny lavenona. Niaiky teo anatrehan’i Jehovah, ohatra, i Abrahama fa “vovoka sy lavenona” ny tenany. (Ge 18:27; jereo koa Is 44:20; Jb 30:19.) Nanao “ohabolana tsy misy ilana azy toy ny lavenona”, hoy i Joba, ireo mody nampionona azy.​—Jb 13:12.

Nipetraka teo ambony lavenona na nihosin-davenona ny olona fahiny, rehefa nisaona, nanetry tena, na nibebaka. (Es 4:1-3; Je 6:26; 2Sa 13:19) Nipetraka “teo amin’ny lavenona” i Joba rehefa vontom-pahoriana. (Jb 2:8) Midika hoe mahantra faraidiny sy ory ny hoe ‘mihinana lavenona.’​—Sl 102:9.

Nisy olona nampiasa gony sy lavenona rehefa nifady hanina na nitomany na nalahelo. (Es 4:3; Is 58:5; Ezk 27:30, 31; Da 9:3) Nanetry tena sy nibebaka ny mponin’i Ninive tamin’ny andron’i Jona. Na ny mpanjakany aza nitafy lamba gony, sady nipetraka tamin’ny lavenona. (Jo 3:5, 6) Nilaza i Jesosy Kristy fa ho niakanjo gony sy nihosin-davenona ireo nibebaka. (Mt 11:21) Hoy koa i Joba tamin’i Jehovah: “Mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”​—Jb 42:6.

Lao 70 taona i Joda, ka ory noho ny amin’i Ziona na Jerosalema sy ny tempoliny ny Jiosy tany Babylona. Nanome toky anefa i Isaia fa noho ny herin’ny fanahin’i Jehovah, dia ‘homena fehiloha ho solon’ny lavenona ireo ory noho ny amin’i Ziona.’ (Is 61:1-3) Nilaza i Jesosy Kristy fa tanteraka taminy koa ireo andininy ireo. Izy mantsy no Mesia Mpanafaka, izay hitondra fanamaivanana ho an’ireo babo sy ory ara-panahy. (Lk 4:16-21) Ho toy ny vovoka na lavenona eo ambany tongotry ny olo-marina ny ratsy fanahy, satria hoy ny Malakia 4:3: “‘Hanitsakitsaka ny ratsy fanahy ianareo, satria ho toy ny vovoka [ʼefer] eo ambany faladianareo ireny, amin’ny andro hanatanterahako izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”