Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lavorary, Tonga Lafatra

Lavorary, Tonga Lafatra

Teny hebreo iray tarika amin’ireto matoanteny ireto no nampiasaina mba hilazana ny hoe tonga lafatra na lavorary: Kalal (mahatonga lafatra [ampit. Ezk 27:4]), shalam (tapitra [ampit. Is 60:20]), ary tamam (misy farany, tanteraka [ampit. Sl 102:27; Is 18:5]). Ny Soratra Grika Kristianina kosa mampiasa teny iray tarika amin’ny teleiôs (mpamari-toetra), teleiôtes (anarana), teleiôô (matoanteny), izay manana heviny hoe mamita hatramin’ny farany na feno (Lk 8:14; 2Ko 12:9; Jk 1:4), olon-dehibe na matotra (1Ko 14:20; He 5:14), mahatratra ny zava-kendrena na fikasana na tanjona (Jn 19:28; Fi 3:12).

Tokony ho azo tsara ny hevitr’ilay teny. Tsy ho azo mihitsy ny hevitry ny Baiboly raha diso ny fahazoana ny hevitry ny hoe lavorary na tonga lafatra. Misy mantsy mihevitra fa izay rehetra “lavorary” dia tsy maintsy lavorary tanteraka, izany hoe tsy misy hokianina mihitsy fa fanaperana. I Jehovah Andriamanitra Mpamorona irery ihany anefa no lavorary tanteraka. Hoy àry i Jesosy momba ny Rainy: “Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” (Mr 10:18) Tsy manan-tsahala ny hatsaran’i Jehovah, mendrika ny fiderana rehetra izy, sady fanaperana amin’ny hatsaran-toetra no faran’izay mahery, hany ka “ny anarany ihany no avo indrindra.” (Sl 148:1-13; Jb 36:3, 4, 26; 37:16, 23, 24; Sl 145:2-10, 21) Nidera an’ilay Andriamanitra lavorary toy izao i Mosesy: “Fa hanambara ny anaran’i Jehovah aho. Ekeo ny fahalehibeazan’ny Andriamanitsika! Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy, fa ara-drariny daholo ny lalany. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.” (De 32:3, 4) Tonga lafatra sy voadio ary tsy misy tsiny avokoa ny lalan’Andriamanitra sy ny teniny ary ny lalàny. (Sl 18:30; 19:7; Jk 1:17, 25) Tsy misy mihitsy antony anoherana na anakianana na anomezana tsiny an’i Jehovah sy izay ataony. Mendrika ny hoderaina foana kosa Izy.​—Jb 36:22-24.

Tonga lafatra na dia voafetra ihany aza. Misy fetrany ihany ny hoe tonga lafatra na lavorary, raha zavatra na olona no resahina. (ampit. Sl 119:96.) “Tonga lafatra” ny zavatra iray raha mahatratra an’izay nokendren’ilay nanao azy, na nampiasaina araka ny nanaovana azy. Matoa ny zavatra iray lazaina hoe tonga lafatra dia tsy maintsy fenony avokoa ny fepetra momba ny hatsarana notakina taminy. Midika izany fa tsy maintsy nisy olona nametraka an’ireo fitsipika sy fepetra ary tsipiriany tena ilaina, izay tsy maintsy notratrarina, ary io olona io no namaritra raha “feno” ireo fepetra ireo. Raha ny marina dia Ilay Andriamanitra Mpamorona no mamaritra an’izany rehetra izany, ary mifanaraka amin’ny fikasany ara-drariny izany.​—Ro 12:2; jereo JEHOVAH (Manana fitsipika Andriamanitra).

Tonga lafatra, ohatra, ny planeta Tany satria nahafeno an’ireo fepetra momba ny hatsarana. Rehefa avy namorona azy io mantsy Andriamanitra, ka nanatsara azy nandritra ny “andro” famoronana enina, dia nilaza fa “tena tsara” ny zava-bitany. (Ge 1:31) Nasainy ‘nanjaka tamin’ny tany’ ny olona, izany hoe hamboly sy hikarakara azy io, mba ho ilay planeta manontolo no ho lasa zaridainan’Andriamanitra fa tsy i Edena fotsiny.​—Ge 1:28; 2:8.

Lavorary koa ilay tranolay masina nasain’Andriamanitra namboarina tany an-tany efitra satria fenony ny fepetra rehetra notakin’Andriamanitra ary tratrany ny zava-nokendrena momba azy. Natao ho modely kely ara-paminaniana mantsy izy io. Ny mifanitsy aminy dia ilay “tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa” izay misy ny Masina Indrindra fonenan’i Jehovah any an-danitra, ary tao i Kristy Jesosy Mpisoronabe no niditra. (He 9:11-14, 23, 24) Lavorary ilay tranolay masina teto an-tany, nefa tsy nampiasaina intsony ary nofoanana rehefa tanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba azy io. Lavorary kokoa noho izy io mantsy ilay tany an-danitra.

Voalaza fa “tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy” i Jerosalema sy ny havoanan’i Ziona. (Ft 2:15; Sl 50:2) Tsy hoe faran’izay tsara tarehy ny zavatra rehetra tamin’ilay tanàna. Ny fomba nampiasan’Andriamanitra an’ilay tanàna kosa no nahatonga azy ho tsara tarehy. Izy io mantsy no renivohitra nitondran’ireo mpanjaka notendren’Andriamanitra, ary tao koa no nisy ny tempoliny. (Ezk 16:14) Voalaza koa fa ‘nahatonga lafatra ny hatsaran-tarehin’i Tyro’ ireo mpanamboatra azy. Noharina tamin’ny sambo i Tyro, tanàna mpanankarena, ary ireo mpivarotra nampandroso an’ilay tanàna no mpanamboatra azy. Nahatonga lafatra ny hatsaran-tarehin’i Tyro izy ireo, satria nameno azy tamin-javatra lafo vidy avy any amin’ny tany maro samihafa.​—Ezk 27:3-25.

Miankina amin’ny teny manodidina àry ny dikan’ny hoe lavorary na tonga lafatra ao amin’ny Baiboly.

Tonga lafatra ny Lalàn’i Mosesy. Anisan’ny Lalàna nomena ny Israely tamin’ny alalan’i Mosesy ny fanendrena mpisorona sy ny fanaovana sorona biby. Tonga lafatra ny Lalàna sy ny fisoronana ary ireo sorona biby satria avy amin’Andriamanitra, saingy tsy nahalavorary ny olona teo ambanin’ny Lalàna, hoy ny apostoly iray notarihin’ny fanahy. (He 7:11, 19; 10:1) Tsy nanafaka tamin’ny ota sy ny fahafatesana izy io, fa vao mainka aza nampiharihary ny fahotana. (Ro 3:20; 7:7-13) Nahatratra an’izay nokendren’Andriamanitra taminy anefa ireny fandaharana rehetra ireny. “Mpitaiza” nitarika ny olona ho amin’i Kristy mantsy ny Lalàna, ka aloka tonga lafatra izy io, izany hoe “aloky ny zavatra tsara ho avy.” (Ga 3:19-25; He 10:1) Nilaza i Paoly fa “nisy zavatra tsy vitan’ny Lalàna, satria nampahalemy azy ny nofo” (Ro 8:3), izany hoe tsy vitan’ny mpisoronabe ny ‘namonjy tanteraka’ an’ireo nanaovany fanompoana (ny mpisoronabe no notendren’ny Lalàna hiandraikitra ny fisoronana, sy hiditra tao amin’ny Masina Indrindra tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana mba hitondra ny ran’ireo biby natao sorona). (He 7:11, 18-28) Marina fa nahatonga ny olona hankasitrahan’Andriamanitra ny sorona nataon’ireo mpisorona taranak’i Arona, nefa tsy nikosoka tanteraka ny fahatsiarovan-tena ho mpanota. Niresaka momba izany ilay apostoly ka nilaza fa tsy vitan’ireo sorona fandrakofam-pahotana mihitsy ny “hahalavorary an’ireo manatona an’Andriamanitra”, izany hoe ny hahalavorary ny feon’ny fieritreretan’izy ireo. (He 10:1-4; ampit. He 9:9.) Tsy afaka nanome vidim-panavotana tena nanafaka tamin’ny fahotana ny mpisoronabe. I Kristy ihany no afaka nanome izany satria maharitra ny asa fisoronany, sady mandaitra ny sorona nataony.​—He 9:14; 10:12-22.

“Masina” sy “tsara” ny Lalàna (Ro 7:12, 16), ka izay mahavita mankatò tanteraka an’io Lalàna tonga lafatra io dia lavorary sy mendrika ny fiainana. (Le 18:5; Ro 10:5; Ga 3:12) Nanjary nitondra fanamelohana fa tsy nitondra fiainana anefa ny Lalàna satria ireo nasaina nankatò azy io no tsy lavorary sy mpanota, fa tsy hoe ny Lalàna akory no ratsy. (Ro 7:13-16; Ga 3:10-12, 19-22) Tena nahariharin’io Lalàna tonga lafatra io mantsy fa tsy lavorary sy mpanota izy ireo. (Ro 3:19, 20; Ga 3:19, 22) Nahariharin’izy io koa fa i Jesosy no Mesia satria izy ihany no nahavita nankatò tanteraka ny Lalàna. Lavorary àry i Jesosy.​—Jn 8:46; 2Ko 5:21; He 7:26.

Tonga lafatra ny Baiboly. Tonga lafatra, voadio, madio, ary marina ny hafatr’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. (Sl 12:6; 119:140, 160; Oh 30:5; Jn 17:17) Efa natao dika soratra nandritra ny an’arivony taona ny soratra tany am-boalohany ka tsy mitovy tanteraka amin’ny soratra ananantsika ankehitriny. Kely ihany anefa ireny tsy fitoviana ireny, ka na misy tsininy kely aza ny soratra ananantsika, dia tsy misy tsininy mihitsy ny hafatr’Andriamanitra raketiny.

Misy milaza fa sarotra vakina ny Baiboly satria mitaky ezaka sy fifantohana be ny mamaky azy io. Mety hisy zavatra maro tsy azony koa ao. Misy manakiana fa raha tonga lafatra ny Baiboly, dia tsy tokony hisy an’ireo hevitra lazain’izy ireo hoe mifanipaka ao na kely aza. Tsy mampiova ny Soratra Masina anefa izany. Tonga lafatra izy io ary ireto avy ny antony ilazana izany: Fenony ireo fepetra notakin’i Jehovah Andriamanitra momba ny hatsarana; tratrany izay nokendren’ilay Nanao azy; ary tsy misy lainga ao satria Tenin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana izy io. Asehon’izao tenin’ny apostoly Paoly izao fa tonga lafatra “ny Soratra Masina”: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2Ti 3:15-17) Fitaovana tena tsara ny Soratra Masina mba hanatanterahan’Andriamanitra ny sitrapony satria tena mampiaiky ny vokany eo amin’ny olona. Hita izany rehefa nampihatra izay lazain’ny Soratra Hebreo ny firenen’Israely, rehefa nampihatra ny Soratra Masina iray manontolo ny fiangonana kristianina, ary rehefa mampihatra ny Baiboly ny olona ankehitriny.​—Ampit. 1Ko 1:18.

Asehon’ny Soratra Masina, anisan’izany ny fampianaran’ny Zanak’Andriamanitra, fa miankina amin’ny fon’ny olona iray no hahalalany ny fikasan’Andriamanitra, sy hanaovany ny sitrapony, ary ny hahavoavonjy ny ainy. (1Sa 16:7; 1Ta 28:9; Oh 4:23; 21:2; Mt 15:8; Lk 8:5-15; Ro 10:10) Miavaka ny Baiboly satria “mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany”, ka mampiseho ny tena toetran’ny olona. (He 4:12, 13) Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa tsy nataon’Andriamanitra ho azoazo mora foana ny fahalalana Azy fa mitaky ezaka. (Ampit. Oh 2:1-14; 8:32-36; Is 55:6-11; Mt 7:7, 8.) Hita koa fa nampahafantarin’Andriamanitra an’ireo manetry tena ny fikasany kanefa nafeniny an’ireo manambony tena, satria ‘mifanaraka amin’ny sitrapony izany.’ (Mt 11:25-27; 13:10-15; 1Ko 2:6-16; Jk 4:6) Koa raha milaza àry ireo tsy tia Baiboly fa mahita porofo mahatonga azy handa ny hafatra sy ny anatra ary ny famaizan’ny Soratra Masina, dia tsy midika akory izany hoe tsy tonga lafatra ny Baiboly. Vao mainka aza izany mampiseho fa marina izay voalazan’ny Baiboly tetsy aloha, ka noho izany dia tonga lafatra ny Baiboly araka ny hevitr’ilay Nanao azy, sady Izy rahateo no tompon’ny teny farany. (Is 29:13, 14; Jn 9:39; As 28:23-27; Ro 1:28) Milaza ireo olon-kendrin’ity tontolo ity fa “hadalana” na “fahalemena” izay zavatra rehetra mifandray amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fombany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia hita fa ambony lavitra sy mahery lavitra izany raha oharina amin’ny fampianarana sy ny filozofia ary ny fomba fihevitry ny olombelona mpanakiana.​—1Ko 1:22-25; 1Pe 1:24, 25.

Tena ilaina ny finoana raha tiana ho azo tsara ny Tenin’Andriamanitra tonga lafatra. Mety hisy hilaza hoe misy tsipiriany sy fanazavana tokony hampiana ao amin’ny Baiboly mba hahafantarana ny antony nankasitrahan’Andriamanitra, na tsy nankasitrahany zavatra iray, sy ny antony nanaovany zavatra sasany. Mety hisy hilaza koa hoe tsy tena ilaina ny tsipiriany sasany ao amin’ny Baiboly. Raha manaraka ny fomba fihevitr’olombelona toy izany anefa ny Baiboly, dia tsy ho tonga lafatra araka ny iheveran’Andriamanitra azy. Nasehon’i Jehovah fa diso hevitra ny olona toy izany, satria nilaza Izy fa ambony noho ny an’olombelona ny fiheviny sy ny lalany. Nanome toky koa izy fa “hahomby” ny teniny ka ho tanteraka ny fikasany. (Is 55:8-11; Sl 119:89) Izany no atao hoe tonga lafatra na lavorary, araka ilay famaritana ato amin’ity lahatsoratra ity.

Lavorary sady manan-tsafidy. Mety tsy hankatò an’Andriamanitra ve ny zavaboary lavorary? Misy milaza fa tsy hanohitra an’Andriamanitra mihitsy ny zavaboary lavorary. Tsy mahazo ny tena dikan’ny hoe lavorary ny olona miteny toy izany fa manana ny heviny manokana momba ilay teny, nefa mifanohitra amin’ny zava-misy izany heviny izany. Nomena safidy malalaka ny zavaboary manan-tsaina, ka andraikiny ny manapa-kevitra ny amin’izay tiany hatao. (De 30:19, 20; Js 24:15) Nanana safidy malalaka ny mpivady olombelona voalohany, matoa azo nosedraina ny fitiavany an’Andriamanitra. (Ge 2:15-17; 3:2, 3) I Jehovah no Mpamorona azy ireo, ka fantany izay tiany hataon’izy ireo. Asehon’ny Soratra Masina mazava tsara fa tsy tiany hankatò azy toy ny milina na an-jambany fotsiny izy ireo fa tiany hanompo Azy amin’ny fo sy saina feno fitiavana. (Ampit. De 30:15, 16; 1Ta 28:9; 29:17; Jn 4:23, 24.) Raha tsy afaka nanao safidy i Adama sy ny vadiny, dia tsy nahafeno ny fepetra notakin’Andriamanitra izy ireo, ka noho izany dia tsy feno sy tsy lavorary.

Tsara hotadidina fa na lavorary aza ny olona, dia voafetra ihany izany. Tsy afaka nihoatra ny fetra napetraky ny Mpamorona mantsy i Adama, na lavorary aza. Tsy maintsy nizaka ny vokany izy raha nihinana vovoka, na vatokely, na hazo. Ho faty an-drano koa izy raha tsy rivotra no nofohiny fa rano. Raha eritreri-dratsy koa no namenoany ny sainy sy ny fony, dia haka toerana ao ny fanirian-dratsy ka hanota sy ho faty izy amin’ny farany.​—Jk 1:14, 15; ampit. Ge 1:29; Mt 4:4.

Tena zava-dehibe ny sitrapon’ny zavaboary iray sy ny safidiny. Raha manizingizina isika hoe tsy hanao ratsy mihitsy ny olona lavorary, dia toy ny milaza hoe tsy afaka ny hanao ny tsara mihitsy ny olona tsy lavorary. Misy zavaboary tsy lavorary tena manao ny tsara anefa, ka mankatò an’Andriamanitra na dia mety hizaka fanenjehana aza. Misy kosa minia manao ny ratsy nefa efa fantany fa tsy mety izany. Tsy azo atao fialan-tsiny foana àry ny hoe tsy lavorary, fa mandray anjara lehibe koa ny sitrapon’ilay olona sy ny safidiny. Toy izany koa fa tsy hoe hanao ny tsara avy hatrany ilay lehilahy voalohany satria fotsiny hoe lavorary izy. Miankina be dia be amin’ny safidy hataony noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny faniriany hanao ny tsara kosa izany.​—Oh 4:23.

Ilay nanota voalohany sy ny mpanjakan’i Tyro. Tany an-danitra no nisy anjely nanota sy lasa tsy lavorary voalohany, talohan’ny nanotan’ny olona, araka ny Genesisy 3 sy ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:44. Mitovy amin’izay nataon’io anjely io ny voalazan’ny hira fisaonana ao amin’ny Ezekiela 28:12-19, izay natao ho an’ny “mpanjakan’i Tyro.” Voaresaka ao ny momba ny nireharehan’ny “mpanjakan’i Tyro”, ny nanaovany ny tenany ho ‘andriamanitra’, ny niantsoana azy hoe “kerobima”, ary ny resaka momba an’i “Edena, zaridainan’Andriamanitra.” Mifanitsy amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Satana Devoly izany, satria nieboebo koa izy, ary izy ihany ilay menarana tany Edena sady antsoina hoe “andriamanitr’ity tontolo ity.”​—1Ti 3:6; Ge 3:1-5, 14, 15; Ap 12:9; 2Ko 4:4.

Voalaza fa ‘feno fahendrena, ary tonga lafatra [mpamari-toetra iray tarika amin’ny teny heb.: kalal]’ ny hatsaran-tarehin’ilay mpanjaka tsy fantatra anarana tao Tyro, tanàna nihambo hoe ‘tonga lafatra ny hatsaran-tarehiny.’ “Tsy nanan-tsiny [heb.: tamim]” ilay mpanjaka tamin’ny fotoana namoronana azy mandra-pahita tsy fahamarinana tao aminy. (Ezk 27:3; 28:12, 15) Ho an’ireo mpanjaka nifandimby nitondra an’i Tyro no nanaovana voalohany an’ilay hira fisaonana ao amin’ny Ezekiela, fa tsy ho an’ny mpanjaka iray manokana. (Ampitahao amin’ny faminaniana natao ho an’ny “mpanjakan’i Babylona” tsy voatonona anarana ao amin’ny Is 14:4-20.) Mety ho tamin’ilay fotoana niarahan’ny mpanjakan’i Tyro niasa tamin’i Davida Mpanjaka sy Solomona Mpanjaka izany. Mbola nihavana tsara izy ireo tamin’izay, ary nanampy tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Moria mihitsy aza i Tyro. Tsy nanan-tsiny àry ny mpitondra tao Tyro tamin’ny voalohany, satria tsara fanahy tamin’ny Israely vahoakan’i Jehovah. (1Mp 5:1-18; 9:10, 11, 14; 2Ta 2:3-16) Lasa “nanan-tsiny” anefa ireo mpanjakan’i Tyro tatỳ aoriana, ka nomelohin’ny mpaminanin’Andriamanitra, dia i Joela, Amosa, ary Ezekiela. (Jl 3:4-8; Am 1:9, 10) Nasehon’ilay faminanian’i Ezekiela fa mitovy be ny zavatra nataon’ny “mpanjakan’i Tyro” sy ilay Fahavalon’Andriamanitra, ary misy fetrany ihany ny hoe “tonga lafatra” sy ny hoe “tsy nanan-tsiny.”

Nahoana no lazaina fa ‘tsy misy tsiny’ ny mpanompon’Andriamanitra nefa tsy lavorary?

Olo-marina i Noa ary “tsy nisy tsiny izy teo amin’ny mpiara-belona taminy.” (Ge 6:9) ‘Tsy nanan-tsiny’ koa i Joba “sady marina.” (Jb 1:8) Nisy mpanompon’Andriamanitra hafa koa voalaza fa tsy nanan-tsiny. Mpanota daholo anefa izy ireo satria taranak’i Adama mpanota. Na izany aza dia azo lazaina hoe “tsy nisy tsiny” sy ‘tsy nanan-tsiny’ izy ireo satria fenony ireo fepetra notakin’Andriamanitra taminy, dia fepetra nifanaraka tamin’izay mety ho vitan’ny olona tsy lavorary. (Ampit. Mi 6:8.) Tsy mitaky zava-bita mitovy avy amin’ny tanimanga tsotra sy ny tanimanga efa voadio tsara, ohatra, ny mpanefy tanimanga. Toy izany koa i Jehovah: Nataony nifanaraka tamin’izay mety ho vitan’ny olona tsy lavorary ny fepetra notakiny. (Sl 103:10-14; Is 64:8) Nanao fahadisoana ireny olona ireny satria tsy lavorary. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ireny ary nanompo Azy tamin’ny ‘fony manontolo [heb.: shalem].’ (1Mp 11:4; 15:14; 2Mp 20:3; 2Ta 16:9) Manao izay fara heriny izy ireo mba hahatonga ny fahafoizan-tenany ho feno sy tsy hisy tsininy ary hahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra amin’izy ireo. Faly amin’ny fanompoan’izy ireo ilay Andriamanitra Mpitsara, ka tsy misy olona na anjely afaka manakiana izany.​—Ampit. Lk 1:6; He 11:4-16; Ro 14:4; jereo JEHOVAH (Afaka mifandray amin’ny olombelona tsy lavorary).

Eken’ny Soratra Grika Kristianina fa tsy lavorary hatrany am-bohoka ny taranak’i Adama. Resahin’ny Jakoba 3:2 fa raha misy mahafolaka ny lelany ka tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy mihitsy, dia “lavorary” izy ka “mahafehy ny tenany manontolo.” “Manao fahadisoana imbetsaka” anefa “isika rehetra” rehefa miteny. (Ampit. Jk 3:8.) Afaka ny ho lavorary amin’ny lafiny sasany kosa ny olona mpanota. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” (Mt 5:48) Fitiavana sy fahalalahan-tanana no tiany horesahina eo. Nilaza izy fa tsy feno sy nisy tsininy ny fitiavan’ireo mpianany ‘raha izay tia azy ireo ihany no tiany.’ Tokony hataon’izy ireo àry izay hahatonga lafatra ny fitiavany, izany hoe ho feno, ka hotiaviny koa ny fahavalony. Manahaka an’Andriamanitra izy ireo amin’izany. (Mt 5:43-47) Toy izany koa ilay tovolahy nanontany an’i Jesosy momba izay tokony hataony mba hahazoany fiainana mandrakizay. Nilazana izy fa nisy zava-dehibe tsy ampy tamin’ny fanompoana nataony, na dia efa nankatò ny Lalàna aza izy. Raha “te ho lavorary” izy dia tsy maintsy nampitomboiny ny fanompoany (ampit. Lk 8:14; Is 18:5), ka notanterahiny ireo zava-dehibe tsy ampy ireo.​—Mt 19:21; ampit. Ro 12:2.

Nilaza ny apostoly Jaona fa lasa lavorary ny fitiavan’ny Kristianina an’Andriamanitra raha tafaray Aminy izy ireo, ka mankatò ny tenin’ny Zanany sy mifankatia. (1Jn 2:5; 4:11-18) Mandroaka tahotra ny fitiavana lavorary toy izany ka “afaka miteny amin’Andriamanitra amim-pieritreretana madio” ilay olona. Asehon’ny teny manodidina fa vavaka no tian’i Jaona horesahina eo. (1Jn 3:19-22; ampit. He 4:16; 10:19-22.) Sahy manatona an’ilay Rainy any an-danitra ilay olona rehefa manjary feno ny fitiavany Azy, satria tsy manameloka azy ny fony hoe mpihatsaravelatsihy izy na tsy ankasitrahana. Fantany fa mankatò ny didin’i Jehovah Rainy izy ary manao izay mahafaly Azy, ka afaka mangataka sy maneho hevitra amin-kalalahana. Tsapany fa tsy manameloka azy Andriamanitra ka sahy miteny na mangataka Aminy izy. (Ampit. No 12:10-15; Jb 40:1-5; Ft 3:40-44; 1Pe 3:7.) Tsy voagejan’ny tahotra izy, ary rehefa tonga ny “andro fitsarana” dia tsy manan-javatra afenina izy, na zavatra mahatonga azy henjehin’ny eritreriny. (Ampit. He 10:27, 31.) Sahy mangata-javatra amin’ny ray aman-dreniny be fitiavana ny ankizy. Matoky toy izany koa ny Kristianina rehefa mitombo tanteraka ny fitiavany, satria “na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika fa ho azontsika izany, satria nangatahintsika taminy.”​—1Jn 5:14, 15.

Tsy mandroaka ny tahotra rehetra anefa io “fitiavana lavorary” io. Mbola eo foana mantsy ny tahotra an’Andriamanitra Ray ho fanajana ny toerana tanany sy ny heriny ary ny fitsarany. (Sl 111:9, 10; He 11:7) Mbola eo foana koa ny tahotra ara-dalàna mahatonga ny olona hisoroka loza na hiaro ny ainy, sy ilay tahotra vokatry ny fanairana tampoka.​—Ampit. 1Sa 21:10-15; 2Ko 11:32, 33; Jb 37:1-5; Ha 3:16, 18.

Ankoatra izany, dia “fatorana mampiray tonga lafatra” ny fitiavana ka mahatonga ny tena Kristianina “ho iray tanteraka.” (Kl 3:14; Jn 17:23) Tonga lafatra io firaisan-tsaina io nefa voafetra ihany, sady tsy midika hoe ho foana hatreo ny tsy fitovian’ny toetra, fahaizana, fahazarana ary feon’ny fieritreretana. Ny zavatra ataon’ny Kristianina sy ny zavatra inoany ary ny fampianarany kosa no hitovy rehefa lasa miray saina tanteraka izy ireo.​—Ro 15:5, 6; 1Ko 1:10; Ef 4:3; Fi 1:27.

Lavorary i Kristy Jesosy. Olombelona lavorary, izany hoe masina sy tsy nisy ota, i Jesosy tamin’izy teraka. (Lk 1:30-35; He 7:26) Lavorary ny vatany nefa voafetra ihany izany. Olombelona izy ka voafetra ihany ny zavatra azony natao. Nahatsiaro reraka izy, nangetaheta, ary noana. Nety maty koa izy. (Mr 4:36-39; Jn 4:6, 7; Mt 4:2; Mr 15:37, 44, 45) Fikasan’i Jehovah Andriamanitra ny hanao an’ilay Zanany lahy ho Mpisoronabe ho an’ny olombelona. Nila “natao lavorary” (gr.: teleiôô) anefa i Jesosy, na dia efa lavorary aza, mba hanaovany an’io asa io, ka hahafeno ny fepetra takin’ny Rainy, ary hahatratra ny tanjona izay nokendrena momba azy. Ireto avy izany fepetra izany: Tokony ho tonga “tahaka an’ireo ‘rahalahiny’ izy tamin’ny lafiny rehetra”, ka hiaritra fahoriana sy hianatra hankatò ao anatin’ny fitsapana, toa an’ireo “rahalahiny” na mpanara-dia azy ihany. ‘Hahay hangoraka antsika amin’ny fahalementsika’ izy amin’izay satria efa “notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.” (He 2:10-18; 4:15, 16; 5:7-10) Tokony ho lasa fanahy tsy mety maty any an-danitra koa izy aorian’ny hahafatesany ho sorona lavorary sy hananganana azy amin’ny maty. Amin’izany fomba izany no ‘anaovana [azy] ho lavorary mandrakizay’ mba ho lasa Mpisoronabe. (He 7:15–8:4; 9:11-14, 24) Tsy maintsy ‘atao lavorary’ koa ireo ho lasa mpisorona lefitra miaraka amin’i Kristy, izany hoe tsy maintsy atao izay hahatratraran’izy ireo an’ilay tanjony any an-danitra izay niantsoana azy.​—Fi 3:8-14; He 12:22, 23; Ap 20:6.

Ilay “Mpandavorary ny finoantsika.” Antsoina hoe “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika” i Jesosy. (He 12:2) Efa talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany anefa no voalaza fa lasa “lavorary” ny finoan’i Abrahama satria nankatò izy ary nanao zavatra noho ny finoany. Nankasitraka azy Andriamanitra noho izany, ary nanao fifanekena taminy. (Jk 2:21-23; Ge 22:15-18) Tsy feno na tsy lavorary anefa ny finoan’ireny olona velona talohan’ny nanaovan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany ireny. Tsy takatr’izy ireo mantsy tamin’izany ireo faminaniana mbola tsy tanteraka, momba an’i Jesosy ilay Taranaka Nampanantenain’Andriamanitra na Mesia. (1Pe 1:10-12) Tanteraka ireny faminaniana ireny, rehefa teraka i Jesosy, nanao ny fanompoany, maty, ary natsangana ho any an-danitra. Nanjary mafy orina àry ny finoana an’i Kristy, satria niorina tamin’ny zava-nitranga ara-tantara maro be. Rehefa tonga i Kristy Jesosy vao “tonga” io finoana lavorary kokoa io (Ga 3:24, 25), ka izany no iantsoana azy hoe Mpitarika Lehibe Indrindra ny finoantsika. Mbola Mpandavorary ny finoan’ny mpanara-dia azy ihany i Jesosy na dia efa tany an-danitra aza. Nanao izany izy rehefa nandrotsaka ny fanahy masina tamin’izy ireo tamin’ny Pentekosta sy nampiharihary zavatra mbola tsy fantatra izay nameno tsikelikely ny finoan’izy ireo ka nampitombo izany.​—As 2:32, 33; He 2:4; Ap 1:1, 2; 22:16; Ro 10:17.

“Tsy hatao lavorary izy ireo raha tsy eo isika.” Niteny an’io ny apostoly Paoly rehefa avy nitanisa an’ireo olona tsy nivadika talohan’ny andro kristianina, nanomboka tamin’i Abela. Nilaza izy fa tsy nahita “ny fahatanterahan’ny fampanantenana” izy ireo “fa Andriamanitra efa nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika, mba tsy hatao lavorary izy ireo raha tsy eo isika.” (He 11:39, 40) Iza ilay hoe “isika”? Ny Kristianina voahosotra (He 1:2; 2:1-4), izay “nahazo fiantsoana ho any an-danitra” (He 3:1). Ho azy ireo no nisantaran’i Kristy “lalam-baovao sy velona” mankany amin’ny toerana masina misy an’Andriamanitra any an-danitra. (He 10:19, 20) Ho mpisorona any an-danitra ho an’Andriamanitra sy Kristy mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ireo nahazo an’io fiantsoana ho any an-danitra io. Nomena “fahefana hitsara” koa izy ireo. (Ap 20:4-6) Ny fiainan’ny Kristianina voahosotra any an-danitra sy ny andraikiny any àry ilay “zavatra tsara kokoa” nomanin’Andriamanitra ho azy ireo. (He 11:40) Hiharihary ny voninahitr’izy ireo rehefa hiara-miasa amin’i Kristy avy any an-danitra izy ireo, mba handringana an’ity tontolo ratsy ity. Amin’izay dia ho afaka amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ireo zavaboary te hahazo ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:19-22) Lazain’ny Hebreo 11:35 fa tsy nivadika mihitsy ireo olona talohan’ny andro kristianina fa naleony nijaly “mba hahazoany fitsanganana tsara kokoa”, izany hoe tsara kokoa noho ny an’ireo “maty” voalaza eo am-piandohan’io andininy io. Maty ihany mantsy tatỳ aoriana ireny olona natsangana tamin’ny maty ireny. (Ampit. 1Mp 17:17-23; 2Mp 4:17-20, 32-37.) “Hatao lavorary” àry ireny olona tsy nivadika talohan’ny andro kristianina ireny, rehefa hatsangana amin’ny maty sy “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana” noho ny asa fisoronana ataon’i Kristy Jesosy sy ireo mpisorona lefitra miaraka aminy mandritra an’ilay Fanjakana Arivo Taona.

Ho lavorary indray ny olona eto an-tany. Ho tanteraka amin’ny fomba feno eto amin’ity planeta ity ny fikasan’Andriamanitra, araka ilay vavaka hoe “hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mt 6:10) Ho ringana ity tontolo ratsy eo ambany fahefan’i Satana ity. Hisy ho tafavoaka velona ary hesorina ny kilema sy tsininy rehetra amin’izay mankatò sy maneho finoana foana. Amin’izay dia hahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra momba ny atao hoe tsara sy feno ary tsy misy tsiny ireo sisa tavela. Asehon’ny Apokalypsy 5:9, 10 fa ho tonga lafatra ny fiainana eto an-tany ary ho lavorary ny olombelona amin’izay. Voalaza ao mantsy fa ho lasa “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika”, “ka ho mpanjaka hitondra ny tany” ireo olona ‘novidina ho an’Andriamanitra.’ (Ampit. Ap 14:1, 3.) Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna, dia andraikitry ny mpisorona ny nisolo tena ny olona teo anatrehan’Andriamanitra rehefa nisy sorona natolotra. Andraikiny koa ny nanara-maso ny fahasalaman’ilay firenena, sy ny nanao an’ireo fombafomba fanadiovana rehefa nisy olona naloto, ary ny nilaza raha sitrana na tsia ny olona boka. (Le 13-15) Mbola andraikiny koa ny nanampy ny olona ho tsara toe-tsaina sy hifandray tsara amin’Andriamanitra foana, ary ho salama. (De 17:8-13; Ml 2:7) Hanao toy izany koa àry ireo mpisorona tarihin’i Kristy Jesosy any an-danitra mandritra ny Fanjakany Arivo Taona (Ap 20:4-6), satria “aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàna.​—He 10:1.

Tsy hitomany na halahelo na hitaraina na hanaintaina na ho faty intsony mihitsy ireo olombelona navotana, araka ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 21:1-5. Azo antoka fa ho anisan’ny “zavatra taloha” tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny fahafatesana vokatry ny ota avy tamin’i Adama. (Ro 5:12) Ny fahafatesana izay tambin’ny ota no “fahavalo farany” hofoanan’ny Fanjakan’i Kristy. (Ro 6:23; 1Ko 15:25, 26, 56) Ho lasa lavorary indray àry ny olona mankatò, ho toy ny olona tany Edena tany am-boalohany. Tsy ny finoana sy ny fitiavan’ny olona ihany no ho lavorary, fa ny tenany koa satria tsy hisy ota intsony. Ho fenon’izy ireo tanteraka an-tsakany sy an-davany ireo fepetra marina napetrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ho tanteraka mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ny Apokalypsy 21:1-5 satria miresaka momba an’i “Jerosalema Vaovao” izy io. Voalaza fa rehefa ‘hidina avy any an-danitra’ izy io dia hofoanana koa ny fahorian’ny olombelona. Tsy iza anefa io “Jerosalema Vaovao” io fa ilay “ampakarina” ho vadin’i Kristy, na ny fiangonana nomem-boninahitra, izany hoe ireo mpanjaka sy mpisorona ao amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.​—Ap 21:9, 10; Ef 5:25-32; 1Pe 2:9; Ap 20:4-6.

Ho lavorary ny olona, fa ao anatin’ny fetra napetrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona ihany. Tena ho afaka hankafy tanteraka ny fiainana eto an-tany anefa izy ireo. “Fifaliana tsy omby tratra ... eo anatrehan’i [Jehovah]” no ho tsapan’ny olombelona mankatò, izay mahazo sitraka aminy satria voalaza hoe “eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra.” (Sl 16:11; Ap 21:3; ampit. Sl 15:1-3; 27:4, 5; 61:4; Is 66:23.) Diso ilay fiheverana hoe hitovy daholo ny zava-drehetra rehefa tonga lafatra. Tena maro karazana, ohatra, ny biby izay anisan’ny zavatra “tonga lafatra” nataon’i Jehovah. (Ge 1:20-24; De 32:4) Tonga lafatra koa ny planeta Tany, nefa feno zavatra isan-karazany sy samy hafa: Ao ny zavatra tsotra sy ny be pitsiny; ny marikivy sy ny mamy; ny marokoroko sy ny malama; ny bozaka sy ny ala; ny tendrombohitra sy ny lohasaha. Any amin’ny ila bolantany avaratra, dia mangatsiatsiaka mahafinaritra ny fiandohan’ny lohataona, mafana ny andro rehefa fahavaratra sady manga erỳ ny lanitra, mavamavana aoka izany ireo loko isan-karazany amin’ny fararano, fotsy botsiaka ny lanezy rehefa ririnina. (Ge 8:22) Tsy hitovy toetra sy talenta ary fahaizana daholo àry ny olona lavorary. Tsy voatery hitovy ny zavatra lavorary na tonga lafatra, araka ny dikan’ireo teny ireo efa voalaza teo aloha.