Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lazarosy

Lazarosy

(Lazaròsy) [mety ho anarana gr. avy amin’ilay anarana heb. hoe Eleazara, izay midika hoe “Andriamanitra dia Nanampy”].

1. Anadahin’i Marta sy Maria. Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy, ary anisan’ny fahagagana niavaka nataony izany. (Jn 11:1, 2) Tena tian’i Jesosy izy telo mianadahy ireo, izay nipetraka tany Betania. Nisy ‘telo kilaometatra teo ho eo’ nanelanelana an’i Betania sy Jerosalema, raha hankany Jeriko. (Jn 11:5, 18) Nivahiny tao amin’izy ireo i Jesosy, ary angamba matetika mihitsy.​—Lk 10:38-42.

Narary mafy i Lazarosy, ary nampilaza izany tamin’i Jesosy izy roa vavy anabaviny. Azo inoana fa nanantena izy ireo hoe hanasitrana an’i Lazarosy i Jesosy. (Jn 11:3, 21, 32) Teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy tamin’izay. Tsy nankany Betania avy hatrany anefa izy. Tsy nanasitrana an’i Lazarosy avy tany amin’izay nisy azy koa izy, na dia efa nanao toy izany aza rehefa nanasitrana ny mpanompolahin’ny manamboninahitra iray. (Mt 8:5-13) Mbola nijanona roa andro tany amin’izay nisy azy kosa izy, vao nankany Betania. Nitsena azy teny akaiky teny i Marta ary avy eo i Maria. Efa maty efatra andro i Lazarosy tamin’izay.​—Jn 11:6, 17, 20, 30-32.

Nasongadin’i Jesosy tamin’i Marta fa tena hitsangana ny maty. (Jn 11:23-27) Nanaporofo an’izany izy avy eo. Nankany amin’ny fasana na lava-bato nandevenana an’i Lazarosy izy ireo, ary nasain’i Kristy nesorina ny vato nanidy an’ilay izy. Nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra izy avy eo, ary nilaza fa ny anton’ny zava-nitranga rehetra tamin’izay dia “mba hinoany [hinoan’ilay vahoaka nanatrika teo] fa ianao no naniraka ahy.” (Jn 11:38-42) Niantso an’i Lazarosy mba hivoaka ny fasana i Jesosy, taorian’izay. Nivoaka tokoa i Lazarosy, ary tena gaga sy faly izay nanatrika teo.​—Jn 11:43, 44.

Noho iny fahagagana iny, dia maro ny olona lasa nino an’i Jesosy, fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo kosa nanjary nitetika ny hamono azy. Vao mainka tezitra izy ireo rehefa nisy vahoaka be tonga mba hijery an’i Jesosy sy hahita an’i Lazarosy efa natsangana tamin’ny maty. Maro ny Jiosy lasa nino an’i Jesosy noho i Lazarosy, ka nikaon-doha hamono an’i Lazarosy koa ireo lehiben’ny mpisorona. (Jn 11:45-53; 12:1-11) Tsy voalazan’ny Baiboly anefa raha notanterahin’izy ireo tokoa izany, na tsia.

Misy mpitsikera Baiboly nanakiana ny fitantaran’i Jaona momba ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Tsy misy an’io tantara io, hono, ao amin’ny Filazantsara hafa. Izao anefa: Na ireo Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka aza ange tsy nitantara ny zava-drehetra nataon’i Jesosy e! I Lioka ihany, ohatra, no nitantara ny nananganana ny zanakalahin’ilay vehivavy mpitondratena tao Naina. (Lk 7:11-15) Tsy namerina an’izay efa notantarain’ny hafa àry i Jaona, ary ohatra mampiseho tsara izany ny fitantarana momba ny nananganana an’i Lazarosy.

Fahagagana tokoa iny nananganana an’i Lazarosy iny, ary anisan’ny fanompoan’i Jesosy. Nanao izany izy mba hampisehoana fa nomena hery lehibe ny Zanak’Andriamanitra, ary koa mba hahatonga ny olona hino azy kokoa sy hino ny fitsanganana amin’ny maty. (Jn 11:4, 41, 42) Azo inoana fa taloha kelin’ny taona 33 no nananganana an’i Lazarosy. Maty ihany anefa izy tatỳ aoriana, saingy tsy voalazan’ny Baiboly hoe taiza, oviana, ary inona no nahafaty azy.​—Jereo FITSANGANANA AMIN’NY MATY (Talohan’ny nanomezana ny vidim-panavotana).

Tsy lazain’ny Baiboly hoe misy ifandraisany amin’i Lazarosy, anadahin’i Marta sy Maria, ilay Lazarosy mpangataka noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ny mpanankarena sy Lazarosy. Tsy misy antony tokony hampifandraisana azy ireo koa.

2. Anaran’ilay mpangataka noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana malaza momba ilay mpanankarena sy Lazarosy. (Lk 16:19-31) Ilay teny latinina hoe dives no nandikan’ny Vulgate an’ilay mpamari-toetra hoe “manankarena”, ary matetika no ampiasaina ho toy ny anaran’ilay mpanankarena io teny io. Diso anefa izany! Anarana nananan’ny Jiosy maro fahiny kosa ny hoe Lazarosy, ary manaporofo izany ny soratra hita eny amin’ny vata fasian’ny olona taolam-paty.

Izao ilay fanoharana: Nisy lehilahy mpanankarena iray, ary nisy lehilahy mpangataka iray feno fery nantsoina hoe Lazarosy. Napetraka teo am-bavahadin’ilay mpanankarena i Lazarosy, ary te ho vokin’ny sombin-kanina latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena izy. Maty i Lazarosy tatỳ aoriana, ary nentin’ny anjely ho any an-tratran’i Abrahama (ilay hoe eo an-tratra dia mampahatsiahy ilay fanaon’ny Jiosy hoe mandry ilika eo anoloan’ny olona iray, eo ambony fandriana iray ihany, rehefa misakafo). Maty koa ilay mpanankarena ka nalevina tao amin’ny toeran’ny maty, ary nijalijaly tao. Niresaka tamin’i Abrahama izy. Nisy “hantsana lehibe” tsy azo niampitana anefa nanasaraka azy tamin’i Abrahama sy Lazarosy. Niangavian’ilay mpanankarena àry i Abrahama mba haniraka an’i Lazarosy hankany amin’ny rahalahiny dimy ka “hanazava tsara amin’izy ireo”, mba tsy hanjo azy ireo koa izay manjo azy. Nanda anefa i Abrahama satria manana an’i “Mosesy sy ny Mpaminany” ireo rahalahiny ireo, ka raha tsy mihaino an’ireo izy ireo, dia “tsy ho resy lahatra na dia misy mitsangana amin’ny maty aza.”​—Jereo FANOHARANA.

Avy amin’ny finoan’ireo raby momba ny maty ve ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay mpanankarena sy Lazarosy?

Milaza ny mpampianatra sy mpianatra sasany, ao amin’ny sampam-pianarana natao hampitahana fivavahana samihafa, fa avy amin’ny finoan’ireo raby momba ny fiainana any ankoatra ilay fanoharan’i Jesosy Kristy. Nanome tsipiriany momba ny zavatra ninoan’ny Fariseo tamin’izany fotoana izany i Josèphe. Hoy izy: “Mino izy ireo fa tsy maty ny fanahy rehefa maty ny olona, ary misy valisoa sy sazy any ambanin’ny tany, na ho an’izay nanao ny tsara na ho an’izay nanao ny ratsy: Fanagadrana mandrakizay no anjaran’ny fanahy nanao ratsy, fa miampita mora foana mankamin’ny fiainana vaovao kosa ny fanahy nanao ny tsara.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 14 [i, 3]) Nolavin’i Jesosy an-kitsirano anefa izay mety ho fampianaran-diso, anisan’izany ny an’ny Fariseo. (Mt 23) Noho izany, dia tsy ara-dalàna raha hampiasa ilay fampianaran-dison’ireo raby izy ao amin’ny fanoharany, nefa izy ihany no nanda izany! Tsy maintsy ho ny fampiharana an’ilay fanoharana àry no tao an-tsain’i Jesosy, ka nataony nifanaraka tamin’izany, fa tsy tamin’ny fampianaran-diso, ny tsipiriany sy ny hevitra tao amin’ilay izy.

Mazava amin’ny andinin-teny manodidina an’ilay tantara sy amin’ny teny nampiasaina tao amin’ilay izy, fa fanoharana izy io fa tsy hoe tena nisy. Tsy natao hiderana ny mahantra ilay fanoharana, sady tsy natao hanamelohana ny mpanankarena. Manana heviny ara-panahy kosa ilay izy. Ny tiana haseho dia hoe nisy olona nitondra tena toa an’i Lazarosy sy toa an’ilay mpanankarena, ary nandray ny valin’asany izy ireo tamin’ny farany ka nivadika ny rasa. Voalaza fa tsy nihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany ireo rahalahin’ilay mpanankarena. Hita amin’izany koa àry fa manana heviny lalina kokoa ilay fanoharana, fa tsy natao fotsiny hampisehoana hoe mifanohitra ny fahantrana sy ny fananan-karena.