Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lea

Lea

(Leà) [mety hisy hifandraisany amin’ny teny akadianina midika hoe “ombivavy”, na amin’ny teny arabo midika hoe “ombivavy dia”].

Vavimatoan’i Labana zafikelin’ny rahalahin’i Abrahama. Anadahin’i Rebeka renin’i Jakoba i Labana, ka midika izany fa zanaky ny mpianadahy i Lea sy Jakoba. (Ge 22:20-23; 24:24, 29; 29:16) Tsy dia tsara tarehy i Lea raha oharina amin’i Rahely zandriny. Voalaza fa tsy mba nahafinaritra ny masony, izany hoe tsy nangarangarana. (Ge 29:17) Ny vehivavy manana maso mangarangarana mantsy no heverin’ny Tatsinanana ho tsara tarehy.​—Ampit. To 1:15; 4:9; 7:4.

Lasa vady voalohan’i Jakoba i Lea. Nofitahin’i Labana mantsy i Jakoba rehefa alina ny andro, ka i Lea no nomeny ho vadiny fa tsy ilay tiany, dia i Rahely. Tsy faly i Jakoba, nefa nanazava i Labana fa tsy fanao tao amin’io faritra io ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny. Azo inoana fa nisarom-boaly i Lea. Fanao tany Atsinanana fahiny mantsy ny nanarona tanteraka an’ilay ampakarina, ka izany no nampahomby ny tetik’i Labana. Nanompo an’i Labana nandritra ny fito taona i Jakoba mba hahazoana an’i Rahely, nefa i Lea indray no azony. Nankalaza ny fampakaram-badin’izy sy Lea nandritra ny herinandro i Jakoba. Nomena azy koa i Rahely taorian’izay, saingy tsy maintsy niasa fito taona fanampiny ho an’i Labana izy.​—Ge 29:18-28.

Azon’i Jakoba ihany i Rahely tamin’ny farany. Voalaza fa “nankahalaina” i Lea, fa i Rahely no ‘nanehoan’i Jakoba fitiavana bebe kokoa.’ (Ge 29:30, 31, 33) Azo antoka fa tsy hoe tsy tia maizina an’i Lea i Jakoba. Tiany kokoa fotsiny i Rahely, satria izy no vady mamin’ny fony. Nikarakara an’i Lea foana izy na izany aza, ary nanao firaisana taminy foana. Nahoana àry no lazaina hoe “nankahalaina” i Lea? Satria latsa-danja kokoa noho ny fitiavan’i Jakoba an’i Rahely ny fitiavany azy.​—Jereo FANKAHALANA.

Niteraka fito mianadahy tamin’i Jakoba i Lea, izany hoe zanakalahy enina (Robena, Simeona, Levy, Joda, Isakara, ary Zebolona) sy zanakavavy iray (Dina). (Ge 29:32-35; 30:16-21) Izany no mahatonga an’i Lea hotononina miaraka amin’i Rahely ao amin’ny Rota 4:11, ka lazaina hoe “niavian’ny taranak’Israely” izy roa vavy. Voninahitra ho an’i Lea ny niteraka an’i Levy izay lasa razamben’ny foko mpisorona teo amin’ny Israely. Izy koa no niteraka an’i Joda izay lasa razamben’ny foko niavian’ireo mpanjakan’ilay firenena.

Niaraka tamin’i Jakoba i Lea sy ny zanany, rehefa niala tao Padana-arama i Jakoba ka niverina tany Kanana, izay tany nahaterahany. (Ge 31:11-18) Nozarazarain’i Jakoba tamin’i Lea sy Rahely sy ny mpanompovavin’izy ireo avy ny zanany, mba hiarovana azy rehetra, rehefa hifanena tamin’i Esao izy ireo teny an-dalana. Ireo mpanompovavy sy ny zanak’izy ireo no nalefan’i Jakoba aloha indrindra, avy eo i Lea sy ny zanany, ary farany i Rahely sy Josefa. (Ge 33:1-7) Niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta ny zanak’i Lea, fa izy kosa tsy resahin’ny Baiboly raha nandeha na tsia. (Ge 46:15) Tsy fantatra hoe oviana na taiza na ahoana no nahafaty an’i Lea. Angamba izy maty tany Kanana. Ny fantatra fotsiny dia hoe nalevin’i Jakoba tao amin’ny fasam-pianakaviana izy, izany hoe tao amin’ilay lava-bato teo amin’ilay saha tao Makpela. Nangataka koa i Jakoba mba halevina tao, rehefa maty. Tao ihany mantsy no nilevina i Abrahama sy Saraha, ary Isaka sy Rebeka.​—Ge 49:29-32.