Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehibem-paritany

Lehibem-paritany

Governora notendren’ny mpanjaka hifehy faritany iray tao amin’ny Fanjakan’i Babylona sy Persa. Nanendry lehibem-paritany i Nebokadnezara tao amin’ny Fanjakana Babylonianina. (Da 3:1-3) Nisy 120 izy ireny nanerana ny fanjakan’i Dariosy Medianina, rehefa resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona. (Da 6:1) Nifandray tamin’ny lehibem-paritany i Ezra, tamin’ny andron’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa. (Ezr 8:36) Nanendry lehibem-paritany 127 i Ahasoerosy mpanjaka persianina, tamin’ny andron’i Estera sy Mordekay. (Es 1:1) Solontenan’ny mpanjaka izy ireny, ka tompon’andraikitra teo anatrehany sady afaka nihaona taminy matetika. Nanana fahefana be àry izy ireny satria niandraikitra ny fiainam-bahoaka sady nitondra fanjakana. Nitaky hetra sy nandefa izany tany an-dapa koa izy ireny.

Anisan’ireo olona ambony telo notendren’i Dariosy hiandraikitra an’ireo lehibem-paritany 120 i Daniela. Niavaka tamin’izy rehetra izy, ka tian’i Dariosy hasandratra hiadidy ny fanjakana manontolo. Nitady tetika hanipazana azy tao an-davaky ny liona àry ireo manam-pahefana sy lehibem-paritany be fialonana. Tsy lazain’ny Baiboly hoe firy ireo lehibem-paritany niampanga azy teo anatrehan’ny mpanjaka. Niaro an’i Daniela anefa i Jehovah, ka naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona. Nasain’i Dariosy natsipy tao amin’ilay lavaka kosa ireo manam-pahefana ireo sy ny vady aman-janany, ka lanin’ny liona.​—Da 6:1-24.

Hoy Ny Tantaran’ny Fanjakana Persianina momba ny lehibem-paritany tamin’ny andron’i Kyrosy Persianina: “Nifehy [faritany] iray avy ny lehibem-paritany, izay anaram-boninahitra midika ara-bakiteny hoe ‘mpiaro an’ilay Fanjakana.’ Nandimby mpanjaka izy sady nifehy faritany midadasika, ka nitovy tamin’ny mpanjaka ihany sady nanana tandapa vitsivitsy. Niandraikitra ny fiainam-bahoaka izy sady lehiben’ny tafika teo an-toerana. Lasa nifandovana ny [toeran’ny lehibem-paritany], ka natahorana hanozongozona ny fitondrana foibe. Mba hisorohana izany, dia ny mpanjaka mihitsy no nibaiko ny mpitan-tsoratr’ilay lehibem-paritany, ny lehiben’ny mpitantam-bolany, ary ny jeneraly niandraikitra ny toby miaramila tao amin’ny renivohi-paritany tsirairay. Nanao tatitra mivantana tamin’ilay mpanjaka koa izy ireo. Nanara-maso an’izay nataon’ny lehibem-paritany koa ny ‘mason’ny mpanjaka’ (na ‘sofin’ny mpanjaka’ na ‘iraky ny mpanjaka’), izay [manam-pahefana] nandinika akaiky ny zava-bitan’ny faritany tsirairay isan-taona.”​—Nataon’i A. Olmstead, 1948, p. 59.