Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehibem-paritra

Lehibem-paritra

Avy amin’ny teny hebreo hoe nits·tsav midika hoe “voatendry”, na “nasaina” hiantsoroka andraikitra. (1Sa 22:9; Rt 2:5) Nitana toerana ambony ireo lehibem-paritra 12 tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka (1037-998 T.K.). Nifandimby namatsy sakafo sy zavatra hafa ho an’ny mpanjaka sy ny tao an-dapany izy ireo, iray volana isan-taona.​—1Mp 4:7.

Tsy hetra fa sakafo avy tamin’ny vokatry ny tany no nanohanana ny fanjakana. Niandraikitra ny famokarana, fijinjana, fitehirizana ary fitaterana an’ireo sakafo be dia be nilain’ny tao an-dapa isam-bolana àry ireo lehibem-paritra. (1Mp 4:22, 23) Tsy niandraikitra ny sakafo fotsiny anefa izy ireo, fa mety ho mpitantan-draharaha tao amin’ny faritra nanendrena azy koa.

Ara-drariny ilay rafitra, satria toa arakaraka ny habetsahan’ny mponina sy ny fahavokaran’ny tany no nizarana an’ireo faritra, fa tsy arakaraka ny faritanin’ny foko. Tany andrefan’i Jordana ny faritra sivy, ary tany atsinanany ny telo. Tsy notanisaina sy nasesy arakaraka ny toerana nisy azy izy ireo, fa angamba arakaraka ny volana nandefasan’ny lehibem-paritra tsirairay ny anjarany.

Anaran’ny lehibem-paritra fito monja no resahin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa ny dimy kosa natao hoe “zanak’i.” (1Mp 4:8-19) Misy Baiboly (Prot., Kat., FFBF) manisy fotsiny hoe “Beni” na “Ben” (midika hoe “zanak’i”) eo anoloan’ny anaran-drainy, ka lasa hoe “Beni-hora”, “Beni-dakera”, “Beni-haseda”, “Ben-abinadaba” ary “Beni-gabera.” I “Azaria zanak’i Natana”, anisan’ny andrianan’i Solomona, no niandraikitra an’ireo lehibem-paritra 12, mba tsy ho tapaka mihitsy ilay famatsiana.​—1Mp 4:5.

Lehiben’ny mpiasa niandraikitra ny asa fanorenana tamin’ny andron’i Solomona koa ireo “andriana lehibem-paritra.” Toa ny fomba fanasokajiana fotsiny no tsy mampitovy ny isan’izy ireo ao amin’ny Mpanjaka Voalohany sy Tantara Faharoa. Nisy 3300 sy 550 izy ireo ka 3850 ny fitambarany, hoy ny 1 Mpanjaka 5:16; 9:23. Ny 2 Tantara 2:18; 8:10 kosa milaza hoe 3600 sy 250 izy ireo ka mbola 3850 koa ny fitambarany. Milaza ny manam-pahaizana (Ewald, Keil, ary Michaelis) fa navahan’ny Tantara hoe 3600 ny lehibem-paritra tsy Israelita ary 250 no Israelita, fa navahan’ny Mpanjaka kosa hoe 3300 ny lehiben’ny mpiasa ary 550 ny mpiadidy ka 330 no tsy Israelita.

“Lehibem-paritra no nanjaka” tany Edoma tamin’ny andron’i Josafata mpanjakan’ny Joda (936-t. 911 T.K.), izay nifehy an’i Edoma. (1Mp 22:47) Nisy governora voatendry hisolo tena ny mpanjaka àry tany.