Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehibem-poko

Lehibem-poko

Anaram-boninahitry ny lehiben’ireo foko edomita taranak’i Esao sy ny an’ireo foko horita taranak’i Seira Horita. (Ek 15:15) Izy io dia nadika avy amin’ny teny hebreo hoe ʼallof, midika hoe “lehibe” na “mpifehy arivo.” Antsoina amin’io anaram-boninahitra (cheik) io koa ireo lehibem-pokon’ny Arabo mpifindrafindra monina ankehitriny. Misy Baiboly manao hoe “loham-pirenena” sy ‘filoham-pianakaviana’ fa tsy “lehibem-poko.”

“Taranak’i Seira” daholo izy fito lahy lehibem-pokon’ny Horita. (Ge 36:20, 21, 29, 30) Nisy 14 kosa ny lehibem-pokon’i Edoma: 7 zafikelin’i Esao avy tamin’i Elifaza lahimatoan’izy sy Ada, 4 zafikeliny avy tamin’i Regoela zanak’izy sy Basemata, ary 3 zanak’izy sy Oholibama. (Ge 36:15-19) Misy milaza fa tsy tokony ho isan’ny zanak’i Elifaza i Kora lehibem-poko fa diso, hono, teo ilay mpanao dika soratra. Raha marina izany, dia 13 monja ireo lehibem-pokon’i Edoma. (Ge 36:16) Lasa nitovy tamin’ny anaran’ireo lehibem-pokony ny an’ireo foko tatỳ aoriana.

Hafa kosa ny anaran’ireo “lehibem-poko avy tamin’i Esao [Edoma]” ao amin’ny Genesisy 36:40-43 sy 1 Tantara 1:51-54. Mety ho tatỳ aoriana kokoa ireo lehibem-poko ireo. Tsy anaran’olona anefa fa anaran’ny tanàna na faritra foibem-paritanin’ireo lehibem-poko izy ireo, hoy ny mpivaofy teny sasany. Toy izao àry no ao amin’ny Baiboly nadikan’ny Fikambanana Jiosy Mpamoaka Boky: “Ny lehiben’i Timna, ny lehiben’i Alva”, sy ny sisa.