Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehiben’ny Mpiambina ny Tempoly

Lehiben’ny Mpiambina ny Tempoly

Manam-pahefana nanarakaraka ny mpisoronabe (As 4:1), ary niandraikitra an’ireo mpisorona teo am-perinasa sy ireo Levita niambina ny tempolin’i Jerosalema sy nitandro filaminana. (Lk 22:4, 52) Nisy fizarana 24 ny Levita, ary nanompo herinandro ny fizarana tsirairay, indroa isan-taona. Azo inoana fa samy nanana ny lehibeny koa ny fizarana tsirairay sy ireo antoko kely kokoa.

Nanam-pahefana ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly. Niray tetika hanakarama an’i Jodasy hamadika an’i Jesosy izy ireo sy ny lehiben’ny mpisorona. Nitondra mpiambina sy mpisorona hisambotra azy koa izy ireo. (Lk 22:3, 4, 52) Anisan’ireo nisambotra an’i Petera sy Jaona tao an-tempoly ny lehiben’ny mpiambina, mba ho ara-dalàna ilay fisamborana. (As 4:1, 3) Mbola izy sy ny olom-peheziny koa no nitondra an’i Petera sy ny apostoly sasany (nafahan’ny anjely avy tao am-ponja) nankeo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, saingy tsy sahy nampiasa herisetra izy ireo.​—As 5:24-26.