Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehiben’ny Tanàna

Lehiben’ny Tanàna

Tompon’andraiki-panjakana (gr.: pôlitarkai) nitondran’ny vahoaka romotra an’i Jasona sy ny Kristianina hafa, tany Tesalonika. (As 17:5-8) Hoy i Ernest Wright momba an’io teny grika io: “Misy anarana manam-pahefana natao hoe ‘pôlitarkas’ teo amin’ilay vavahady [Vavahadin’i Vardar avy any Tesalonika], izay ao amin’ny Tranombakoka Britanika. Misy an’io anarana io koa ny soratra hafa maromaro. Io no iantsoana an’ireo manam-pahefana resahin’ny Asan’ny Apostoly 17:6 hoe nitondrana ny Kristianina, rehefa nisahotaka ny vahoaka noho ny fitorian’i Paoly. Manamarina ny fitantaran’i Lioka io anarana hitan’ny mpikaroka io, na dia tsy hita ao amin’ny asa soratra grika fahiny aza.”​—Arkeolojia Momba ny Baiboly, 1962, p. 260; jereo ARKEOLOJIA (Voaporofo fa marina ny fitantaran’ny Soratra Grika Kristianina).