Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Manambady

Lehilahy Manambady

Ilay teny hebreo hoe ʼish (lehilahy) sy ilay teny grika hoe aner (lehilahy) no manana heviny hoe lehilahy manambady na vady. (Ho 2:16; Ro 7:2) Toy izany koa ny teny hebreo hoe ʼadôhn (tompo) sy baʽal (tompo). (Ge 18:12; 20:3) Nadika hoe vady koa ilay teny hebreo hoe reaʽ (namana). (Je 3:20) Nolazaina hoe vady ny fofombady teo amin’ny Israely, na lehilahy izy na vehivavy.​—De 22:23, 24; Mt 1:18-20.

Nanome vodiondry ho an’ny rain-drazazavavy na ho an’ny mpitaiza azy ny lehilahy iray, rehefa naka azy ho fofombadiny na nanaiky fa haka azy ho vady. (Ek 22:16, 17) Lasa fananany ravehivavy avy eo. (Ek 20:17) Natao hoe baʽal, midika hoe “tompo”, àry ilay lehilahy fa razazavavy kosa natao hoe beʽolah, midika hoe ‘manan-tompo satria manambady.’ (Ge 20:3; De 22:22; Is 62:4; jereo BEOLAH.) Hoy i Jehovah tamin’ny firenen’Israely: “Efa lasa vadinao sy tomponao [endriny hafa amin’ny hoe baʽal] aho.”​—Je 3:14; Is 62:4, 5; jereo LOVA (Mbola nanan-kery ny Lalàna).

Fahiny, dia ny lehilahy manambady no nanao ny asan’ny mpisorona sy mpitsara teo anivon’ny ankohonany. Asehon’ny Soratra Masina manontolo fa nohajaina fatratra ny lehilahy manam-bady aman-janaka.​—Ge 31:31, 32; Jb 1:5; 1Pe 3:5, 6; ampit. De 21:18-21; Es 1:10-21.

Loham-pianakaviana. Lasa eo ambanin’ny lalàna vaovao ny vehivavy rehefa manambady, satria tsy maintsy manaraka ny “lalàn’ny vadiny” izy. Ilay lehilahy mantsy no manome didy sy fitsipika mifehy ny ankohonany. (Ro 7:2, 3) Izy no lohany ka tokony heken’ilay vehivavy. (Ef 5:21-24, 33) Mbola lohan’ilay lehilahy anefa Andriamanitra sy Kristy, na izany aza.​—1Ko 11:3.

Marina fa ilay lehilahy no lohany, nefa tokony hanao “ny adidiny amin’ny vadiny” izy, izany hoe tsy tokony hampihafy azy eo amin’ny resaka firaisana. “Tsy manana fahefana amin’ny vatany” mantsy ny lehilahy, “fa ny vadiny no manana izany.” (1Ko 7:3-5) Adidiny koa ny manampy ny ankohonany hanana finoana matanjaka, ary adidiny ny mamelona azy.​—Ef 6:4; 1Ti 5:8.

Andraikitra mavesatra izany hoe loham-pianakaviana izany. Izy no tompon’ny vadiny, nefa tokony hekeny fa sarobidy amin’Andriamanitra ny vadiny, indrindra raha Kristianina izy io. Tokony ho tia ny vadiny toy ny itiavany ny tenany izy, satria “nofo iray ihany” izy ireo.​—Ge 2:24; Mt 19:4-6; Ef 5:28, 33.

Tokony ho tia ny vadiny toy ny itiavan’i Kristy ny fiangonana koa ny lehilahy. (Ef 5:25, 28-30, 33) Tokony hanaiky izy fa “fanaka malemy kokoa” ny vadiny, ka tokony homeny voninahitra. Tsy tokony hohadinoiny koa fa tsy mitovy amin’ny an’ny lehilahy ny herim-batan’ny vehivavy sy ny toe-pony ary mety ho mora miovaova be ny fihetseham-pony. Tokony hitadidy izany izy indrindra raha Kristianina izy mivady, izany hoe samy mpiara-mandova “ilay fanomezana tsy manam-paharoa, dia ny fiainana.” Ilaina izany mba tsy ho voasakana ny vavaka ataon’ilay lehilahy. (1Pe 3:7) Tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny ny lehilahy satria fotsiny hoe tsy mpino io vadiny io. Tokony hiara-mitoetra aminy kosa izy raha manaiky izany ravehivavy. Afaka manampy azy ho lasa mpino mantsy ralehilahy sady afaka manao izay hahavoavonjy ny zanany.​—1Ko 7:12, 14, 16; jereo FANAMBADIANA; FIANAKAVIANA; RAY.

Fisaraham-panambadiana. Ny lehilahy, fa tsy ny vehivavy, no afaka nisaraka tamin’ny vadiny, teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy maintsy nomeny taratasy fisaraham-panambadiana anefa ravehivavy. (De 24:1-4) Nasehon’i Jesosy Kristy fa noho ny hamafin’ny fon’ny Israelita no namelana azy ireo hanao izany. (Mt 19:8) Raha nisy anefa lehilahy nanao firaisana tamin-jazavavy virjiny mbola tsy nanana fofombady, dia tsy maintsy nalainy ho vady razazavavy, raha tsy hoe nanda angaha ny rain-drazazavavy. Tsy azony nisarahana ravehivavy nandritra ny androm-piainany.​—De 22:28, 29.

Asongadin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina fa ny vadiny ihany no azon’ny lehilahy anaovana firaisana (Oh 5:15-20), ary tokony ho mendri-kaja ny fanambadiana satria homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady. (He 13:4) Nanana vady maro sy vadikely anefa ny olona taloha sy taorian’ny nanomezana ny Lalàna, saingy noleferin’i Jehovah izany. Ny Kristianina kosa tsy tokony hanana afa-tsy vady iray, raha mbola velona io vadiny io. (Ge 25:5, 6; 29:18-28; De 21:15-17; Mt 19:5; Ro 7:2, 3; 1Ti 3:2) “Fijangajangana” ihany no antony azon’ny Kristianina isarahana amin’ny vadiny ka ahafahany manambady indray.​—Mt 19:9; jereo FIJANGAJANGANA.

Vady an’ohatra. Azo lazaina hoe lasa ‘vady sy tompon’ny’ firenen’Israely i Jehovah noho ny fifaneken’ny Lalàna. (Je 3:14) Nilaza ny apostoly Paoly fa Ray i Jehovah ho an’ireo Kristianina voahosotra, izay zanany nateraky ny fanahy. Nilaza koa izy fa renin’izy ireo i “Jerosalema any ambony.” Midika izany fa toy ny hoe vadin’io Jerosalema io i Jehovah.​—Ga 4:6, 7, 26; ampit. Is 54:5.

Lazaina hoe Vadin’ny fiangonana kristianina i Jesosy Kristy. (Ef 5:22, 23; Ap 19:7; 21:2) Lohan’ny fiangonana àry izy, ary tia sy mikarakara azy io. Namoy ny ainy ho an’io vadiny io izy, ary mbola mamelona sy tia azy io.