Lehy
(Lèhy) [Valanorano].
Toerana nandresen’ny Israelita ny Filistinina, indray mandeha na indroa angamba. Tsy fantatra izay tena nisy azy io. Misy milaza azy io ho i Kirbet es-Soyag, izay tsy ampy 3 km any atsinanan’i Beti-semesy. Mety ho avy amin’ny teny grika hoe siagôn (valanorano) ny hoe Kirbet es-Soyag.
Tao Lehy i Samsona no namono Filistinina 1000 tamin’ny valanoranon’ampondralahy mbola mando. Ho fahatsiarovana ny fandresena nomen’i Jehovah azy, dia nataony hoe Ramata-lehy (midika hoe “Toerana Avon’ny Valanorano”) ny anaran’ilay toerana. (Mpts 15:9-19) Ny bikan’ilay harambato tany angamba no nahatonga ny anarana hoe Lehy tany am-boalohany.
Maro ny Baiboly milaza fa namely an’ireo Filistinina niangona tao Lehy i Sama, tatỳ aoriana. (2Sa 23:11, 12; TV, DIEM, JB) Ilay teny hebreo hoe lahaiyah anefa dia midika ara-bakiteny hoe “tany amin’ny toby tranolay”, fa rehefa ovana kely ny teboka solon’ny zanatsoratra, dia lasa hoe “tao Lehy” izy io.