Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lela

Lela

Taova tena ilaina mba handrenesana tsiro sy hitenenana. Mandre tsiro ny olona satria miara-miasa ny tsapatsiro eo amin’ny lelany sy ny fandrenesana fofon-kanina. Mahatonga ny olona ho afaka hiteny koa ny lela. Tsy afaka manonona teny izy raha tsy mihetsiketsika ny lelany. Tena kingakinga erỳ ny lela manao izany.​—Jereo VAVA (Lanilany).

Matetika ny Baiboly no mampiasa ny teny hoe “lela” nefa “fiteny” no tiany holazaina. (Ge 10:5; De 28:49; Is 28:11; As 2:4; 19:6; 1Ko 12:10; jereo FITENY.) Mety ho vahoaka mampiasa fiteny iray koa anefa indraindray no tiana holazaina amin’ny hoe “lela.”​—Is 66:18; Ap 5:9; 7:9; 13:7.

Nampiasa ohatra mazava tsara i Jakoba rahalahin’i Jesosy rehefa niresaka momba ny lela. Nilaza koa izy fa mila mitandrina be ny Kristianina mba hahay hampiasa tsara ny lelany. Mety ho lasa zava-poana ny fivavahan’ny olona iray, hoy izy, raha tsy asiany lamboridy ny lelany. (Jk 1:26) Nampitoviny tamin’ny afo mahavita mandoro ala ny lela. Mety ho ny toetra ratsy na zavatra hafa no hibaiko azy io raha tsy voaisy lamboridy. Mety ho voatarika hanao an’izao karazana tsy fahamarinana rehetra izao àry ilay olona, ka mety ho simba ny fiainany manontolo. Mety ho lasa poizina ho an’ilay olona sy ho an’ny hafa ny lela, ka hanimba ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah. Tsy misy olona mahafolaka ny lelany raha amin’ny heriny manokana fotsiny, ary tsy misy olona tena tsy ‘hanao fahadisoana’ mihitsy ‘amin’izay lazainy’ satria tsy lavorary daholo ny olona. (Jk 3:2-8) Ny Kristianina kosa, na tsy lavorary koa aza, dia afaka mamolaka an’io taova tsy hay fehezina io. Afaka manisy lamboridy ny lelany izy ireo sady afaka manova ny toetrany, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy.​—Jk 3:10-18; 1Pe 3:10; Kl 3:9, 10; ampit. Sl 34:13; 39:1.

Milaza koa ny Ohabolana fa “hazon’aina” ny tenin’ny olona tony, fa ny tenin’ny mpamitaka kosa “mahakivy.” Midika ara-bakiteny hoe lela ny hoe ‘teny’ eo. Samy vitan’ny lela koa na ny mahafaty na ny mahavelona. (Oh 15:4; 18:21) Voalaza fa “ny teny [a.b.t.: lela] malefaka mahavita manapaka taolana.” Na mafy toy ny taolana aza mantsy ny fon’ny olona iray, dia mety hanjary halefaka izany ka tsy hanohitra ilay olona rehefa hanaovana teny malefaka. (Oh 25:15) Afaka manasitrana eo amin’ny ara-panahy mihitsy koa aza ny lela raha tenin’Andriamanitra no lazainy. (Oh 12:18) “Avy amin’i Jehovah ... ny valin-teny omen’ny vava [a.b.t.: lela]”, satria ny teny avy aminy ihany no manasitrana. (Oh 16:1) Efa nambara mialoha fa hilaza ny tenin’Andriamanitra i Jesosy ka hanasitrana ny olona eo amin’ny ara-panahy ny fanompoana ataony, ary “hamehy ny ratran’ny torotoro fo” izy.​—Is 61:1.

Nasongadin’i Jehovah fa tena ratsy ny lela fandainga, ka nampidiriny ho anisan’ireo zavatra fito halany izany, ary notanisainy niaraka tamin’ny “tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny.” (Oh 6:16-19) Nilaza i Davida fa te handripaka ny mpanompon’Andriamanitra ny ratsy fanahy ka “mandranitra ny lelany toy ny sabatra.” Hataon’Andriamanitra maratra anefa ireny, satria “hifotitra aminy ihany ny teniny.” (Sl 64:3, 7, 8) Hoy i Jehovah tamin’ny vahoakany: “Homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao.” (Is 54:17) Mampahery an’ireo mpanompon’Andriamanitra izany. Mankatò ny lalàny foana mantsy izy ireo na dia mieboebo aza ireo heverina ho hendry eto amin’ity tontolo ity ka milaza hoe: “Handresy izahay noho ny teninay.” (Sl 12:3-5) Mety ‘hitranga lela’ sy hiampanga an’ireo manompo an’i Jehovah izy ireo (Is 57:4; Je 18:18), nefa tsy hahomby mihitsy.​—Oh 10:31.

Nampanantena i Jehovah fa hataony ‘mahay miteny mazava tsara’ ny lelan’ireo miakanakam-piteny, ary hataony ‘mihoby’ ny lelan’ny moana. (Is 32:4; 35:6) Nositranin’i Jesosy ny moana na izay tsy afaka miteny ara-dalàna. (Mr 7:33-37) Voalaza fa hianiana amin’i Jehovah ny lela rehetra. Midika izany fa hahay hilaza zavatra tsara ny lela rehetra, amin’ny hoavy. Ho tanteraka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany, hoy ny apostoly Paoly, satria ‘hanaiky an-karihary ny lela rehetra’ amin’izay fa “i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”​—Fi 2:11; Is 45:23; Ro 14:11.

An’ohatra no nilazan’i Jehovah fa hampiasa ny lelany “toy ny afo mandevona” izy rehefa hampihatra ny fahatezerany. (Is 30:27) Tamin’ny Pentekosta, dia nandatsaka fanahy masina tamin’ireo mpianatra 120 teo ho eo nivory tao amin’ny efitra iray tao Jerosalema i Jesosy Kristy. Ren’ny sofina ny fiasan’ny fanahy masina, satria niteny tamin’ny fiteny maro samihafa ireo mpianatra. Hitan’ny maso koa izany, satria nisy lela maro toy ny afo niseho ary nankeo ambonin’ny tsirairay.​—As 2:3, 4.