Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lembalemba

Lembalemba

Ilay teny hebreo hoe mishôhr no nadika hoe “lembalemba.” Avy amin’ny fototeny midika hoe “marin-tampona, mahitsy” izy io, ary mety hidika hoe “tany lemaka” na ‘tany mitovy tantana’, ka tsy misy tendrombohitra na havoana. (1Mp 20:23, 25; Is 40:4; 42:16; Za 4:7) Mety hidika hoe “fahitsiana” (Sl 27:11; 45:6; 67:4; 143:10; Is 11:4) na fiainana tsy misy sakantsakana koa izy io. (Sl 26:12) Ampiasaina mba hilazana an’ilay lembalemba eo atsinanan’ny Ranomasina Maty koa ny hoe mishôhr indraindray. I Hesbona no eo avaratr’izy io ary ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona no eo atsimony.​—De 3:10; Js 13:9, 15-17; 20:8.