Leopara
[Heb.: namer; aram.: nemar; gr.: pardalis].
Sokajina ho anisan’ny saka be. Matetika no mivolontsôkôlà tanora misy pentina mainty tsy tena boribory ny volony. (Je 13:23) Mahatratra 1,2 m ny lavany (tsy anatin’izany ny rambony). Nisy leopara maromaro novonoina tany akaikin’i Jerosalema taona vitsivitsy lasa izay, nefa mbola maro noho izany ny tany Palestina fahiny. (To 4:8) Hita tany koa ny leopara mpihaza, izay anisan’ny biby mampinono haingam-pandeha indrindra. Mety hoe namer (heb.) koa no nilazana azy. Tsy tena afaka mipoitra sy milentika toy ny an’ny leopara anefa ny hohony, ary boribory tsara ny pentina amin’ny volony.
Resahin’ny Baiboly an-kolaka hoe haingam-pandeha ny leopara (Ha 1:8), ary mamitsaka eny akaikin’ny tanàna izy mba handrapaka an’izay biby fiompy mandalo. (Je 5:6; Ho 13:7) Hiaraka hatoritory amim-piadanana kosa ny leopara sy ny zanak’osy, rehefa mitondra ny Mesia.—Is 11:6.
Daniela 7:6, satria haingana be ny nandreseny an’i Media-Persa. Toy ny leopara koa ilay bibidia avy tany an-dranomasina, tao amin’ny fahitan’ny apostoly Jaona.—Ap 13:1, 2; jereo BIBY AN’OHATRA.
Ny Fanjakana Grika ilay leopara manana loha efatra sy elatra efatra resahin’nyNadika hoe “liona” ny hoe layish (heb.). (Jb 4:11; Oh 30:30) Natao hoe “leopara” kosa izy io ao amin’ny Isaia 30:6 (TV), satria efa miresaka “liona” (laviʼ) ao.