Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lesa

Lesa

(Lèsa).

Toerana iray voatonona ao amin’ny andinin-teny voalohany miresaka momba ny sisin-tanin’ny Kananita. (Ge 10:19) Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Lesa. Mety ho “tany akaikin’i” Zeboima i Lesa (TV, JP [fan. 1962]), nefa koa mety ho tonga “hatrany” Lesa ny sisin-tanin’ny Kananita izay nanomboka tany amin’ny faritra nanodidina an’i Zeboima. (Prot., Kat., DIEM) Ny fanazavan’i Jérôme (manam-pahaizana) sy ny lovantsofina jiosy no nahatonga olona maro hilaza fa any Callirrhoé i Lesa, any akaikin’ny morontsiraka atsinanan’ny Ranomasina Maty, eo atsimon’ny Lohasaha Falehan-driaka Zarka Maʽin. Misy indray mihevitra fa i Laisy (Dana) i Lesa.