Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Letosima

Letosima

(Letosìma) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “mandranitra; mikapoka amin’ny marotoa; manefy”].

Anisan’ny taranak’i Abrahama sy Ketora, avy tamin’i Dedana. (Ge 25:3) Amin’ny endriny milaza maro ny hoe Letosima amin’ny teny hebreo satria miafara amin’ny im, toy ny hoe Asorima sy Leomima ao amin’ilay andininy ihany. Manam-pahaizana maro àry no mihevitra fa foko na firenena izy ireo. Nisy ifandraisany tamin’i Dedana izy ireo, ka nety ho nonina tany amin’ilay Saikinosin’i Arabia. Tsy fantatra anefa hoe taiza marina no nisy azy ireo.​—Jereo MIZRAIMA.