Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Leviatana

Leviatana

(Leviatàna) [Heb.: livyatan].

Miseho inenina ao amin’ny Baiboly ny hoe livyatan (heb.), ary toa avy amin’ny fototeny midika hoe “olikolika”, ka ilazana zavatra “miolikolika” na “mivalombalona.” Nataon’ny Baiboly maro hoe Leviatana fotsiny izy io fa tsy nadikany.

Miresaka rano ireo andininy ahitana hoe Leviatana, afa-tsy ny Joba 3:8 (f.a.p.). Toa hazandrano goavana sy matanjaka àry izy io, na dia tsy fantatra aza hoe karazany inona. Resahin’ny Salamo 104:25, 26 fa mitsambikimbikina eny amin’ny ranomasina falehan’ny sambo izy io, ka maro no mihevitra hoe trozona ilay izy eo. Tsy fahita any Mediterane ny trozona nefa fantatr’olona any, ary misy ampahana taolan-trozona roa ao amin’ny tranombakoka iray any Beyrouth, any Liban. Hoy ny fanamarihana ambany pejin’ny Baiboly iray: “Na hoe mamba.” (Kat.) Ilazana farihy lehibe, toy ny Ranomasin’i Galilia (Ranomasin’i Kinereta) (No 34:11; Js 12:3), na ny reniranon’i Neily (Is 19:5) na Eofrata (Je 51:36), koa ny teny hebreo adika hoe “ranomasina” (yam), ka tsy ahafantarana hoe inona marina ny Leviatana.

Voaibe ny “Leviatana” rehefa jerena ny Joba 41:1-34, ary mety ho ny reniranon’i Neily na ranomamy hafa ilay hoe “ranomasina” (and. 31). Misy voaibe, toy ny voaiben’i Neily (Crocodylus niloticus), anefa hita eny amoron-dranomasina, na mandeha lavidavitra eny an-dranomasina indraindray.

Resahin’ny Salamo faha-74 ny namonjen’Andriamanitra ny vahoakany. Miresaka ny namonjeny ny Israely tany Ejipta ny andininy faha-13 sy 14. Ny “biby goavam-be any an-dranomasina [heb.: tanninim (mr.); tkn: tannin]” ihany ny hoe “Leviatana” (f.a.p.) ao. Toa ny faharesen’i Farao sy ny tafiny tamin’ny Israely niala tany Ejipta ilay hoe notorotoroina ny lohan’ny Leviatana. Ny Targoma Aramianina kosa manao hoe “ireo maherin’i Farao” fa tsy hoe “ny lohan’ny Leviatana.” (Ampitahao amin’ny Ezk 29:3-5, izay iantsoana an’i Farao hoe “biby goavam-be any an-dranomasina” eo amin’ny lakandranon’i Neily. Jereo koa Ezk 32:2.) Toa ilazan’ny Isaia 27:1 fanjakana na fikambanana iraisam-pirenena fehezin’ilay atao hoe “menarana” na “dragona” (Ap 12:9) ny hoe Leviatana (“dragona”, LXX). Faminaniana momba ny fiverenan’ny Israely any amin’ny taniny izy io, ka i Babylona na koa i Asyria sy Ejipta (and. 1213) ilay Leviatana ‘nofaizin’i Jehovah.’ Fikambanana na fanjakana iraisam-pirenena manohitra Azy sy ny mpanompony àry ny Leviatana eo.