Libanona
(Libanòna) [[Tendrombohitra] Fotsy].
Ny andrefana indrindra amin’ireo tandavan-tendrombohitra roa any Libanona. Mety ho ny lokon’ireo tevana sy tampony vatosokay, na ny lanezy mandrakotra ireo tendrony saika mandavantaona no niavian’ilay anarana. (Je 18:14) Tokotokony ho 160 km izy io avy any avaratra avaratratsinanana hatrany atsimo atsimoandrefana manaraka ny moron’ny Ranomasina Mediterane, ka ny 100 km amin’izany dia mifanatrika tsara amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Anti-Liban ankehitriny). Misy lohasaha lonaka sy lavalava antsoina hoe Bekaʽ (Cœlésyrie) manasaraka an’ireo tandavan-tendrombohitra roa ireo, ary 10 km ka hatramin’ny 16 km ny sakany. (Js 11:17; 12:7) Eo amin’io lohasaha io no mikoriana mianavaratra ny Renirano Oronte, fa mikoriana mianatsimo kosa i Litani (antsoina hoe Nahr el-Kasimiye ny tapany atsimo kokoa amin’izy io). Miolika manaraka ny tendrony atsimo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona avy eo i Litani. Mikoriana any ambadiky ny tendrony avaratra amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona kosa i Nahr el-Kebir (Eleoterosy).
Mitsatoka avy hatrany any amin’ny Ranomasina Mediterane ny ankamaroan’ny fototry ny Tandavan-tendrombohitra Libanona ka tery kely
ny lemaka amoron-tsiraka sisa tavela. Mahatratra 1800 m ka hatramin’ny 2100 m ny haavon’ilay tandavan-tendrombohitra amin’ny ankapobeny fa misy tendrony roa fotsiny mbola mihoatra 900 m. Samy mitsatoka be ny tehezany atsinanana sy andrefana.Somary mangadihady ny tehezany atsinanana sady tsy misy renirano lehibe. Azon-drano tsara kosa ny tehezany andrefana sady ahitana renirano sy hadilanana. (Ampit. To 4:15.) Manao an-tanantohatra ny tapany ambany kokoa amin’io tehezany io ka ahitana voly varimbazaha isan-karazany, tanimboaloboka, saham-boankazo, voaroihazo, noaie (hazo mamoa voa toy ny voanjo), ary hazo oliva. (Ampit. Ho 14:5-7.) Maniry tsara eo amin’ilay tany misy vatovary ny hazo kesika, ary ahitana hazo sedera mijoalajoala sy mitangorona vitsivitsy eny ambony kokoa. Nandrakotra an’ilay tandavan-tendrombohitra ireny hazo ireny taloha, ary nampiasaina tamin-javatra maro. (1Mp 6:9; To 3:9; Ezk 27:5; jereo SEDERA.) Hazo zanatany eo amin’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona ny hazo volondavenona sy ny siprey ary ny zenevrie. (1Mp 5:6-8; 2Mp 19:23; Is 60:13) Anisan’ny biby hita any ny gazela sy ny hyena (mitovitovy amin’ny alikadia) ary ny amboadia. Betsaka kokoa ny ala sy ny bibidia teny fahiny, ary nivezivezy teny ny liona sy ny leopara. (To 4:8; Is 40:16) Angamba ny hanitr’izany ala matevina izany ilay nantsoina hoe “hanitr’i Libanona.”—To 4:11.
Tsy faritra noresen’ireo Israelita notarihin’i Josoa i Libanona, fa lasa sisin-tany tany avaratrandrefana kosa. (De 1:7; 3:25; 11:24; Js 1:4; 9:1) Nitsapana ny tsy fivadihan’ny Israely tamin’i Jehovah anefa ireo mpanompo sampy nonina tany. (Mpts 3:3, 4) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nanana fahefana tamin’ny ampahany amin’i Libanona i Solomona Mpanjaka, ka nanao fanorenana tany. (1Mp 9:17-19; 2Ta 8:5, 6) Azo inoana fa anisan’ny naoriny “ny tilikambon’i Libanona, izay tandrifin’i Damaskosy.” (To 7:4; misy anefa mihevitra fa ny iray amin’ireo tendron’i Libanona io resahina io.) Tamin’izay i Hirama mpanjakan’i Tyro no nanana fahefana tamin’ilay ilany hafa tamin’i Libanona, ka avy tany izy no namatsy hazo sedera sy zenevrie ho an’i Solomona.—1Mp 5:7-14.
Heviny an’ohatra. Andinin-teny maro no manonona an’i Libanona mba hilazana tany mahavokatra (Sl 72:16; Is 35:2) sy ala matevina, indrindra fa ireo Sedera mijoalajoala. (Sl 29:5) Ampiasaina an’ohatra koa matetika ny hoe Libanona. Voalaza, ohatra, fa mangaihay sy malahelo izy io satria norobain’ny miaramila asyrianina ny tanin’i Joda. (Is 33:1, 9) Tsy maintsy hiharan-doza koa anefa ny tafika asyrianina, ka hokapaina ary hidaraboka toy ireo hazon’i Libanona. (Is 10:24-26, 33, 34) Toy ny voninkazon’i Libanona lasa malazo ireo mizaka ny voka-dratsin’ny fanamelohan’i Jehovah. (Na 1:4) Rehefa milaza ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny hoe ho lasa saham-boankazo vokatra be ny alan’i Libanona, dia fitsimbadihan’ny toe-javatra no tiany holazaina.—Is 29:17, 18.
Nasain’i Jehovah niteny toy izao i Jeremia “momba ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda: ‘Toa an’i Gileada sy toy ny tampon’i Libanona ianao amiko.’” (Je 22:6) Toa ny lapan’ny mpanjaka ilay ‘trano’ voalaza eto. (Je 22:1, 5) Teo amin’ny toerana avo no nisy ilay lapa ka mijoalajoala sy mahatalanjona toa an’i Libanona izy io. Be dia be koa ny hazo sedera nampiasaina tamin’ny fanorenana an’ilay lapa sy ireo trano hafa tao. (1Mp 7:2-12) Nandre ireo teny ao amin’ny Jeremia 22:6 ireo i Joiakima Mpanjaka, izay nampiasa takela-kazo sedera rehefa nanorina ny lapany mirenty be. (Je 22:13-15) Toy ny alana sedera tsara tarehy àry ilay lapa sy ny nanodidina azy, ka azo noharina tsara tamin’i Libanona sy Gileada izay rakotra ala. Nampitandrina an’i Joiakima sy ny mpanompony ary ny vahoakany anefa i Jehovah fa raha tsy manao ny rariny izy ireo dia ho ‘rava tanteraka ilay trano’ (Je 22:1-5), ary hahita loza ireo monina any Libanona an’ohatra (Jerosalema), “izay manao akany eny amin’ny sedera.”—Je 22:23; jereo koa ny Ezk 17:2, 3.
Toa i Jerosalema koa no tian’i Sankeriba mpanjaka asyrianina holazaina, tamin’izy nikasa ‘hiakatra eny amin’ny tendrombohitra avo indrindra, any amin’ny faritra lavitra indrindra ao Libanona’ mba ‘hikapa ny hazo sedera avo.’ (Is 37:21-24) Mety ho ny loza miandry an’i Jerosalema ilay herisetra natao tamin’i Libanona voalazan’ny faminaniana. (Ha 2:17) Mety ho ny fandripahana ny alan’i Libanona ara-bakiteny vokatry ny ady koa anefa no tian’io faminaniana io holazaina.—Ampit. Is 14:5-8.
Lazain’ny faminanian’i Zakaria (10:10) fa ho avy ny andro hampodian’i Jehovah ny olony any Gileada sy Libanona. Mety ho ny faritra any andrefan’i Jordana no lazaina hoe Libanona eto, satria ilazana ny tany any atsinanan’i Jordana ny hoe Gileada.