Libna
(Libnà) [avy amin’ny fototeny midika hoe “fotsy”; na mety hidika hoe “hazo stiraksa”].
1. Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. Tsy fantatra izay tena nisy azy io.—No 33:20, 21.
2. Tanànan’ny mpanjaka kananita, resin’i Josoa talohan’ny nahazoany an’i Lakisy. (Js 10:29-32, 39; 12:15) Iray tamin’ireo tanàna tao amin’ny faritanin’i Joda izay nomena ny “taranak’i Arona” i Libna. (Js 15:21, 42; 21:13; 1Ta 6:57) Nonina tao ny rafozandahin’i Josia Mpanjaka, taonjato maro tatỳ aoriana.—2Mp 23:31; 24:18; Je 52:1.
2Mp 8:22; 2Ta 21:10) Tamin’ny taona 732 T.K., dia nankany Libna ny tafik’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. Avy tany Lakisy izy ireo ary tany i Sankeriba no nandefa andia-miaramila handrahona an’i Jerosalema. Rehefa tao Libna ny Asyrianina dia nandre tatitra fa mitady hanafika azy ireo i Tiraka mpanjakan’i Etiopia. Nandefa iraka fanindroany nitondra taratasy àry i Sankeriba mba hampihorohoro an’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, ka hahatonga an’i Jerosalema hitolo-batana. Tamin’izay ny anjelin’i Jehovah no nahafaty Asyrianina 185 000, izay toa mbola nitoby teo akaikin’i Libna.—2Mp 19:8-35; Is 37:8-36.
Nikomy koa ny tao Libna rehefa nikomy tamin’i Jorama mpanjakan’ny Joda ny Edomita, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. (Misy milaza an’ilay Libna fahiny ho i Tell es-Safi. Voaporofo anefa fa i Gata no Tell es-Safi. Manam-pahaizana maro àry ankehitriny no milaza an’i Libna ho i Tell Bornat (Tel Borena), tokony ho 8 km any avaratra avaratratsinanan’i Lakisy.