Lioka
Dokotera sady naman’ny apostoly Paoly ary tsy nivadika taminy mihitsy. Izy no nanoratra ny Filazantsaran’i Lioka sy ny Asan’ny Apostoly. Olona nahita fianarana izy, rehefa jerena ny asa sorany. Tonga dia hita hoe dokotera izy satria nampiasa voambolan’ny mpitsabo.—Lk 4:38; As 28:8.
Asehon’i Lioka fa tsy nanatri-maso an’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Kristy, izay tantarainy ao amin’ny Filazantsarany, izy. (Lk 1:2) Toa efa taorian’ny Pentekosta taona 33 àry izy vao lasa mpino.
Tsy tononin’i Lioka mivantana ny anarany, ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, fa ny teny hoe “izahay” sy “anay” kosa no ampiasainy ka tafiditra amin’izany ihany izy. (As 16:10-17; 20:5–21:18; 27:1–28:16) Niaraka tamin’i Paoly tany Troasy izy, tamin’ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly. Mbola nanaraka azy tany Filipy izy avy eo, ary mety ho nijanona tany mandra-piverin’i Paoly tany, tamin’ny dia misionera fahatelo. Niaraka tamin’i Paoly nankany Jodia i Lioka, tamin’ny faran’io dia misionera fahatelo io. (As 21:7, 8, 15) Nigadra roa taona teo ho eo tany Kaisaria i Paoly taorian’izay, ka azo inoana fa nanoratra ny Filazantsarany tany i Lioka nandritra izany fotoana izany (t. 56-58). Nanaraka an’i Paoly izy, rehefa nentina hotsaraina tany Roma i Paoly. (As 27:1; 28:16) Zava-nitranga nanomboka tamin’ny taona 33 ka hatramin’ireo roa taona nigadran’i Paoly tany Roma no tantarain’ny Asan’ny Apostoly, fa tsy tantarainy hoe nanao ahoana no niafaran’ilay raharaha rehefa nampakarin’i Paoly tany amin’i Kaisara. Azo inoana àry fa tamin’ny taona 61 tany ho any no vitan’i Lioka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.
Nanao mampamangy an’ireo Kristianina tany Kolosia i Lioka, ary nampitain’i Paoly tamin’izy ireo izany rehefa nanoratra ho azy ireo avy tany Roma izy (t. 60-61). “Dokotera malala” no niantsoan’i Paoly an’i Lioka ao. (Kl 4:14) Mbola nanao mampamangy an’i Filemona koa i Lioka, ary ahitana izany ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Filemona, avy tany Roma (t. 60-61). Nolazain’i Paoly hoe “mpiara-miasa” aminy i Lioka ao. (Flm 24) Tsy nahafoy an’i Paoly mihitsy i Lioka, ary mbola niaraka taminy na dia taloha kelin’ny namonoana azy ho faty maritiora aza. Hoy mantsy i Paoly: “I Lioka irery no eto amiko.”—2Ti 4:11.
Misy mihevitra fa hafa firenena i Lioka, rehefa jerena ny Kolosianina 4:11, 14. Vao avy niresaka an’ireo “voafora” (Kl 4:11) mantsy i Paoly ao, dia nanonona an’i Lioka. (Kl 4:14) Midika, hono, izany hoe tsy voafora i Lioka ka tsy Jiosy. Tsy mitombina anefa izany, satria milaza ny Romanina 3:1, 2 fa ny Jiosy no nanankinana ny fanambarana masin’Andriamanitra, ary anisan’ireo nanankinana an’izany i Lioka.
Misy koa mihevitra hoe i Lioka ilay Losio resahin’ny Asan’ny Apostoly 13:1, na ilay Losio ‘havan’i Paoly’ resahin’ny Romanina 16:21. Tsy misy porofo manamarina izany anefa ao amin’ny Baiboly.