Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lioka, Filazantsaran’i

Lioka, Filazantsaran’i

Fitantarana momba ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nokendrena mba ho marina tsara sy araka ny filaharany ireo tantara, mba hanamafisana fa azo antoka ny zavatra nampianarina an’i Teofilo. (Lk 1:3, 4) Natao hahasoa olona maro, na Jiosy na tsy Jiosy, ilay Filazantsara matoa nekena ho anisan’ny Baiboly. Milahatra araka ny fotoana nisehoany ny zava-nitranga resahiny, na dia misy foto-kevitra asongadiny ihany aza indraindray.

Mpanoratra sy ny fotoana nanoratana azy. Saika eken’ny rehetra fa i Lioka dokotera (Kl 4:14) no nanoratra an’ilay fitantarana, na dia tsy hita ao aza ny anarany. Misy asa soratra efa tamin’ny taonjato faharoa manaporofo izany. Ao amin’ny Ampahana Kôdeksa Hitan’i Muratori (t. 170), ohatra, ny Filazantsaran’i Lioka. Hita koa hoe olona nahita fianarana sady dokotera no nanoratra azy io. Maro kokoa noho ny ao amin’ny Filazantsara telo hafa mantsy ny voambolana ampiasaina ao, ary voafaritra kokoa ny teny nilazany an’ireo aretina nositranin’i Jesosy.​—Ampit. Mt 8:14; Mr 1:30; Lk 4:38; Mt 8:2; Mr 1:40; Lk 5:12.

Vitan’i Lioka talohan’ny nanoratany ny Asan’ny Apostoly ilay Filazantsara. (As 1:1, 2) Niaraka tamin’i Paoly nankany Jerosalema izy, rehefa hifarana ny dia misionera fahatelo nataon’ilay apostoly. (As 21:15-17) Afaka nanadihady tsara momba an’i Jesosy Kristy àry izy, satria tany ilay Zanak’Andriamanitra no nanao ny fanompoany. Nanararaotra nanontany an’ireo nahita izay nataon’i Jesosy angamba izy ary nijery asa soratra samy hafa, rehefa voasambotra tany Jerosalema i Paoly ary avy eo nogadraina tany Kaisaria. Mety ho tany Kaisaria àry no nosoratana ilay Filazantsara, tamin’i Paoly nigadra roa taona (t. 56-58) teo ho eo tany.​—As 21:30-33; 23:26-35; 24:27.

Ny mampiavaka azy. Maro be ny porofo nomen’i Lioka fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra, toy ny hita ao amin’ny Filazantsara telo ihany. Voalaza fa tia nivavaka i Jesosy, ary niantehitra tanteraka tamin’ilay Rainy any an-danitra. (Lk 3:21; 6:12-16; 11:1; 23:46) Misy tsipiriany maro hafa koa ao amin’ilay Filazantsara. Manampy antsika hahalala bebe kokoa ny fiainan’i Kristy Jesosy izy ireny, rehefa atambatra amin’izay voalazan’ireo Filazantsara telo hafa. Saika izay rehetra voalaza ao amin’ny Lioka toko 1 sy 2, ohatra, no tsy ao amin’ny Filazantsara hafa. Fahagagana enina koa, fara fahakeliny, no tsy voatantara afa-tsy ao: Nataon’i Jesosy nahazo trondro be dia be ny mpianany sasany (5:1-6); natsangany tamin’ny maty ny zanakalahin’ny mpitondratena iray tao Naina (7:11-15); ary nositraniny ilay vehivavy nanjoko be (13:11-13), ilay lehilahy voan’ny aretina manirano (14:1-4), ireo boka folo (17:12-14), ary ny sofin’ilay mpanompon’ny mpisoronabe (22:50, 51). Maherin’ny avo roa heny noho ireo fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara hafa koa, ireo notantarain’i Lioka. Anisan’izany ny momba an’ireo roa lahy nananan’olona trosa (7:41-47), ilay Samaritanina tsara fanahy (10:30-35), ilay aviavy tsy namoa (13:6-9), ilay fanasambe tamin’ny sakafo hariva (14:16-24), ilay vola drakma very (15:8, 9), ilay zanaka adala (15:11-32), ilay mpanompo tsy marina (16:1-8), ilay mpanankarena sy Lazarosy (16:19-31), ary ilay mpitondratena sy ilay mpitsara tsy marina (18:1-8).

Manampy antsika hahalala ny fotoana nahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy, sy ny fotoana nanombohan’izy ireo ny fanompoany ilay Filazantsara, satria milahatra araka ny fotoana nisehoany ny tantara ao.​—Lk 1:24-27; 2:1-7; 3:1, 2, 23; jereo FANISAM-BAHOAKA.

Anisan’ny Soratra Masina. Anisan’ny Soratra Masina ny Filazantsaran’i Lioka sady mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Imbetsaka mantsy izy io no manonona mivantana na an-kolaka ny Soratra Hebreo. (Ampit. Lk 2:22-24; Ek 13:2; Le 12:8; Lk 3:3-6; Is 40:3-5; Lk 7:27; Ml 3:1; Lk 4:4, 8, 12; De 8:3; 6:13, 16; Lk 4:18, 19; Is 61:1, 2.) Tanteraka koa ny faminanian’i Jesosy ao momba ny handravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny.​—Lk 19:41-44; 21:5, 6.

[Efajoro, pejy 278]

HEVITRA MISONGADINA: LIOKA

Tantaran’i Jesosy nosoratan’i Lioka mba hanamafisana fa tena nisy ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Kristy; nataony manintona an’ireo olona avy amin’ny firenena rehetra ilay izy

Filazantsara nosoratana faharoa teo antenatenan’ny taona 56 sy 58 angamba

Talohan’ny nanaovan’i Jesosy ny fanompoany (1:1–4:13)

Nilazan’i Gabriela i Maria fa Zanak’Andriamanitra ilay haterany; nantsoin’ny anjely hoe “Kristy Tompo” i Jesosy tamin’izy teraka

Nanontany mpampianatra tao amin’ny tempoly i Jesosy tamin’izy 12 taona

Nilatsahan’ny fanahy masina izy rehefa nataon’i Jaona batisa, ary nisy feo avy tany an-danitra nilaza fa Zanak’Andriamanitra izy

Naka fanahy azy imbetsaka i Satana fa tsy nahomby

Fanompoan’i Jesosy tany Galilia (4:14–9:62)

Tao amin’ny synagogan’i Nazareta i Jesosy, namaky tao amin’ny horonam-bokin’i Isaia ny antony nahatongavany; saika novonoin’ny mpihaino azy

Nampianatra tao amin’ny synagogan’i Kapernaomy izy, namoaka demonia, ary nanasitrana aretina maro

Nokianina satria namela heloka sy nanasitrana tamin’ny Sabata

Nifidy apostoly 12 rehefa avy nivavaka nandritra ny alina tontolo

Nanao ny Toriteny teo An-tendrombohitra

Nanasitrana an’ilay mpanompon’ny manamboninahitra, nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena

Nanao fanoharana momba ireo roa lahy nananan’olona trosa sy ilay mpamafy; nanao fahagagana hafa ary nanangana ny zanakavavin’i Jairo

Nirahina hitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny apostoly

Nilaza i Petera fa i Jesosy no Kristy; nahita azy niova tarehy izy sy ny apostoly roa

Fanompoan’i Jesosy tany Jodia sy Pere (10:1–19:27)

Nirahin’i Jesosy hitory ireo 70 lahy

Fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy

Nampianatra hivavaka i Jesosy; tsy nanaiky hoe tamin’ny alalan’i Belzeboba no namoahany demonia

Nampitandrina momba ny fitiavan-karena, nampirisika hikatsaka an’ilay Fanjakana; ondry vitsy sy ilay mpanompo mendri-pitokisana

Nanasitrana vehivavy nanjoko be; namaly an’ireo nanakiana azy noho izy nanao izany tamin’ny Sabata

Izay tsy maintsy iaretan’ny mpianatr’i Jesosy

Nanao fanoharana maro izy, anisan’izany ny momba an’ilay zanaka adala, sy ilay mpanankarena sy Lazarosy

Tsy tokony hanafintohina ny hafa ny mpianany; ilaina ny manetry tena

Nanasitrana boka folo, nefa ilay Samaritanina ihany no niverina

Nampitoviny tamin’ny andron’i Noa sy Lota ny “andron’ny Zanak’olona”

Nasongadiny indray fa mila manetry tena ny mpianany, indrindra fa ny mpanankarena; nankany Jeriko izy ary tany i Zakaiosy no lasa mpianany

Fanoharana momba ny farantsa: Tsy tamin’izay no tonga ilay Fanjakana

Fanompoan’i Jesosy tany Jerosalema sy ny manodidina (19:28–24:53)

Nohobin’ny vahoaka i Jesosy rehefa niditra tao Jerosalema; nitomany mafy an’ilay tanàna ary naminany fa horavana izy io

Nandroaka an’ireo mpivarotra tao amin’ny tempoly; fanontaniana fandrika momba ny hetra sy ny fitsanganana amin’ny maty

Naminany fa horavana ny tempoly sy Jerosalema, ary hifarana ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena

Nisantatra ny Fahatsiarovana ny nahafatesany; nisy namadika; nanasitrana ny sofin’ilay mpanompo nokapain’i Petera

Nosamborina, nentina tao an-tranon’ny mpisoronabe, tany amin’ny Fitsarana Avo Jiosy, tany amin’i Pilato, tany amin’i Heroda ary naverina tany amin’i Pilato

Nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana; niresaka momba ny Paradisa tamin’ilay jiolahy; nisy haizina nanarona ny tany rehefa maty izy, ary triatra nisaraka roa teo afovoany ilay ridao tao amin’ny toerana masina

Nalevina; natsangana tamin’ny maty, ary niseho tamin’ny mpianany rehefa afaka telo andro

Hitan’izy ireo niakatra tany an-danitra