Liona
[Heb.: ʼaryeh; ʼari; laviʼ; layish; shahal (liona tanora); kefir (liona tanora matanjaka); leviyaʼ (liom-bavy); aram.: ʼaryeh; gr.: leôn].
Biby mampinono lehibe mena somary mavo, ao anatin’ny sokajin’ny saka be. Lava ny rambony, izay misy volo matevina ny tendrony. Manomboka maniry volo lava misavoritaka ny hatoky ny lahiny, rehefa telo taona eo ho eo izy. Lany tamingana ny liona To 4:8), ny kirihitra matevina teny amoron’i Jordana (Je 49:19; 50:44; Za 11:3), ary ny “tany misy fahoriana sy fahasahiranana”, dia ny tany efitra atsimon’i Joda.—Is 30:6; ampit. De 8:15.
any Palestina, nefa feno azy io tany fahiny. Nisy liona tany amin’ny Tandavan-tendrombohitra Amana (Tsy maintsy niaro ny andian’ondry tamin’ny liona ny mpiandry, indraindray. Be herim-po i Davida, indray mandeha, ka namely liona iray ary namonjy an’ilay ondry nalainy. (1Sa 17:34, 35) Naningana anefa izany, satria matetika no tsy nampandositra liona tanora “na tafangona daholo aza ny mpiandry ondry.” (Is 31:4) Sombiny kely tamin’ny biby fiompy fotsiny no azon’ny mpiandry avy teny am-bavan’ny liona indraindray. (Am 3:12) Iny no nataony porofo hoe tsy nilainy ny nanonitra an’ilay izy.—Ek 22:13.
Nahafaty liona i Davida, Samsona, ary Benaia, na irery aza. (Mpts 14:5, 6; 1Sa 17:36; 2Sa 23:20) Nisy olona matin’ny liona anefa. (2Mp 17:25, 26) Nataon’i Jehovah matin’ny liona koa ny mpaminany iray tsy nankatò azy (1Mp 13:24-28), sy ny lehilahy iray tsy nety nanampy ny iray tamin’ny mpaminaniny.—1Mp 20:36.
Resahin’ny Baiboly an-kolaka imbetsaka ny mampiavaka ny liona sy ny fahazarany, ohatra ny fierony. (Oh 19:12; 20:2; Am 3:4, 8) Tsy rehefa mihaza bibidia izy no mierona, fa matetika rehefa te hahazo biby fiompy ao am-bala. Mampahatahotra be mantsy ny fierony, ka mety handositra hamaky vala ireo biby ary hisy ho tafasaraka amin’ny andiany. Tsara famindra ny liona (Oh 30:29, 30), ary malaza noho ny heriny. (Mpts 14:18; Oh 30:30) Mahatapaka ny hatoky ny antilopa kely, ohatra, ny kapoka indray mandeha amin’ny tanany matanjaka. Vitany ny mamono sy mitarika biby lehibe noho izy. Mafy ny nifiny ao anaty valanorano fohy sy matanjaka, ka mahatapaka taolana lehibe. (Sl 58:6; Jl 1:6; Is 38:13) Tsy mahagaga àry raha mitady fialan-tsiny ny olona kamo miasa hoe: “Misy liona ao ivelany ao!” (Oh 22:13; 26:13) Mety ho faty anefa ny liona tsy mahita remby, satria hena no fihinany. (Jb 4:11; jereo koa Sl 34:10.) “Aleo alika velona [na dia hamavoina aza] toy izay liona [natanjaka nefa] maty.”—Mpto 9:4.
Matory ao amin’ny fiereny ny liona rehefa antoandro, fa amin’ny alina vao tena mihaza. Mamitsaka hamely izy na mijoko ny rembiny, ka rehefa tena akaiky vao mihazakazaka (Jb 38:39, 40; Sl 10:9; Ft 3:10) ary mety hahatratra 65 km/ora eo ho eo ny hafainganam-pandehany. Manaraka an-dreniny ny zana-diona rehefa feno telo volana, mba hianatra hamono remby. Sarahi-nono izy rehefa feno enina na fito volana, afa-miteraka rehefa efa-taona, ary tsy mitombo intsony rehefa enin-taona.—Ezk 19:2, 3.
Nihaza liona hatry ny ela ny olona, ka nampiasa lavaka sy harato mba hisamborana azy. (Ezk 19:3, 4, 9) Ny nihaza sy nanenjika liona no tena tian’ny mpanjakan’i Asyria fahiny. Nitaingina soavaly na kalesy izy tamin’izany, ary nitondra tsipìka sy zana-tsipìka.—SARY, Boky 1, p. 955.
Nalefa hohanin’ny liona noana ny olona nomelohina ho faty fahiny. Narovan’ny anjelin’i Jehovah anefa i Daniela mpaminany. (Da 6:16, 17, 22, 24; ampit. He 11:33.) Nafahana avy tamin’ny “vavan’ny liona” koa ny apostoly Paoly tamin’ny taonjato voalohany. Mety ho ara-bakiteny izany na an’ohatra.—2Ti 4:17.
Natao ravaka sy natao sary an’ohatra. Noravahana sarina liona vita sokitra ny takela-barahin’ny kalesy ho an’ny tempoly. (1Mp 7:27-36) Nisy sarina liona 12 koa teo amin’ny zanatohatra nankeo amin’ny seza fiandrianan’i Solomona, ary nisy iray avy nitsangana teo anilan’ireo fitoeran-tanana. (1Mp 10:19, 20) Nanana tarehy roa ny kerobima tao amin’ny tempoly tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, ka ny iray tarehin’olona ary ny iray tarehin’ny liona tanora.—Ezk 41:18, 19.
An’ohatra ny ankamaroan’ny liona resahin’ny Baiboly. Toy ny liona ny firenen’Israely manontolo (No 23:24; 24:9) sy ny fokon’i Joda (Ge 49:9) sy Gada (De 33:20), hoy ny faminaniana, satria tsy nety resy sy be herim-po rehefa nanao ady ara-drariny. (Ampit. 2Sa 17:10; 1Ta 12:8; Oh 28:1.) Nilaza i Jehovah fa ho toy ny liona izy, rehefa mampihatra ny didim-pitsarany amin’ny vahoakany nivadika. (Ho 5:14; 11:10; 13:7-9) “Liona avy amin’ny fokon’i Joda” i Jesosy Kristy, satria izy no mpitsara lehibe indrindra voatendrin’Andriamanitra. (Ap 5:5) Ilazana an’izay be herim-po miaro ny rariny ny liona. Tsy mahagaga àry raha manana tarehin’ny liona ny kerobima eo anatrehan’i Jehovah sy ny seza fiandrianany.—Ezk 1:10; 10:14; Ap 4:7.
Masiaka sy mirangorango ary mpiremby koa anefa ny liona, ka ilazana ny ratsy fanahy (Sl 10:9), ireo manohitra an’i Jehovah sy ny vahoakany (Sl 22:13; 35:17; 57:4; Je 12:8), mpaminany sandoka (Ezk 22:25), mpitondra sy andriana ratsy fanahy (Oh 28:15; Ze 3:3), Fanjakana Babylonianina (Da 7:4), ary Satana Devoly (1Pe 5:8). Tahaka ny an’ny liona koa ny vavan’ilay bibidia manan-doha fito sy tandroka folo avy tao amin’ny ranomasina, izay nomen’i Satana fahefana. (Ap 13:2) Toa ilazana ny herin’ny fahavalo ny liona sy kôbrà (Sl 91:13), satria manafika mivantana toy ny liona ny fahavalo, nefa koa mijoko mangina na mamely avy ao amin’ny miafina toy ny kôbrà.—Ampit. Lk 10:19; 2Ko 11:3.
Narovan’i Jehovah tamin’ny liona sy ny bibidia mpiremby hafa ny Israelita, rehefa nody tany Is 35:8-10) Nihamaro tao amin’ilay tany ny liona sy ireny biby ireny, nandritra ny 70 taona naha lao azy io. (Ampit. Ek 23:29.) Nisy matin’ny liona ny hafa firenena namponenin’ny mpanjakan’i Asyria tao amin’ireo tanànan’i Samaria, fa ny Israelita sy ny biby fiompiny kosa narovan’i Jehovah. (2Mp 17:25, 26) Tamin’ny Israelita àry, dia toy ny hoe nihina-mololo hoatran’ny omby ny liona tamin’izay, satria tsy namono azy sy ny biby fiompiny. (Is 65:18, 19, 25) Mbola ho tanteraka anefa io faminaniana io rehefa mitondra ny Mesia. Hihavana amin’ny olona malemy paika kokoa ny olona lozabe sy nasiaka fahiny, ka tsy hanisy ratsy azy ireo. Hihavana amin’ny heviny ara-bakiteny sy an’ohatra tokoa ny liona sy ny biby fiompy.—Is 11:1-6; jereo BIBY AN’OHATRA.
an-tanindrazany tamin’ny 537 T.K. (