Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lisy

Lisy

Nadika hoe “lisy” ny teny hebreo hoe shoshan sy ny teny grika hoe krinôn mifanitsy aminy. Mety hilazana ny voninkazo jasinta sy anemôna sy irisy ary gilaelina koa ireo teny ireo. Avy amin’ny teny ejipsianina midika hoe “voninkazo lehibe” ilay teny hebreo, araka ny fanazavan’i Koehler sy Baumgartner, mpanao diksionera. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 958) Nilaza i Hérodote (II, 92), Grika mpahay tantara, fa ny voahirana ejipsianina no atao hoe “lisy.” Maro koa no mihevitra fa io voahirana io no tiana holazaina amin’ireo “lisy” nandravahana ny tampon’ny andry tao amin’ny tempoly. (1Mp 7:19, 22, 26; 2Ta 4:5) Mampisalasala anefa izany satria nampiasaina be teo amin’ny fivavahan-diso tany Ejipta ny sarina voahirana.

Teny amin’ny lemaka iva sy teny amin’ny tsilo ary teny amin’ny toerana falehan’ny ondry sy gazela no nanirian’ny lisy resahin’ny Baiboly. (To 2:1, 2, 16; 4:5) Nety ho nambolena tao an-jaridaina koa izy ireny, (To 6:2, 3) ary manitra. (To 5:13) Nilaza i Hosea fa hamony toy ny lisy ny firenen’Israely rehefa tafaverina an-tanindrazana. Ny hakanton’ny lisy angamba no nahatonga azy hilaza izany.​—Ho 14:5.

Nasehon’i Jesosy Kristy fa tsy zava-dehibe araka ny fiheveran’ny olona azy ny zavatra ara-nofo, toy ny fitafiana, ohatra. Nohazavainy mantsy fa na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny lisy any an-tsaha. Nisy nilaza fa anemôna angamba no noeritreretin’i Jesosy. Toa voninkazo mitovy amin’ny lisy anefa no noresahiny, satria mitovy ihany ny tiany holazaina amin’ny hoe “lisy any an-tsaha” sy hoe “zavamaniry any an-tsaha.”​—Mt 6:28-30; Lk 12:27, 28.

Tsy fantatra ny dikan’ny teny hoe “Lisy” ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo 45, 60, 69, ary 80.